Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanampy Ahy Hiaritra Fahoriana Maro ny Baiboly

Nanampy Ahy Hiaritra Fahoriana Maro ny Baiboly

Nanampy Ahy Hiaritra Fahoriana Maro ny Baiboly

Notantarain’i Enrique Caravaca Acosta

Ny 15 Aprily 1971 tamin’izay. Nandeha nitsidika ny fianakaviako tany ambanivohitra aho. Efa elaela aho no tsy tany ka may erỳ hahita azy rehetra. Tsy haiko hoe ho tratrako ao daholo ve ry zareo, ary iza no ho hitako voalohany. Nivarahontsana aho rehefa tonga, satria fatin’olona efatra be izao no hitako! Nisy namono izy ireo, anisan’izany i Neny.

KIVY ratsy aho. Fa nisy inona? Dia inona izao no hataoko? Nangina tanteraka ilay tanàna. Very hevitra aho ary tsy afa-nanoatra. Aleo aloha holazaiko ny mombamomba ahy vao hotohiziko ny tantara. Ho azonao tsara amin’izay, ny zavatra tsapako tamin’io sy tamin’ny fahoriana hafa teo amin’ny fiainako.

Nahita ny fahamarinana izahay

Teraka tany Quirimán, any akaikin’i Nicoya, eto Costa Rica, aho. Niara-nipetraka tamin’ny ray aman-dreniko tao amin’ny toeram-pambolenay aho tamin’ny 1953, tamin’izaho 37 taona. Katolika izahay nefa nisy fampianarana tsy nekenay tany, sady be dia be ny fanontanianay tsy voavaly.

Nisy lehilahy iray antsoina hoe Anatolio Alfaro tonga tao aminay, indray maraina. Nampirisika anay hianatra Baiboly izy. Nanazava andinin-teny maro izy, ka be dia be ny zavatra lasa fantatray. Nipetraka tsara mba hihaino azy izahay sy ry Dada, Neny, ny rahalahiko iray, ny anabaviko sy ilay ankizivavy namany nipetraka tao aminay. Nitohy hatramin’ny alina be ny resaka satria maro ny fanontanianay.

Nijanona tao aminay i Anatolio ny alin’iny sy ny ampitson’iny. Tena tianay ny zavatra renay. Vao mainka faly izahay satria nampiasa Baiboly izy mba hamaliana ny fanontanianay. Nisy vokany lalina teo aminay izany. Nisaintsaina izay nianaranay izahay, ary niaiky fa nahita ny fahamarinana. Nomen’i Anatolio boky sy gazety izahay ary namaky sy nianatra azy ireny rehefa takariva. Sarotsarotra ilay izy satria tsy nisy jiro tao aminay. Naka kitapo fasiana ovy aloha izahay vao nipetraka nianatra, ary norakofanay tsara ny tongotray sao ho lanin’ny moka.

Natao batisa ny dimy taminay, enim-bolana tatỳ aoriana, anisan’izany izahay sy Dada ary Neny. Faly erỳ izahay ka nitety trano ary nitory izay nianaranay. Nandeha an-tongotra adiny roa teo ho eo izahay, na nitaingin-tsoavaly indraindray, mba hiara-mivory amin’ny Vavolombelon’i Jehovah vitsivitsy tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Carrillo. Mbola nampianatra Baiboly anay tany an-trano foana i Anatolio. Nasiana fivoriana, avy eo, tao aminay ary valo teo ho eo ny mpanatrika. Natao batisa daholo ireo valo ireo, tatỳ aoriana. Nitombo haingana ny mpanatrika, ka lasa fiangonana kely nisy olona 20 teo ho eo.

Nanompo an’Andriamanitra manontolo andro

Tatỳ aoriana, dia nasain’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Costa Rica hitory manontolo andro, izay afaka nanao izany. Nekeko ilay fanasana tamin’ny 1957. Tiako be ny fanompoana manontolo andro. Nandeha an-tongotra ora maromaro aho mazàna mba hitoriana tany ambanivohitra. Tsy noraisina tsara aho indraindray. Tadidiko fa intelo aho, fara fahakeliny, no nambanan’ny olona tamin’ny antsibe, sady nanontaniany hoe iza aho ary haninona.

