Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Mbola Ilaina ny Baiboly?

Nahoana no Mbola Ilaina ny Baiboly?

Nahoana no Mbola Ilaina ny Baiboly?

“Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba ... hanitsiana.”—2 TIMOTY 3:16.

EFA hatramin’ny ela ny Baiboly no nampiova olona avy amin’ny firenena samy hafa. Hazavain’ny andinin-teny etsy ambony ny antony. Voaresaka eo fa avy amin’Andriamanitra izy io. Marina fa olombelona no nanoratra azy io, nefa ny hevitr’Andriamanitra no ao anatiny. Hoy ny Baiboly: “Avy tamin’Andriamanitra ... no nitenenan’ny olona, araka izay nitarihan’ny fanahy masina azy.”—2 Petera 1:21.

Nahoana no mahasoa ny torohevitra omen’ny Baiboly? Noho ny antony roa fara fahakeliny: Voalohany, atorony hoe ahoana no tena tsara hitondrana ny fiainana. Faharoa, manan-kery handrisihana ny olona hiova izy io, mba hananany fomba fiaina tsara kokoa. Andeha hodinihintsika ireo lafin-javatra roa ireo.

Manoro ny tena tanjona

Nampanantena Andriamanitra hoe: “Hataoko izay hahatonga anao ho malina, ary hatoroko anao ny lalana tokony halehanao. Hanoro hevitra anao aho ary hitsinjo anao ny masoko.” (Salamo 32:8) Tsy vitan’ny hoe manome torohevitra Andriamanitra, fa ataony koa izay hahatonga antsika ho malina na lalin-tsaina. Raha lalin-tsaina isika, dia hahita hoe inona no tanjona tena mitondra soa. Tsy handanilany ny fiainantsika amin-javatra tsy misy dikany isika amin’izay.

Tanjon’ny olona maro, ohatra, ny halaza na hanan-karena. Be dia be ny boky mampianatra ny fomba hisongonana ny hafa mba hahazoana toerana ambony na harena. Manoro hevitra antsika anefa ny Baiboly hoe: ‘Zava-poana ny fifandrafiana sady toy ny misambo-drivotra fotsiny.’ “Izay tia volafotsy dia tsy ho afa-po amin’izay volafotsy ananany.” (Mpitoriteny 4:4; 5:10) Mbola mahasoa ve izany torohevitra izany?

Andeha hojerentsika izay nitranga tamin’i Akinori, any Japon. Nanana tanjona izy, dia ny hahazo diplaoma avy amin’ny oniversite malaza sy hiasa amin’ny orinasa lehibe. Tratrany ny tanjony, na dia mafy aza ny fifaninanana. Toa izay nonofinofisiny mihitsy no nitranga. Tsy sambatra araka ny nantenainy anefa izy. Narary kosa izy, noho ny adin-tsaina sy ny havizanana. Tsy nampahery azy ny mpiara-miasa taminy. Kivy be izy, ka lasa mpisotro toaka, ary saika hamono tena mihitsy aza. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa izy, ka niova ny zavatra noheveriny ho zava-dehibe. Tsy ela dia nihasalama indray izy. Tsy fatra-paniry laza sy toerana ambony intsony izy, ka mahatsapa ilay voalazan’ny Baiboly hoe: “Mamelombelona ny vatana ny fo tony.”—Ohabolana 14:30.

Inona no heverinao fa tanjona tena tokony hotratrarina? Inona no tena mahasambatra? Ny manana tokantrano sambatra ve? Sa ny mahalehibe zanaka? Sa ny manana namana maro? Sa ny ho faly foana? Tanjona tsara daholo ireo, ary ampirisihan’ny Baiboly hotratrarina. Tsy ireo anefa no zava-dehibe indrindra. Izao kosa no asainy atao raha te ho sambatra isika: “Matahora an’Andriamanitra ka tandremo ny didiny, fa izany no adidy tokony hataon’ny olombelona.” (Mpitoriteny 12:13) Lasa tsy misy dikany sy mahasorena ary mahakivy ny fiainana, rehefa tsy tanterahina io adidy io. Ho “sambatra” kosa izay manatanteraka azy io.—Ohabolana 16:20.

Mandrisika ny olona hiova

Hoy ny apostoly Paoly: “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra.” Maranitra toy ny sabatra roa lela izy io, ka afaka mamantatra ny eritreritra lalina indrindra sy ny fikasana. (Hebreo 4:12) Manan-kery hanovana ny olona ny Baiboly satria manampy azy hahita ny tena maha izy azy, fa tsy izay fiheverany ny tenany fotsiny. Raha manana toe-po tsara àry izy, dia hahatsapa fa mila manova ny fiainany. Niova, ohatra, ireo Kristianina tany Korinto, na dia mpangalatra, mpimamo, mpanitsakitsa-bady, ary nanao zava-dratsy hafa aza taloha. Hoy i Paoly momba azy ireo: ‘Toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa madio tsara ianareo, tamin’ny fanahin’Andriamanitsika.’ (1 Korintianina 6:9-11) Mbola manan-kery io fanahy masin’i Jehovah io ankehitriny, ary afaka mandrisika ny olona hiova.

