Fantatrao Ve?
Fantatrao Ve?
Nahoana no manao “amena” aorian’ny vavaka?
Avy amin’ny teny hebreo hoe amena io teny io. Miara-manonona azy io ny mpanatrika, rehefa avy manao vavaka na fianianana, na milaza fitahiana na ozona ny olona iray. Midika hoe “ho tanteraka anie izany” na “izany tokoa anie” izy io. Ny fanononana azy io dia mampiseho fa ekenao izay voalaza teo. “Misy heviny hoe azo ianteherana, azo antoka, tsy misy mampisalasala” koa io teny io, araka ny boky iray. Tamin’ny andron’ny Baiboly, rehefa miteny hoe “amena” amin’ny fianianana na fifanekena ny olona iray, dia midika fa manaiky izany eo anatrehan’ny lalàna izy, ary hizaka ny vokany raha tsy mahatanteraka azy io.—Deoteronomia 27:15-26.
Nanomboka ny teniny tamin’ny hoe “amena” i Jesosy, indraindray, rehefa nitory sy nampianatra. Nantitranteriny tamin’izany fa tena marina ny zavatra holazainy. Nadika hoe “marina tokoa” ilay teny grika hoe amena, rehefa eny am-piandohan’ny fehezanteny toy izany. (Matio 5:18; 6:2, 5) Nadika hoe “marina dia marina tokoa” kosa izy io rehefa naverin’i Jesosy indroa, araka ny hita matetika ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona. (Jaona 1:51) Voalaza fa maningana io fomba nampiasan’i Jesosy an’ilay teny hoe amena io, ao amin’ny soratra masina.
Antsoina hoe “Amena” i Jesosy ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, mba hampisehoana fa “mendri-pitokisana sy marina” izy.—Apokalypsy 3:14.
Inona moa ny Orima sy Tomima?
Nampiasaina teo amin’ny Israelita fahiny ny Orima sy Tomima. Toa natao hamantarana ny sitrapon’i Jehovah tamin’ireo raharaha nahakasika an’ilay firenena na ny mpitondra teo aminy ireo zavatra ireo. Ny mpisoronabe no niandraikitra azy ireo, ary tao amin’ny paosin’ny “saron-tratra fitsarana” no nasiany azy. (Eksodosy 28:15, 16, 30) Tsy nilaza ny tsipiriany momba azy ireo na ny fampiasana azy ny Soratra Masina. Hita amin’ny andinin-teny sasany anefa, fa toa nitovy tamin’ny fanaovana antsapaka ny fampiasana azy ireo. Izany dia mba hahalalana na “eny” na “tsia” ny valin-tenin’Andriamanitra, na tsy namaly mihitsy izy.
Nampiasaina, ohatra, ny Orima sy Tomima, rehefa nasain’i Davida nentin’i Abiatara tany aminy ny efodan’ny mpisoronabe, izay azo inoana fa nisy azy ireo. Nametraka fanontaniana roa tamin’i Jehovah i Davida, dia ny hoe: ‘Hidina hanenjika ahy ve i Saoly?’ sy ny hoe ‘Hanolotra ahy eo an-tanany ve ireo mponin’i Keila?’ Eny avokoa ny valin’ireo fanontaniana ireo, ka afaka nandray fanapahan-kevitra nety tsara i Davida.—1 Samoela 23:6-12.
Nampiasa ny Orima sy Tomima koa i Saoly Mpanjaka talohan’izay, mba hamantarana izay meloka na izy sy Jonatana zanany na ny vahoaka. Nofantarina indray avy eo izay meloka tamin’izy mianaka. (1 Samoela 14:40-42) Tsy nahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra intsony i Saoly tatỳ aoriana, ka tsy nanome tari-dalana azy intsony Andriamanitra “na tamin’ny nofy, na tamin’ny Orima, na tamin’ny mpaminany.”—1 Samoela 28:6.
Araka ny lovantsofina jiosy, dia tsy nampiasaina intsony ny Orima sy Tomima rehefa rava ny tempolin’i Jehovah tamin’ny 607 Talohan’i Kristy.
[Sary, pejy 27]
“Amena”, Apokalypsy 3:14. Kôdeksa Alexandrinus, Taonjato faha-5