Miovaova Hevitra ve Andriamanitra?
Miovaova Hevitra ve Andriamanitra?
HOY ny Baiboly momba an’Andriamanitra: “Tsy miovaova toy ny fihodinan’ny aloka izy.” Andriamanitra mihitsy koa no nanome toky hoe: “Izaho no Jehovah ary tsy miova aho.” (Jakoba 1:17; Malakia 3:6) Misy olona sarotiny sy tsy azo itokisana ary miovaova hevitra foana. Tsy mba toy izany kosa i Jehovah Andriamanitra!
Mieritreritra anefa ny mpamaky Baiboly sasany hoe miovaova hevitra ve i Jehovah Andriamanitra. Taloha, ohatra, dia nomeny hery hanaovana fahagagana ny Kristianina. Tsy manome an’izany intsony anefa izy izao. Navelany hanana vady maro ny olona taloha, nefa tsy izany intsony no izy izao. Nasainy nitandrina ny Sabata ny olona teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy. Tsy takiny intsony izany izao. Miovaova hevitra àry ve Andriamanitra, araka izany?
Azo antoka aloha fa tsy manova mihitsy ny fitsipiny momba ny fitiavana sy ny rariny Andriamanitra. Tsy niova mihitsy koa ilay ‘fikasany mandrakizay’, dia ny hoe hitahy ny olombelona amin’ny alalan’ny Fanjakany izy. (Efesianina 3:11) Aoka hatao hoe mandiso fanantenana anao foana ny olona iray. Tsy hiova ve ny fomba hitondranao azy? Toy izany koa fa ovan’i Jehovah arakaraka ny toe-javatra ny fomba itondrany ny olona.
Ovan’Andriamanitra koa ny toromarika omeny ny vahoakany, arakaraka ny toe-javatra misy azy ireo sy izay ilainy. Tsy tokony hahagaga izany. Diniho, ohatra, izay ataon’ny mpitondra mpizaha tany mahay, rehefa mahatsinjo loza izy. Entiny amin’ny lalana lavitra an’ilay loza ireo mpizaha tany. Tsy hoe niova
hevitra akory izy, ka tsy ho any amin’ilay toerana saika halehan’izy ireo. Andeha hodinihintsika izao ireo ohatra telo manahiran-tsaina ny olona sasany, ary noresahina teo.Nahoana no tsy misy intsony ny fahagagana?
Nahoana no nomen’Andriamanitra hery hanaovana fahagagana ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany? Fantatrao angamba fa nanao fahagagana Andriamanitra matetika, mba hampisehoana fa nomba ny Israelita izy, tamin’izy ireo mbola firenena voafidiny. Naneho ny heriny mahatalanjona tamin’ny alalan’i Mosesy izy, rehefa nanafaka azy ireo tany Ejipta, ary nitarika azy ireo namakivaky ny tany efitra ho any amin’ny Tany Nampanantenaina. Mampalahelo fa imbetsaka ny Israelita no tsy naneho finoana. Nanda azy ireo àry i Jehovah tamin’ny farany, ka nanorina ny fiangonana kristianina. Nomeny hery hanaovana fahagagana ny apostoly sy ny olon-kafa. Nanasitrana lehilahy iray nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, ohatra, i Petera sy Jaona. Nanangana tovolahy tamin’ny maty koa i Paoly. (Asan’ny Apostoly 3:2-8; 20:9-11) Lasa Kristianina àry ny olona tany amin’ny tany maro, noho ireny fahagagana ireny. Nahoana anefa no tsy misy intsony ny fahagagana?
Toy izao no nanazavan’ny apostoly Paoly an’izany: “Fony aho zaza, dia niteny toy ny zaza, nieritreritra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza. Fa amin’izao izaho efa olon-dehibe izao, dia nesoriko ny toetran-jaza.” (1 Korintianina 13:11) Tsy mitovy ny fomba itondran’ny ray aman-dreny ny zanany mbola kely sy ny efa lehibe. Rehefa tsy “zaza” intsony koa ny fiangonana kristianina, dia niova ny fomba nitondran’i Jehovah azy. Nilaza ny apostoly Paoly fa “hofoanana” ny fahaizana mahagaga, toy ny fahaiza-miteny amin’ny fiteny samihafa na ny fahaiza-maminany.—1 Korintianina 13:8.
Nahoana no navela hanana vady maro ny olona?
