Ilay Dia Tany Amin’ny “Faran’ny Tany”
Taratasy avy any Rosia
Ilay Dia Tany Amin’ny “Faran’ny Tany”
NIALA tao Iakoutsk ny fiaramanidina kely nitondra anay, ary tsy ela dia nisidina teny ambonin’ny Lohasahan’i Tuymaada. Efa nolalovanay ireo farihy maro lasa ranomandry. Nandalovanay koa i Verkhoïansk, izay tandavan-tendrombohitra rakotra lanezy. Manjopiaka erỳ ilay izy tarafin’ny masoandro. Tonga tao Deputatskiy izahay nony farany, rehefa nandeha 900 kilaometatra.
Nanomboka teo ny diako nankany amin’ny Repoblikan’i Sakha, antsoina koa hoe Iakoutie, izay mbola lehibe noho i Eoropa Andrefana manontolo. Toerana tsara tarehy izy io saingy sarotra ivelomana. Mahatratra 40 degre ny hafanana any rehefa fahavaratra, fa 70 degre ambanin’ny zero kosa rehefa ririnina. Hita any ny taolan’ireo biby vaventy fahiny, izay efa lany tamingana. Mbola tsaroako io diako io na dia efa an-taonany maro aza izay no lasa. Tadidiko ireo tanàna rakotry ny zavona, ny hazavana hafakely fahita any amin’ny tendrontany avaratra, ary ireo mponina sariaka sy be herim-po.
Tsy i Deputatskiy ihany no tanàna nandehananay. Mbola nankany amin’ny tanàna hafa koa izaho sy ilay namako. Iray tamin’izany ny tanànan’i Khayyr, izay 300 kilaometatra mianavaratra, any akaikin’ny Ranomasina Laptev, any amin’ny faritra avaratr’i Siberia. Nahoana izahay no nanao an’io dia io? Nisy fotoana nandalo tany amin’ireny tanàna ireny ny Vavolombelon’i Jehovah iray, ary nahita olona maro te hianatra Baiboly. Hita fa izahay atỳ Iakoutsk, izay 1 000 kilaometatra miala avy eo, no Vavolombelona akaiky azy ireo indrindra! Tsapanay fa nila fampaherezana sy fanampiana ireo olona ireo.
Nisy olona nitondra fiara ho any Khayyr hitanay rehefa tonga tao Deputatskiy izahay. Nanasa anay hiaraka taminy izy, ary nilaza fa hataony mora ny saran-dalana. Nisalasala kely izahay nahita an’ilay fiara efa tranainy be sady efa ratsiratsy. Nandeha ihany anefa izahay, tamin’iny hariva iny. Tsy fantatray akory hoe inona no hiandry anay.
Namanala be ny sezan’ilay fiara sady toa tsy hafana mihitsy. Nasainay nijanona àry ilay mpamily mba hikarohanay akanjo mafana tao anatin’ny entanay. Mbola nangatsiaka ihany anefa izahay.
Efa zatra ny fiainana any amin’iny faritra avaratra iny ilay mpamily, ary tena falifaly izy. Tampoka teo dia nanontany izy hoe: “Efa nahita an’ireo hazavana hafakely fahita atỳ avaratra ve ianareo?” Mbola tsy nahita an’izany aho. Najanony àry ny fiara, ka nivoaka izahay.
Tsy nahatsiaro hatsiaka izahay tao anatin’ny fotoana fohy. Nijajirika teo aho, ary talanjona nahita an’ireto hazavana manjelanjelatra sy maro loko nihalohalo teo amboninay.Nihitsoka tao anaty lanezy ilay fiara rehefa nadiva ho maraina ny andro. Imbetsaka ilay izy no nihitsoka toy izany, ary nanampy an’ilay mpamily foana izahay. Efa nazava ny andro vao fantatro hoe hay renirano mivaingana no nataonay lalana! Tonga tany Khayyr izahay tamin’ny 12 ora antoandro teo ho eo, izany hoe adiny 16 taorian’ny nialanay tany Deputatskiy. Nanahy izahay hoe harary rehefa avy niaritra hatsiaka teny an-dalana nandritra ny ora maro. Velombelona erỳ anefa izahay rehefa nifoha ny maraina. Ny rantsantongotro fotsiny no reko ngolin’ny hatsiaka. Nomen’ny tompon-tanàna menaka orsa aho mba hahosotro tamin’ilay izy.
Izahay no tokony ho nitsidika ny olona tany an-tranony mba hitory ny vaovao tsara. Tsy izany anefa no nitranga tany Khayyr. Nitady anay avy hatrany ny olona, raha vao reny hoe tonga izahay! Nampianatra Baiboly ny mponina tao izahay isan’andro, nandritra ny tapa-bolana mahery. Indraindray aza nanomboka vao maraina be ka hatramin’ny alina be. Faly erỳ izahay nahita olona sariaka sy tia mandray vahiny, izay tena liana amin’ny Baiboly. Maro ny vehivavy zokiolona nilaza hoe: “Mino izahay fa misy Andriamanitra. Ny fahatongavanareo atỳ amin’ny faran’ny tany atỳ, dia porofo fa tena misy izy!”
Nahavariana anay ny fanaon’ny mponina tany. Ataon’izy ireo toy ny antontan-kitay eo akaikin’ny tranony, ohatra, ny vaingana gilasy. Maka iray amin’izany fotsiny izy rehefa mila rano. Ataony ao anaty vilany be ilay izy, ary apetrany eo ambony afo mba hitsonika. Nividianan’izy ireo trondro fotsy fahita any amin’ny Tendrontany Avaratra izahay. Mivaingana io trondro io rehefa azo, ary tetehina manify. Atsoboka ao anaty sira sy poavra efa nafangaro ilay izy ary hanina avy hatrany. Natsiro erỳ ilay izy. Tian’ireo tompon-tany koa ny mitantara aminay ny momba ny sisan-javatra hitan’izy ireo teny amin’ny manodidina, toy ny vangina mamota.
Nandeha an-jatony kilaometatra avy tao Khayyr aho, mba hitsidika an’ireo olona liana tany amin’ny tanàna hafa. Matetika aho no nandeha fiaramanidina. Tena mahay mandray olona ny mponina any sady be fitiavana! Nihaona tamin’ny zazalahy iray aho, indray mandeha. Voamariny fa somary nampatahotra ahy ny nandeha fiaramanidina. Nanamboarany karta kely àry aho. Nasiany sarina fody roa sy fiaramanidina kely teo amin’ilay izy, ary nasiany soratra hoe: “Sasha a, aza matahotra ny hianjera mihitsy rehefa mandeha fiaramanidina. Matio 10:29.” Tena nanohina ny foko ilay andinin-teny rehefa novakiko! Hitako tao ilay tenin’i Jesosy momba ny fody hoe: ‘Tsy hisy ho latsaka amin’ny tany ireny na iray aza, ka tsy ho fantatry ny Rainareo.’
Sasantsasany amin’ireo zavatra nahafinaritra ahy teto Iakoutie ireo. Mahatsiaro an’ireo olona mahafinaritra sy tia mandray vahiny any amin’ny “faran’ny tany” aho, raha vao mieritreritra an’ilay tany mamirifiry sy sarotra ivelomana.
[Sary, pejy 25]
Sariaka sy tia mandray vahiny ny mponin’i Iakoutie