Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

4 Mandiniha Tsara!

4 Mandiniha Tsara!

4 Mandiniha Tsara!

“Ry kely finoana, nahoana ianao no nanjary nisalasala?”—Matio 14:31.

OLANA: Mety hisalasala isika, toy ny mpianatr’i Jesosy ihany. (Matio 14:30; Lioka 24:36-39; Jaona 20:24, 25) Antsoin’ny Baiboly hoe ‘ota mora mamatopatotra antsika’ ny tsy fahampiam-pinoana. (Hebreo 12:1) Hoy ny apostoly Paoly: “Tsy ary manam-pinoana daholo ny olona rehetra.” (2 Tesalonianina 3:2) Midika ve izany fa tsy afaka ny hanam-pinoana mihitsy ny olona sasany? Tsia. Tsy miezaka hanam-pinoana fotsiny ny olona maro, raha ny marina. Tahin’Andriamanitra anefa izay olona miezaka hanam-pinoana.

VAHAOLANA: Fantaro izay mampisalasala anao. Diniho ny nataon’i Tomasy, mpianatr’i Jesosy. Nilaza taminy ny mpianatra hafa fa nahita an’i Jesosy izy ireo. Nisalasala anefa izy raha nitsangana tamin’ny maty tokoa i Jesosy. Naniry hahazo porofo izy, ka nasehon’i Jesosy azy izany mba hananany finoana matanjaka.—Jaona 20:24-29.

Maro ankehitriny no lasa tsy mino an’Andriamanitra, noho ireo ady sy herisetra ary fahoriana mahazo ny olombelona. Lasa manome tsiny an’Andriamanitra izy ireo, na mivantana izany na tsia. Manampy antsika tsy hisalasala intsony anefa i Jehovah, amin’ny alalan’ny Baiboly. Inona no lazain’izy io?

Tsy Andriamanitra no mitondra an’izao tontolo izao, ary tsy misolo tena azy ny fitondram-panjakan’olombelona. Ilay anjely ratsy atao hoe Satana no nantsoin’i Jesosy hoe “mpitondra an’izao tontolo izao.” (Jaona 14:30) Nilaza tamin’i Jesosy i Satana, indray andro, fa homeny azy ny fanjakana rehetra maneran-tany, raha miankohoka indray mandeha eo anatrehany izy. Hoy i Satana: “Homeko anao izao fahefana rehetra izao sy ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany ka izay tiako homena azy no omeko azy.” Tsy nolavin’i Jesosy hoe nanana an’izany fahefana izany i Satana. Hoy kosa izy: “Voasoratra hoe: ‘I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.’ ” (Lioka 4:5-8) Tsy Andriamanitra àry no tompon’andraikitra amin’ny fijaliana, fa i Satana sy ny fitondran’olombelona.—Apokalypsy 12:9, 12.

Tsy ho ela i Jehovah dia hanaisotra ny zava-drehetra mahatonga fijaliana. Efa nanangana Fanjakana na fitondram-panjakana hitondra ny olombelona izy, ary i Kristy Jesosy Zanany no notendreny ho Mpanjaka. (Matio 6:9, 10; 1 Korintianina 15:20-28) Tanteraka ankehitriny ny faminanian’ny Baiboly, satria torina maneran-tany ny vaovao tsara momba io Fanjakana io. (Matio 24:14) Tsy ho ela koa io fitondrana io dia handringana ny mpanohitra rehetra sy hanaisotra ny zava-drehetra mahatonga fijaliana.—Daniela 2:44; Matio 25:31-33, 46; Apokalypsy 21:3, 4.

VALISOA: Izay misalasala nefa tsy mitady fanazavana, dia toy ny onja atopatopan’izao “karazan-drivotry ny fampianarana rehetra izao amin’ny alalan’ny famitahan’ny olona.” (Efesianina 4:14; 2 Petera 2:1) Izay mitady fanazavana kosa, ka mahazo valiny mahafa-po, dia hanana finoana “mafy orina.”—1 Korintianina 16:13.

Tianao ve ny hahazo fanazavana momba izay mampisalasala anao? Te hanampy anao amin’izany izahay Vavolombelon’i Jehovah, izay mpampanonta ity gazety ity. Manasa anao àry izahay hifanerasera aminay. Tianay koa raha ianao mihitsy no mandinika ny fampianaranay. Hihamatanjaka ny finoanao an’Andriamanitra amin’izay.

Misy fanazavana fanampiny ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, * ao amin’ny toko faha-8 hoe “Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?”, sy ny toko faha-11 hoe “Nahoana Andriamanitra no Mamela ny Fijaliana Hisy?”

[Fanamariahana ambany pejy]

^ feh. 10 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 9]

Tsara fototra ny finoan’ireo nahazo fanazavana mahafa-po momba izay nampisalasala azy