Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Olona Tia ny Tenin’Andriamanitra

Olona Tia ny Tenin’Andriamanitra

Olona Tia ny Tenin’Andriamanitra

MAZÀNA no adika amin’ny fiteny maro ny hafatra tena lehibe, mba ho azon’ny olona betsaka araka izay azo atao. Misy hafatra lehibe ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, na ny Baiboly. Efa ela ny Baiboly, nefa “nosoratana ho fianarantsika”, sady natao hampiononana antsika sy hananantsika fanantenana.—Romanina 15:4.

Tsy misy hafatra manan-danja kokoa noho izay hita ao, ka tsy mahagaga raha nadika tamin’ny fiteny maro izy io. Betsaka ny olona niezaka mafy nandika azy io, na dia narary mafy, na nosakanan’ny fanjakana, na norahonana ho faty mihitsy aza. Nahoana? Satria tiany ny Tenin’Andriamanitra. Nahavita zavatra niavaka ireny olona ireny. Andeha isika hijery santionany amin’izany.

“Raha amin’ny teny anglisy ny lalàn’i Kristy vao tena hazava amin’ny Anglisy”

Teraka tamin’ny 1330 tany ho any i John Wycliffe. Tamin’ny teny latinina ny fotoam-pivavahana tany Angletera, tamin’izany. Niteny anglisy anefa ny sarambabem-bahoaka rehefa nifampiresaka, ary na dia rehefa nivavaka tamin’Andriamanitra aza.

Pretra i Wycliffe, ka nahay tsara ny teny latinina. Nilaza anefa izy fa tsy mety ny mampiasa an’io fiteny io rehefa mitory ny Soratra Masina, satria ho fanajana ny olona ambony fotsiny no nampiasana azy io. Hoy izy: ‘Ny lalàn’Andriamanitra no ampianarina, ka ny fiteny mora azo indrindra no tokony hampiasaina.’ Nanangona olona vitsivitsy àry i Wycliffe sy ny namany, ary niara-nandika ny Baiboly ho amin’ny teny anglisy izy ireo. Roapolo taona teo ho eo vao vita ilay izy.

Tezitra anefa ny Eglizy Katolika raha vao nahare hoe nisy nitady handika ny Baiboly. Nahoana? Hoy ny boky Ireo Misterin’i Vatikana (anglisy), tatỳ aoriana: ‘Nanjary hitan’ny mpiangona fa tsotra ny fampianarana sy ny fiainan’ny Kristianina voalohany, raha oharina amin’ny an’ny Fivavahana Katolika. Sambany vao niharihary fa tena tsy mitovy ny fampianaran’Ilay namorona ny Fivavahana Kristianina sy ny an’ilay nanendry tena ho solontenany, dia ny Papa.’

Namoaka didy dimy hanamelohana an’i Wycliffe àry ny Papa Grégoire Faha-11. Tsy nahasakana azy anefa izany. Hoy izy: “Raha amin’ny teny anglisy ny lalàn’i Kristy vao tena hazava amin’ny Anglisy. Tamin’ny fiteniny no nandrenesan’i Mosesy sy ny apostolin’i Kristy ny lalàn’Andriamanitra.” Namoaka ny Baiboly manontolo voalohany tamin’ny teny anglisy àry i Wycliffe sy ny namany tamin’ny taona 1382 tany ho any, taloha kelin’ny nahafatesan’i Wycliffe. Nohavaozin’ny namany iray izy io, folo taona tatỳ aoriana, mba ho mora vakina kokoa.

Mbola tsy nisy fanontam-pirinty tamin’izany, ka tsy maintsy nadika tanana ilay izy. Folo volana àry ny Baiboly iray vao vita! Natahotra mafy anefa ny Eglizy sao hiely be io Baiboly io, ka norahonan’ny arseveka iray ny olona fa horoahina raha tratra mamaky azy io. Namoaka didy ny Papa, 40 taona mahery taorian’ny nahafatesan’i Wycliffe, fa tsy maintsy fongarina ny fatiny ary dorana. Natao tokoa izany, ary nariana tao amin’ny reniranon’i Swift ny lavenona. Mbola nitady ny Baibolin’i Wycliffe anefa ny olona tena naniry hahalala ny fahamarinana. Hoy ilay manam-pahaizana atao hoe William Blackburn: “Maro ny Baibolin’i Wyclif navoaka sy naely hatraiza hatraiza, ary nolovan’ny taranaka tatỳ aoriana.”