Nasehon’i Jesosy fa nanome ny fitsipika momba ny fanambadiana Andriamanitra, rehefa nilaza tamin’ny mpivady voalohany hoe: “Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roa.” (Matio 19:5) Fiarahan’olon-droa àry ny fanambadiana sady natao haharitra. Efa fanao anefa ny nanana vady maro, rehefa voalamin’Andriamanitra ho firenena ny Israelita, ary nomeny ny Lalàna. Tsy izy mihitsy anefa no nampirisika na nahatonga ny olona hanana vady maro, na dia nanome lalàna nifehy izany aza izy. Noraran’ny Teniny mazava tsara io fanao io, rehefa naorina ny fiangonana kristianina.—1 Timoty 3:2.
Nandefitra tamin’ny zavatra sasany i Jehovah Andriamanitra, mandra-pahatongan’ny fotoana hanitsiany izany. (Romanina 9:22-24) Nohazavain’i Jesosy fa noho ny ‘hamafin’ny fon’ny Israelita’ no nahatonga an’i Jehovah handefitra kelikely, ka ‘namelany’ azy ireo hanana vady maro.—Matio 19:8; Ohabolana 4:18.
Nahoana ny olona no nitandrina ny Sabata taloha?
Nasain’Andriamanitra nanomboka nitandrina ny Sabata ny Israelita, rehefa nafahany avy tany Ejipta. Lasa anisan’ny Lalàna izy io. (Eksodosy 16:22-30; 20:8-10) Nohazavain’ny apostoly Paoly fa nanolotra ny tenany ho sorona i Jesosy, ka ‘nanafoana ny Lalàna misy didy maro’ ary ‘namono ilay sora-tanana.’ (Efesianina 2:15; Kolosianina 2:14) Anisan’ny ‘nofoanana’ sy ‘novonoina’ ny lalàna momba ny Sabata. Hoy ihany mantsy ny Baiboly: “Koa aoka tsy hisy hitsara anareo ny amin’ny fihinanana sy ny fisotroana, na ny andro fety na ny fankalazana tsinam-bolana, na fitandremana sabata.” (Kolosianina 2:16) Nahoana àry Andriamanitra no nanome ny Lalàna, anisan’izany ny Sabata?
Hoy ny apostoly Paoly: ‘Nanjary mpitaiza antsika ny Lalàna ka nitarika antsika ho amin’i Kristy.’ Hoy koa izy: ‘Efa tonga izao ny finoana, ka tsy fehezin’ny mpitaiza intsony isika.’ (Galatianina 3:24, 25) Tsy niova hevitra Andriamanitra tamin’izany. Nasainy nitandrina ny Sabata kosa ny vahoakany, mba hampianarana azy ireo hanokana fotoana tsy tapaka hisaintsainana zavatra mifandray amin’ny fivavahana. Marina fa tsy takina intsony ny fitandremana ny Sabata. Nasehon’izy io kosa fa tsy hijaly intsony ny olombelona, amin’ny hoavy, ary tsy ho olana amin’izy ireo intsony ny manompo an’Andriamanitra.—Hebreo 4:10; Apokalypsy 21:1-4.
Mendri-pitokisana sy be fitiavana Andriamanitra
Asehon’ireo ohatra nodinihina teo ireo, fa tsy nitovy ny tari-dalana sy toromarika nomen’i Jehovah Andriamanitra, tamin’ny fotoana samihafa. Tsy midika anefa izany hoe miovaova hevitra izy. Nanome izay nilain’ny mpanompony kosa izy, arakaraka ny toe-javatra nisy azy ireo. Nanao izany koa izy mba hahasoa azy ireo, toy ny ataony ankehitriny.
Tsy manova ny fitsipiny i Jehovah. Fantatsika foana àry izay tsy maintsy ataontsika mba hampifaliana azy. Azontsika antoka koa fa ho tanteraka izay rehetra nampanantenainy. Hoy mantsy izy: ‘Hataoko izay sitrako rehetra. Efa nokasaiko izany ka hataoko.’—Isaia 46:10, 11.
[Teny notsongaina, pejy 21]
Tsy manova mihitsy ny fitsipiny momba ny fitiavana sy ny rariny Andriamanitra
[Teny notsongaina, pejy 22]
Nilaza i Paoly fa “hofoanana” ny fahaizana mahagaga
[Teny notsongaina, pejy 23]
Fiarahan’olon-droa ny fanambadiana sady natao haharitra