Fantatrao Ve?
Fantatrao Ve?
Voahodidina fefy hazo maranitra tokoa ve i Jerosalema, araka ny tenin’i Jesosy?
Naminany momba ny handravana an’i Jerosalema i Jesosy. Hoy izy: “Ho avy aminao ny andro hananganan’ny fahavalonao fefy hazo maranitra manodidina anao, ka hohodidininy ianao ary hampahoriny amin’ny lafiny rehetra.” (Lioka 19:43) Tanteraka ireo tenin’i Jesosy ireo tamin’ny taona 70, rehefa nanao fahirano an’ilay tanàna ny tafika romanina notarihin’i Titus. Inona no tanjon’i Titus tamin’izany? Voalohany, mba tsy hahafahan’ny Jiosy mandositra. Faharoa, mba hahatonga azy ireo hitolo-batana. Ary farany, tsy ho ampy sakafo izy ireo ka hilavo lefona mora foana.
Nitantara ny zava-nisy tamin’izany i Flavius Josèphe, mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany. Nilaza izy fa raha vao tapaka ny hevitra hoe hatsangana ilay fefy, dia nifaninana ireo andia-miaramila romanina samihafa hoe iza no hahavita voalohany ny anjara nasaina nataony. Nokapaina àry ny hazo rehetra tao anatin’ny 16 kilaometatra nanodidina an’ilay tanàna, mba hanorenana an’ilay fefy 7 kilaometatra. Telo andro monja dia vita ilay izy. “Tsy nisy hirika handosiran’ny Jiosy intsony tamin’izay”, hoy i Josèphe. Nifamono ny olona tao an-tanàna, sady tratran’ny mosary. Resin’ny Romanina mora foana àry izy ireo, dimy volana teo ho eo tatỳ aoriana.
Nanao tionelin-drano nankao Jerosalema tokoa ve i Hezekia Mpanjaka?
I Hezekia no mpanjakan’i Joda tamin’ny faramparan’ny taonjato fahavalo Talohan’i Kristy (T.K.). Niady tamin’ny tafika asyrianina natanjaka be ny Israelita tamin’izany. Tantarain’ny Baiboly fa nanao zavatra maro i Hezekia, mba hiarovana an’i Jerosalema sy mba hisian’ny rano foana nandritra ny ady. Anisan’ny naoriny ilay tionelin-drano 533 metatra, avy any amin’ny loharano nankao Jerosalema.—2 Mpanjaka 20:20; 2 Tantara 32:1-7, 30.
Nisy tionelin-drano hoatran’io voalaza io tokoa hita tamin’ny taonjato faha-19. Nantsoina hoe Tionelin’i Hezekia, na Tionelin’i Siloama izy io. Misy soratra milazalaza ny fotoana faramparany nihadiana azy, ao anatin’ilay tionelin-drano. Rehefa dinihina ny endrik’ireo soratra sy ny halehibeny, dia maro ny manam-pahaizana manaiky fa natao tamin’ny andron’i Hezekia ilay izy. Folo taona lasa izay, dia nisy indray nilaza fa 500 taona tatỳ aoriana izy io no vita. Nisy ekipana mpahay siansa israelianina nanao fikarohana tamin’ny 2003, mba hahalalana ny daty marina nanorenana an’ilay tionelin-drano. Inona no vokatr’ilay fikarohana?
Hoy i Amos Frumkin, mpampianatra ao amin’ny Oniversite Hebreo any Jerosalema: “Nampiasa fomba famaritana daty tamin’ny alalan’ny karbonina 14 sy ioraniôma-tôrioma izahay. Hita tamin’ny fandinihana an’ireo tany sy ranovato tao anatin’ilay tionelina, fa vita tamin’ny andron’i Hezekia izy io.” Manamafy izany ny gazety ara-tsiansa iray. Misy porofo telo, hoy izy, ahitana fa vita tamin’ny fotoana niparitahan’ny fampiasana vy, izany hoe tamin’ny taona 700 T.K. tany ho any, ilay Tionelin’i Siloama. Eo ny fandinihana ireo zavatra mamoaka taratra, eo koa ny fianarana momba ny soratra fahiny, ary farany, eo ny firaketana ara-tantara.