Baiboly ho an’ny sarambaben’olona

Efa lasa tranainy be ny teny anglisy tao amin’ilay Baiboly, 200 taona tatỳ aoriana. Sorena i William Tyndale, mpitory teny tanora iray tany akaikin’i Bristol, satria vitsy kely no nahay azy io. Indray andro, dia nisy olona nahita fianarana nilaza hoe aleo tsy mahay ny lalàn’Andriamanitra toy izay tsy mahay ny lalàn’ny Papa. Nilaza àry i Tyndale fa hataony mahay Baiboly kokoa noho ny olona nahita fianarana ny sarambaben’olona, ary tsy maintsy hahita hevitra haingana hanaovana izany izy, raha sitrapon’Andriamanitra.

Ny Baiboly Vulgate latinina no nadikan’i Wycliffe ho amin’ny teny anglisy, ary nadikany tanana. Ny an’i Tyndale kosa Baiboly hebreo sy grika mihitsy no nadikany, ary nanakarama fanontam-pirinty tany Cologne, any Alemaina, izy mba hanao pirinty azy io. Nankany mantsy izy tamin’ny 1524. Tsy ela anefa dia ren’ny fahavalony izany, ka nandresy lahatra ny Antenimieran’i Cologne izy ireo, mba haka an-keriny an’izay Baiboly vita pirinty.

Nandositra tany Worms, Alemaina, i Tyndale, ary nanohy ny asany. Tsy ela dia voadikany ny Soratra Grika, ary nalefany mangingina tany Angletera. Be dia be no lafo tao anatin’ny enim-bolana, ka nivory haingana ny eveka, ary nasaina nodorana izay Baiboly tratra.

Nasain’ny evekan’i Londres namoaka lahatsoratra hanaratsiana an’i Tyndale i Thomas More, mba tsy hamakian’ny olona an’ilay Baiboly navoakany sy mba tsy hanohanan’izy ireo azy. Nolazaina fa nivadi-pinoana mantsy izy. Nanakiana an’i Tyndale, ohatra, i More noho izy nampiasa ny hoe “fiangonana” fa tsy “eglizy”, sy hoe “zokiolona” na “anti-panahy” fa tsy “pretra.” Mampihen-danja ny fahefan’ny Papa mantsy izany, ary mampiharihary fa tsy ambony noho ny mpiangona ny pretra. Nokianiny koa i Tyndale satria tsy nadikany hoe “fiantrana” ilay teny grika hoe agape, fa “fitiavana.” Hoy ilay boky hoe Raha Tsimbinin’Andriamanitra ny Aiko (anglisy): “Tsy tian’ny Eglizy koa io satria ho very fihinanana izy, raha tsy aseho intsony hoe zava-dehibe ny fiantrana. Tsy hazoto hanome rakitra sy vola hahazoana famelan-keloka ary fananana intsony mantsy ny mpiangona, na dia efa noresena lahatra aza hoe mila manao izany raha te ho any an-danitra.”

Nanizingizina i More fa tokony hodorana ny “mpivadi-pinoana.” Nokendaina sy nodorana teo amin’ny tsato-kazo àry i Tyndale, tamin’ny Oktobra 1536. Notapahin-doha koa anefa i More, satria lasa halan’ny mpanjaka. Na izany aza, dia nasandratra ho olo-masina izy tamin’ny 1935. Nasandratry ny Papa Jean-Paul II ho olo-masina mpiaro ny mpanao politika koa izy, tamin’ny 2000.

Tsy mba natao toy izany i Tyndale. Talohan’ny nahafatesany anefa, dia efa voatambatry ny namany iray atao hoe Miles Coverdale ny zava-bitany, ka lasa Baiboly feno. Io no Baiboly anglisy voalohany nadika avy tamin’ny teny hebreo sy grika! Lasa afaka namaky ny Tenin’Andriamanitra àry ny sarambaben’olona. Ary ahoana ireo mampiasa fiteny hafa?

“Toa tsy ho vita mihitsy”

Naniry handika ny Baiboly ho amin’ny teny sinoa i Robert Morrison, misionera anglisy. Tsy nanaiky ny havany sy ny namany, nefa mbola nikiry ihany izy. Nankany Chine izy tamin’ny 1807. Sarotra taminy anefa ny nandika ilay Baiboly. Hoy i Charles Grant, lehiben’ny orinasa natanjaka iray: “Toa tsy ho vita mihitsy ilay izy.”

Ren’i Morrison fa voaheloka ho faty izay Sinoa mampianatra ny fiteniny amin’ny vahiny. Tsy nivoaboaka ny trano aloha i Morrison, mba hiarovana ny tenany sy ireo olona nanaiky hampianatra azy. Voalaza fa afaka ‘roa taona monja, dia nahay niteny sy nanoratra teny sinoa mandarin izy, sady nahay tenim-paritra vitsivitsy.’ Namoaka didy anefa ny mpanjaka hoe voaheloka ho faty izay manao pirinty boky kristianina. Tsy nahasakana an’i Morrison izany. Voadikany ny Baiboly manontolo, tamin’ny 25 Novambra 1819.