Mbola lala-masaka fotsiny ny ankamaroan’ny lalana tany ambanivohitra talohan’ny 1960, ka sarotra ny nahita olona. Tsy maintsy nitaingin-tsoavaly izahay vao tonga tany amin’ny toerana sasany. Niampita rano izahay ary natory teny an-kalamanjana indraindray. Zavontany ny moka ka nandreraka be. Nila nitandrina tamin’ny bibilava sy ny voay koa izahay. Tena nahafinaritra ahy anefa ny nanampy olona hianatra momba an’i Jehovah Andriamanitra, na teo aza izany rehetra izany. Faly sy afa-po aho rehefa tonga tany an-trano, satria afaka nanambara ny fahamarinana. Nitory sy nianatra Baiboly isan’andro aho, ka nitombo foana ny fitiavako an’i Jehovah, ary nahatsiaro ho akaiky kokoa azy aho.

Notendrena hanao asa fanampiny aho, tatỳ aoriana, ka lasa mpiandraikitra mpitety faritany nandritra ny folo taona mahery. Mitsidika sy mampahery fiangonana iray isan-kerinandro no atao amin’izany. Narary aho ka voatery nijanona. Faly anefa aho satria mbola afaka manompo an’Andriamanitra manontolo andro.

Nidonam-pahoriana

Nankany an-trano aho mba hitsidika ny fianakaviako, tamin’izaho tany Nicoya, tamin’ny 1971. Raha vao niditra aho dia nahita an’ilay reniko, 80 taona, nitsitra tamin’ny tany. Voatifitra sy voatsatoka antsy izy. Mbola niaina izy rehefa niondrika handray azy aho. Maty teo an-tsandriko izy, fotoana fohy taorian’izay. Nijerijery ny manodidina aho, ka hitako tao an-dakozia ny fatin’ilay mpahandronay, izay bevohoka valo volana. Tsy vitan’izay fa nisy Vavolombelona iray koa maty teo an-dalantsara, ary ny zanakalahin’ilay mpahandro, maty tao amin’ny efitrano fidiovana. Notsatotsatohina tamin’ny antsy sy notifirina daholo izy ireo. Iza loatra no nahavanon-doza toy izany, ary nahoana?

Nahita an’i Dada aho rehefa nivoaka ny trano. Voatifitra ny lohany fa mbola velona izy! Nihazakazaka tany amin’ny rahalahiko aho. Lalana fahefatr’adiny eo ho eo ilay izy. Reko tany koa fa nisy namono ny vehivavy iray sy ny zanany lahy. Kivy be aho rehefa fantatro fa hay zanak’anabaviko no namono an’ireo olona ireo. Tsy Vavolombelon’i Jehovah io tovolahy 17 taona io, ary narary saina. Efa nitsoaka izy tamin’izay ary natao haza lambo. Io no olon-dratsy nanaovan’ny polisy ezaka mafy indrindra teto Costa Rica hatramin’izay.

Nivoaka tamin’ny fampahalalam-baovao ilay zava-nitranga. Tratra ilay mpamono olona rehefa afaka herinandro. Nisy antsibe sy basy poleta teny aminy. Efa fantatr’ilay olona nivarotra an’ireo taminy anefa fa narary saina izy. Nenjehin’ny polisy ilay zanak’anabaviko, ary notifiriny ka maty.

Maro no nampirisika ahy handositra, tamin’ny mbola tsy tratra ilay zanak’anabaviko sao hiverina, hono, izy ka hamono ahy. Nivavaka momba izany aho, satria tsapako fa nila ahy ny fianakaviako sy ny fiangonana. Nijanona àry aho.

Loza nisesisesy

Nampalahelo fa maty i Dada, herintaona monja taorian’izay. Nisy namono koa ny anabaviko ny taona nanaraka. Tsy nivadika tamin’i Jehovah Andriamanitra mihitsy izy. Kivy daholo indray izahay. Mafy be mantsy izany mamoy havana na namana izany, ka tsy hitanay izay teny mahalaza ny alahelonay. Niantehitra tanteraka tamin’i Jehovah aho, nandritra ireny fahoriana nangidy ireny, sady nangataka hery taminy foana.

