3 Fantaro ny Marina Momba An’i Jesosy
3 Fantaro ny Marina Momba An’i Jesosy
“Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”—Jaona 3:16.
OLANA: Misy milaza fa tsy tena nisy i Jesosy. Ny hafa indray manaiky fa nisy izy, saingy milaza fa olon-tsotra ihany izy sady maty efa ela.
VAHAOLANA: Tahafo ilay mpianatr’i Jesosy atao hoe Natanaela. * Nilaza taminy i Filipo namany hoe nahita ny Mesia izy, dia i “Jesosy, zanak’i Josefa avy any Nazareta.” Tsy nino an’i Filipo anefa izy, fa namaly hoe: “Mba misy zavatra tsara angaha moa avy any Nazareta?” Na izany aza, dia nekeny ilay tenin’i Filipo hoe: “Avia ange jereo e!” (Jaona 1:43-51) Handray soa koa ianao raha manao toa azy, ka mandinika ny porofo mba hahafantarana ny marina momba an’i Jesosy. Ahoana no anaovanao izany?
Diniho ny porofo fa tena nisy i Jesosy. Mpahay tantara tena hajain’ny olona i Josèphe sy Tacite, niaina tamin’ny taonjato voalohany. Tsy Kristianina izy ireo, nefa niaiky fa tena nisy i Jesosy Kristy. Nitantara, ohatra, i Tacite fa niampanga ny Kristianina ho nandoro ny tanànan’i Roma i Néron mpanjaka romanina, tamin’ny taona 64. Hoy izy: ‘Niampanga ny Kristianina i Néron. Nankahala ny fanaon’io antokon’olona io izy, ka nampijalijaly mafy azy ireo. Novonoin’i Pontio Pilato, anisan’ny manam-pahefana teo amintsika, i Kristy, ilay olona niavian’ilay anarana [hoe Kristianina], nandritra ny fitondran’i Tiberio.’
Resahina ao amin’ny Rakipahalalana Britannica (fanontana 2002, anglisy), ny zavatra nosoratan’ireo mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany sy faharoa momba an’i Jesosy sy ny Kristianina voalohany. Hoy izy io: ‘Porofoin’ireo asa soratra ireo, fa na ny mpanohitra ny Fivavahana Kristianina fahiny aza, dia tsy nisalasala mihitsy hoe tena nisy i Jesosy. Tsy niadian-kevitra izany raha tsy tamin’ny faran’ny taonjato faha-18, nandritra ny taonjato faha-19, ary tany am-piandohan’ny taonjato faha-20. Tsy marim-pototra akory anefa ny antony nanaovana ilay adihevitra.’ Hoy Ny Gazetin’i Wall Street (anglisy) tamin’ny 2002: “Manaiky ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa olona tena nisy i Jesosy avy any Nazareta. Ireo tsy mino an’Andriamanitra ihany no mandà izany. Vitsy ihany anefa izy ireo.”
Diniho ny porofo hoe natsangana tamin’ny maty i Jesosy. Rehefa nosamborin’ny mpanohitra i Jesosy, dia nandao azy ny namany Matio 26:31, 55, 56, 69-75) Tsy ela anefa dia nazoto be indray ny mpianatr’i Jesosy. Sahin’i Petera sy Jaona ny niatrika an’ireo lehilahy niray tetika hamono an’i Jesosy. Nafana fo erỳ ny mpianatr’i Jesosy nampiely ny fampianarany eran’ny Fanjakana Romanina. Naleon’izy ireo mihitsy aza namoy ny ainy, toy izay hampandefitra ny finoany.
akaiky indrindra sy ny mpianany, ary niparitaka. Natahotra i Petera, ka nilaza fa tsy nahafantatra azy. (Inona no anisan’ny nahatonga izany fiovana lehibe izany? Nanazava ny apostoly Paoly fa natsangana tamin’ny maty i Jesosy, ary ‘niseho tamin’i Kefasy [Petera], ary avy eo tamin’izy roa ambin’ny folo lahy.’ Hoy koa i Paoly: “Taorian’izany, dia rahalahy maherin’ny dimanjato no indray nisehoany.” Mbola velona ny ankamaroan’ireo vavolombelona ireo, tamin’ny fotoana nanoratan’i Paoly an’izany. (1 Korintianina 15:3-7) Nety ho mora tamin’ireo nisalasala ny nanda ny tenin’ny vavolombelona iray na roa. (Lioka 24:1-11) Porofo tsy azo lavina anefa ny tenin’ny vavolombelona dimanjato mahery, hoe natsangana tamin’ny maty tokoa i Jesosy.
VALISOA: Afaka ny hahazo famelan-keloka sy hanana feon’ny fieritreretana madio foana izay rehetra mino an’i Jesosy sy mankatò azy. (Marka 2:5-12; 1 Timoty 1:19; 1 Petera 3:16-22) Raha maty izy ireo, dia mampanantena i Jesosy fa hanangana azy “amin’ny andro farany.”—Jaona 6:40.
Misy fanazavana fanampiny ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, * ao amin’ny toko faha-4 hoe “Iza i Jesosy Kristy?”, sy ny toko faha-5 hoe “Ny Vidim-panavotana no Fanomezana Tsara Indrindra.”
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 4 Toa niantso an’i Natanaela hoe Bartolomeo i Matio sy Marka ary Lioka, tao amin’ireo Filazantsarany.
^ feh. 10 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Sary, pejy 7]
Tahafo i Natanaela, ka diniho ny marina momba an’i Jesosy