Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vitsy no Hanjaka, fa Maro no Handray Soa

Vitsy no Hanjaka, fa Maro no Handray Soa

Vitsy no Hanjaka, fa Maro no Handray Soa

NIFIDY Kristianina tsy mivadika vitsivitsy sy nanangana azy ireo ho zanany Andriamanitra, nanomboka tamin’ny andron’ny apostoly. Misy fiovana lehibe mitranga amin’izy ireo, hany ka fahaterahana indray no iantsoana izany ao amin’ny Baiboly. Ateraka indray izy ireo mba ho lasa mpitondra any an-danitra. (2 Timoty 2:12) Mila atsangana amin’ny maty anefa aloha izy ireo, alohan’ny hiakarany any. (Romanina 6:3-5) “Ho mpanjaka hitondra ny tany” miaraka amin’i Kristy izy ireo.—Apokalypsy 5:10; 11:15.

Hita ao amin’ny Baiboly koa anefa fa misy olon-kafa ho voavonjy mandrakizay, ankoatra an’ireo ateraka indray. Na ny Soratra Hebreo, na ny Soratra Grika, dia samy milaza fa hamonjy antokon’olona roa Andriamanitra. Tsy iza izany fa ireo olona vitsivitsy hanjaka any an-danitra, sy ireo olona maro be ho vahoakan’ilay Fanjakana eto an-tany. Mariho izay lazain’ny Soratra Grika. Nilaza toy izao momba an’i Jesosy, ohatra, ny apostoly Jaona, rehefa niresaka tamin’ireo mpiray finoana taminy nateraka indray: “Izy no sorona fampihavanana noho ny fahotantsika, nefa tsy noho ny antsika [olona vitsy] ihany fa noho ny an’izao tontolo izao manontolo [olona maro be] koa.”—1 Jaona 2:2.

Hoy koa ny apostoly Paoly: “Ny zavaboary [olona maro be] dia miandry fatratra ny fampiharihariana an’ireo zanak’Andriamanitra [olona vitsy].” (Romanina 8:19-21) Inona no ianarantsika avy amin’ireo tenin’ny apostoly Jaona sy Paoly ireo? Hitantsika fa ho mpitondra any an-danitra ny olona ateraka indray. Hitondra soa mandrakizay ho an’ny olona maro tsy tambo isaina ny fitondran’izy ireo, izany hoe ho an’ny vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra, izay hiaina eto an-tany. Izany no nahatonga an’i Jesosy hampianatra ny mpianany hivavaka hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!”Matio 6:10.

Asehon’ny Soratra Hebreo koa fa hisy antokon’olona roa hovonjena. Mariho, ohatra, izay nolazain’i Jehovah tamin’i Abrahama, razamben’i Jesosy: “Ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany [olona maro be] dia hanao izay hahazoany fitahiana amin’ny alalan’ny taranakao [olona vitsy].” (Genesisy 22:18) Amin’ny alalan’ny ‘taranak’i Abrahama’ àry no hahazoan’ny firenena rehetra fitahiana.

Iza io ‘taranaka’ io? I Jesosy Kristy miaraka amin’ireo ateraka indray, izay atsangan’Andriamanitra ho zanany. Hoy mantsy ny apostoly Paoly: “Raha an’i Kristy ianareo, dia tena taranak’i Abrahama.” (Galatianina 3:16, 29) Inona no fitahiana ho azon’ny olona amin’ny firenena rehetra, amin’ny alalan’io ‘taranaka’ io? Hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra indray izy ireo, ka hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany. Naminany mantsy i Davida mpanao salamo hoe: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”—Salamo 37:29; Isaia 45:18; Apokalypsy 21:1-5.

Vitsivitsy ihany àry no ho mpitondra any an-danitra, fa maro be kosa no handray soa avy amin’ilay fitondrana, satria hiaina mandrakizay eto an-tany. Koa enga anie ianao sy ny fianakavianao ho anisan’ireo hahazo ny fitahiana mandrakizay hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra!

[Sary, pejy 12]

Hisy olona maro be hiaina mandrakizay eto an-tany. Ho anisan’izy ireo ve ianao?