Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Safidin’ny Tsirairay ve ny Hateraka Indray?

Safidin’ny Tsirairay ve ny Hateraka Indray?

Safidin’ny Tsirairay ve ny Hateraka Indray?

MIANKINA amin’iza no mahatonga ny olona hateraka indray? Misy mpitory teny mampiasa ilay tenin’i Jesosy hoe: “Tsy maintsy hateraka indray ianareo.” (Jaona 3:7) Ataony amin’ny endriny mandidy ilay izy, ka toy ny milaza izy hoe: “Aoka ianareo hateraka indray!” Toa midika izany fa anjaran’ny mpino tsirairay ny mifidy ny hankatò an’i Jesosy sy hiezaka mba hateraka indray. Izany ve anefa no tian’i Jesosy hotenenina tamin’i Nikodemosy?

Raha dinihintsika tsara ny tenin’i Jesosy, dia hitantsika fa tsy nilaza mihitsy izy hoe anjaran’ny tsirairay ny mifidy raha hateraka indray izy, na tsia. Nahoana? Azo adika koa hoe “tokony hateraky ny any ambony” a mantsy ilay teny grika nadika hoe “ateraka indray.” Ny “any ambony”, izany hoe ny any an-danitra, na ‘ny Ray’, no tompon’antoka ny amin’izany. (Jakoba 1:17) Miankina amin’Andriamanitra àry no mahatonga ny olona hateraka indray.—1 Jaona 3:9.

Raha mitadidy an’ilay hoe “hateraky ny any ambony” isika, dia mazava amintsika hoe nahoana no tsy ny olona ihany no mahatonga ny tenany hateraka indray. Eritrereto fotsiny ny nahaterahanao. Ianao ihany ve no nifidy ny hateraka? Mazava ho azy fa tsia! Toy izany koa fa tsy ny tsirairay no mifidy ny hateraka indray. Miankina amin’Andriamanitra, ilay Raintsika any an-danitra, kosa izany. (Jaona 1:13) Marina àry ny tenin’ny apostoly Petera hoe: “Hisaorana anie Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, satria araka ny haben’ny famindram-pony, dia naterany indray ... isika!”—1 Petera 1:3.

Didy ve ilay izy?

Mety hisy anefa hieritreritra hoe: ‘Raha tsy ny tsirairay no manapa-kevitra ny amin’izany, nahoana i Jesosy no nandidy hoe: “Tsy maintsy hateraka indray ianareo”?’ Mitombina tsara izany fanontaniana izany. Raha didy tokoa mantsy ilay izy, dia toy ny hoe mangataka antsika hanao zavatra tsy azontsika atao i Jesosy. Tsy azo inoana mihitsy anefa izany! Inona àry no dikan’ilay teniny hoe tsy maintsy “hateraka indray” ianareo?

Rehefa dinihina tsara, dia tsy tamin’ny endriny mandidy no nilazana an’ireo teny ireo tamin’ny teny grika tany am-boalohany. Filazana tsotra fotsiny kosa ilay izy. Midika izany fa tsy didy ilay tenin’i Jesosy hoe tsy maintsy “hateraka indray” ianareo. Te hilaza fotsiny izy hoe tena ilaina izany.

Samy hafa tokoa ny mandidy sy ny milaza zavatra tsotra fotsiny. Intỳ misy ohatra manazava izany. Aoka hatao hoe misy sekoly maromaro ao amin’ny tanàna iray, ary natokana ho an’ny teratany vahiny ny sekoly iray. Te hiditra hianatra ao ny ankizilahy iray, nefa tsy teratany vahiny. Rehefa niresaka tamin’ny tale izy, dia namaly izy io hoe: “Tsy maintsy teratany vahiny ianao, vao afaka mianatra ato.” Mazava ho azy fa tsy nandidy an’ilay ankizy mba ho lasa teratany vahiny ilay tale, raha nilaza izany. Nilaza taminy fotsiny izy hoe inona no takina amin’ny olona te hianatra ao amin’ilay sekoly. Toy izany koa ilay tenin’i Jesosy hoe: “Tsy maintsy hateraka indray ianareo.” Nilaza fotsiny izy hoe inona no takina amin’ny olona ‘hiditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.’

Misy ifandraisany amin’io Fanjakan’Andriamanitra io ny valin’ny fanontaniana hoe: Nahoana no misy olona ateraka indray? Ho azontsika tsara ny tena atao hoe ateraka indray raha fantatsika izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Io no nandikana ny Jaona 3:3 ao amin’ny Baiboly maromaro. Izao, ohatra, no vakina ao amin’ny Fandikana Ara-bakiteny ny Baiboly (anglisy): “Tsy afaka mahita ny fanjakan’Andriamanitra ny olona, raha tsy ateraky ny any ambony.”

[Sary, pejy 6]

Inona no itovizan’ny fahaterahana indray sy ny fahaterahana ara-bakiteny?