Tamin’ny 1836, dia Baiboly feno miisa 2 000 eo ho eo, sy Testamenta Vaovao 10 000, ary boky ao amin’ny Baiboly miisa 31 000 no navoaka tamin’ny teny sinoa. Tia ny Tenin’Andriamanitra i Morrison, ka vitany ny nandika azy io, na dia “toa tsy ho vita mihitsy” aza.

Baiboly tao anaty ondana

Tapa-bolana taorian’ny raharahany, tamin’ny Febroary 1812, dia nanao dia lavitra ilay misionera amerikanina atao hoe Adoniram Judson sy Ann vadiny, ka tsy nijanona raha tsy tonga tany Birmania tamin’ny 1813. * Nianatra teny birmanina avy hatrany izy roa, na dia anisan’ny fiteny sarotra indrindra eran-tany aza izy io. Hoy i Judson, taona vitsivitsy tatỳ aoriana: ‘Tena lavitry ny misy anay atỳ, ary hafa tanteraka ny fitenin’ny olona. Tsy mitovy amin’ny anay mihitsy koa ny fomba fisainany. Sady tsy manana diksionera anefa izahay no tsy mahita mpandika teny.’

Tsy kivy anefa i Judson. Voadikany tamin’ny teny birmanina ny Testamenta Vaovao, tamin’ny Jona 1823. Nisy ady tany Birmania taorian’izay. Nahiahina ho mpitsikilo i Judson, ka nogadraina. Nasiana rojo vy enina izy, ary nogejaina teo amin’ny tsato-kazo, mba tsy ho afa-mihetsika. Hoy i Francis Wayland, tao amin’ny boky nosoratany tamin’ny 1853: ‘Tonga dia ilay Testamenta Vaovao nadikany no nanontaniany an’i Ann, raha vao navela hifampiresaka tamin’ny teny anglisy izy roa.’ Nafenin’i Ann tao ambanin’ny tranon’izy ireo izy io. Natahotra anefa izy sao ho simban’ny hamandoana sy ny bobongolo ilay izy, ka nozairiny tao anaty ondana, ary nateriny tany amin’ny vadiny. Tsy simba àry ilay Baiboly, na dia teo aza ny zava-tsarotra maro.

Nafahana i Judson, volana maro tatỳ aoriana. Vetivety ihany anefa ny hafaliany. Narary mafy mantsy i Ann, ary maty afaka herinandro vitsivitsy. Enim-bolana monja taorian’izay, dia matin’ny aretina tsy misy fanafany i Maria zanany vavy, izay vao roa taona monja. Tena mafy tamin’i Judson ilay izy, nefa notohizany indray ny asany. Voadikany ny Baiboly manontolo tamin’ny 1835.

Tianao ve ny Tenin’Andriamanitra?

Tsy ireo olona ireo ihany no tia ny Tenin’Andriamanitra. Nihira ho an’i Jehovah Andriamanitra, ohatra, ny mpanao salamo hoe: “Tiako erỳ ny lalànao, ka saintsainiko foana!” (Salamo 119:97) Tsy asa soratra miavaka fotsiny ny Baiboly. Misy hafatra lehibe ao. Asehonao ve fa tianao ny Tenin’Andriamanitra, ka vakinao tsy tapaka? Matokia fa “ho sambatra” ianao, raha miezaka mampihatra izay vakinao.—Jakoba 1:25.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 22 Myanmar izao no anaran’i Birmania sy ny fiteny any.

[Teny notsongaina, pejy 8]

“Raha amin’ny teny anglisy ny lalàn’i Kristy vao tena hazava amin’ny Anglisy.”—JOHN WYCLIFFE

[Sary, pejy 9]

William Tyndale sy pejy iray amin’ilay Baiboly nadikany

[Sary nahazoan-dalana]

Tyndale: Avy ao amin’ny boky The Evolution of the English Bible

[Sary, pejy 10]

Robert Morrison sy ilay Baiboly nadikany ho amin’ny teny sinoa

[Sary nahazoan-dalana]

In the custody of the Asian Division of the Library of Congress

Robert Morrison, nataon’i W. Holl, from The National Portrait Gallery Volume IV, published c.1820 (litho), Chinnery, George (1774-1852) (after)/Private Collection/Ken Welsh/The Bridgeman Art Library International

[Sary, pejy 11]

Adoniram Judson sy ilay Baiboly nadikany ho amin’ny teny birmanina

[Sary nahazoan-dalana]

Judson: Nataon’i John C. Buttre/Dictionary of American Portraits/Dover

[Sary nahazoan-dalana, pejy 8]

Wycliffe: Avy ao amin’ny boky The History of Protestantism (Vol. I); Baiboly: Courtesy of the American Bible Society Library, New York