Nanatrika sekoly fampiofanana ho an’ny anti-panahy naharitra telo andro tany San José, renivohitra aho, tamin’ny 1985. Tsapako fa lasa nifandray kokoa tamin’i Jehovah aho, taorian’ilay sekoly. Niverina nody aho ny alatsinainy maraina be. Mbola tsy tonga teny amin’ny fakana bisy akory aho, dia nisy olon-dratsy nanakenda sy nanendaka, ary tsy hitako akory ny tarehiny satria haingana loatra ilay izy. Taorian’izay no tsy nahavitako niteny mafy be intsony toy ny mponina atỳ Costa Rica. Fomban’ny lehilahy atỳ amin’ny faritr’i Guanacaste mantsy ny mikiakiaka, rehefa mihaona na rehefa te hampiseho fotsiny hoe eo izy. Tena vitako tsara anefa izany taloha.

Nanambady an’i Celia aho tamin’ny 1979. Vavolombelona tao amin’ny fiangonana teo akaikinay izy, ary tena tia Baiboly. Niara-namaky sy nianatra Baiboly izahay isan’andro. Nampalahelo fa matin’ny kansera izy ny Jolay 2001. Manirery aho indraindray, nefa mampahery ahy ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty.—Jaona 5:28, 29.

Faly na dia nandalo fitsapana maro aza

Betsaka noho ny an’ny olon-kafa angamba ny fahoriana niainako. Nahafahako nampiharihary ny finoako sy ny tsy fivadihako tamin’i Jehovah anefa izy ireny. (Jakoba 1:13) Miezaka foana aho mitadidy fa ‘mety ho azon-tsampona amin’ny fotoana tsy ampoizina’ isika rehetra. (Mpitoriteny 9:11) Manampy ahy tsy ho kivy tanteraka izany. Fantatro koa fa “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izao, ka lozabe sy mahery setra ary tsy mahafehy tena ny olona. (2 Timoty 3:1-5) Eritreretiko foana koa ny ohatr’i Joba. Nijaly be izy satria maty ny zanany, narary izy, ary very ny fananany. Mbola niteny ihany anefa izy hoe: “Hisaorana hatrany anie ny anaran’i Jehovah!” Nomen’i Jehovah valisoa tondraka àry izy satria tsy nivadika. (Joba 1:13-22; 42:12-15) Maro ny fitsapana nahazo ahy, nefa faly foana aho satria misaintsaina an’ireny voalazan’ny Baiboly ireny.

Nanampy ahy foana i Jehovah mba ho ny fanompoana azy no zava-dehibe indrindra amiko. Mamaky Baiboly isan’andro aho ary tena mampahery sy manampy ahy hiaritra izany. Mahazo “ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra” aho, rehefa mivavaka aminy. (Filipianina 4:6, 7) Mampilamin-tsaina ahy izany. Mihamatanjaka koa ny finoako rehefa manatrika fivoriana kristianina sy mandray anjara amin’izany.—Hebreo 10:24, 25.

Misaotra an’i Jehovah aho satria mbola afaka mitory sy mampianatra Baiboly miaraka amin’ny mpiray finoana amiko, na dia efa antitra aza. Manampy ahy tsy ho kivy izany. Misaotra an’i Jehovah amin’ny foko manontolo aho, na dia maro aza ny fahoriana niainako. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 26 Nodimandry teo amin’ny faha-90 taonany i Enrique Caravaca Acosta, roa taona taorian’ny nandefasany an’ity tantarany ity.

[Teny notsongaina, pejy 20]

Mamaky Baiboly isan’andro aho ary tena mampahery sy manampy ahy hiaritra izany

[Sary, pejy 19]

Tamin’izaho nanomboka nanao lahateny ara-baiboly

[Sary, pejy 20]

Nitory tamin’izaho mbola natanjaka