Lehilahy nahery setra i Mario, any Eoropa. Mpifoka sy mpivarotra rongony koa izy. Tezitra be izy indray mandeha, rehefa nalain’ny polisy ny rongoniny. Novonoiny ilay polisy sady nopotehiny ny fiarany. Tsy an’asa koa i Mario, sady bokan-trosa. Fantany fa tsy ho voavahany irery ny olana mahazo azy, ka nianatra Baiboly izy. Niova izy rehefa nampihatra izay nianarany. Nanjary nadio izy, tsy nifoka na nivarotra rongony intsony, ary tsy nahery setra intsony. Gaga ny olona nahafantatra azy, ka nanontany azy hoe: “Ianao marina ve io?”

Inona no nahatonga ny olona toa an-dry Akinori sy Mario hiova, ka lasa faly sy sambatra? Nianatra Baiboly izy ireo ka nanjary nahalala an’Andriamanitra. Izy ihany no afaka manome ny tari-dalana ilaina mba hahatonga antsika ho sambatra dieny izao sy hiaina mandrakizay. Toy ny Ray i Jehovah Andriamanitra, ka milaza amintsika hoe: “Mihainoa, anaka, ary ekeo ny teniko, dia hihamaro ny taona hiainanao. ... Rehefa mandeha ianao, dia tsy ho voasembantsembana ny dianao, ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy mba ho tafintohina. Tano mafy ny anatra omena anao ka aza avela. Hazòny izy, fa ainao.” (Ohabolana 4:10-13) Ny mitady ny tari-dalan’ny Mpamorona àry no mahasoa indrindra.

[Efajoro/Sary, pejy 7]

Torohevitra Mbola Mahasoa

Ahitana toro lalana mahasoa antsika amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainana, ao amin’ny Baiboly. Ireto ny sasany:

Te hifandray tsara amin’ny hafa ve ianao?

“Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.”—Matio 7:12.

“Izay mitondra tena toy ny kely indrindra aminareo rehetra dia izy no lehibe.”—Lioka 9:48.

“Miezaha ho tia mandray vahiny.”—Romanina 12:13.

Te hiala amin’ny fahazaran-dratsy?

“Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry, fa hahita loza kosa izay minamana amin’ny tsisy saina.”—Ohabolana 13:20.

“Aoka ianao tsy ho isan’ny mpiboboka divay.”—Ohabolana 23:20.

“Aza minamana amin’ny olona mora tezitra.”—Ohabolana 22:24.

Tianao hateza ve ny tokantranonao?

‘Aoka ny lehilahy tsirairay avy ho tia ny vadiny tahaka ny tenany, ary aoka kosa ny vehivavy hanaja fatratra ny vadiny.’—Efesianina 5:33.

“Mitafia fitiavana lalina sy fangoraham-po, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary fahari-po ... Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka.”—Kolosianina 3:12, 13.

Te hahay hanabe zanaka?

“Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.”—Ohabolana 22:6.

“Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao hatrany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah izy.”—Efesianina 6:4.

Te hitandro fihavanana?

“Mampitony fahatezerana mafy ny valin-teny malefaka, fa ny teny maharary kosa mahatonga fahasosorana.”—Ohabolana 15:1.

“Aoka ianareo ho loha laharana raha ny amin’ny fifanomezam-boninahitra.”—Romanina 12:10.

Na ny mpinamana aza dia tokony hanao fifanekena an-tsoratra eo amin’ny resa-bola. Misoroka ady izany. Nanao izany i Jeremia, mpanompon’Andriamanitra. Hoy izy: “Nanao taratasy fifanekena sy nanisy tombo-kase an’ilay izy aho, ary naka vavolombelona, ka nandanja ny vola tamin’ny mizana.”—Jeremia 32:10.

Te ho be fanantenana foana?

‘Na inona na inona marina, mahatehotia, tsara laza, misy hatsarana, ary mendri-piderana, dia izany foana heverina.’—Filipianina 4:8.

Ampirisihin’ny Baiboly isika tsy hifantoka amin-javatra tsy mampahery, sady tsy ho ‘be taraina ny amin’ny toe-piainana misy antsika’, fa ‘hifaly amin’ny fanantenana’ kosa.—Joda 4, 16; Romanina 12:12.

Hilamina ny fiainantsika sady ho sambatra isika, raha mampihatra ireo toro lalana ireo. Hotahin’Andriamanitra koa isika satria manatanteraka izay takiny. Hoy ny Baiboly: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”—Salamo 37:29.

[Sary, pejy 5]

Akinori, tamin’izy mbola mpandraharaha (eo ankavia); izy sy ny vadiny eo am-pitoriana ankehitriny