Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitsidihana Trano Fanontam-pirinty Miavaka

Fitsidihana Trano Fanontam-pirinty Miavaka

Fitsidihana Trano Fanontam-pirinty Miavaka

TSY vao izao angamba ianao no nahita gazety hoatran’ity vakinao ity. Mety ho efa nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga tao aminao, ary nanome anao Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! mba hahafantaranao tsara kokoa ny Baiboly. Na ianao mety ho efa nahita Vavolombelona nizara azy ireny teny an-dalana na teny an-tsena. Mihoatra ny 35 tapitrisa amin’izy ireny no atao pirinty isam-bolana. Ireo àry no gazety ara-pivavahana miely patrana indrindra eran-tany.

Mba efa noeritreretinao ve anefa hoe aiza no hanaovana pirinty an’ireo gazety ireo, ary inona no atao amin’izany? Andao àry isika hitsidika ny iray amin’ireo trano fanontam-pirintin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia ilay any Wallkill, any Etazonia. Maro amintsika mpamaky no tsy ho afaka hankany mba hitsidika an’io toerana io. Hanampy antsika hahafantatra bebe kokoa azy io àry ny fanazavana sy sary aseho ato.

Avy amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanoratana any Brooklyn, any New York, ireo lahatsoratra hatao pirinty. Alefa any amin’ny Sampan-draharahan’ny Sary amin’ny alalan’ny ordinatera izy ireny avy eo, mba hamoahana takela-by fanaovana pirinty. Horonan-taratasy lehibe 1 400 eo ho eo no ampiasaina isam-bolana, ary 80 ka hatramin’ny 100 taonina ny taratasy lany isan’andro. Iray taonina mahery ny horonan-taratasy lehibe sasany, ary misy milina fanontam-pirinty dimy lehibe misintona azy ireo. Atao pirinty eo amin’izy ireny avy eo ireo lahatsoratra. Tapatapahina ireo taratasy, aorian’izay, aforitra, ary akambana ho 32 pejy, ka lasa fehezam-pejy iray. Iray amin’ireny fehezam-pejy ireny ity gazety vakinao ity. Ahoana indray ny amin’ny boky? Fehezam-pejy maromaro no akambana mba ho lasa boky. Any amin’ny toerana fanakambanam-boky no hanaovana izany ary misy milina roa ao. Mahavita boky misy fonony mafy 50 000 isan’andro ny iray amin’ireo milina, na boky misy fonony malefaka 75 000. Ilay iray kosa mahavita boky misy fonony malefaka 100 000 eo ho eo isan’andro.

Boky 28 000 000 mahery no vita pirinty tamin’ny 2008, ka Baiboly ny 2 600 000 tamin’ireo. Tamin’io taona io ihany, dia 243 317 564 ny gazety vita pirinty. Misy amin’ny fiteny 380 eo ho eo ireny boky sy gazety ireny, ary tehirizina ao amin’ilay trano fanontam-pirinty. Hatao ahoana anefa izy ireny avy eo?

Fiangonana 12 754 an’ny Vavolombelon’i Jehovah any Etazonia no manafatra azy ireny, ary 1 369 any Karaiba sy Hawaii. Ny Sampan-draharahan’ny Fandefasana Entana no manao azy ireny ao anaty baoritra, ary mikarakara ny fandefasana azy. Maherin’ny 14 000 taonina isan-taona ny boky sy gazety alefa any amin’ireo fiangonana any Etazonia.

Tsy ny milina anefa no tena mampandeha tsara ny asa ao amin’io trano fanontam-pirinty io, fa ny olona. Misy 300 izy ireo ary samy manana ny sampan-draharaha iasany. Eo ny ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Sary, ny Mandrindra ny Fandaharam-potoana, ny Fanontam-pirinty, ny Fanakambanam-boky, ary ny Fandefasana Entana. Tsy mandray karama ireo mpiasa ireo, ary 19 taona ny tanora indrindra, 92 taona kosa ny antitra indrindra.

Tena tia ny mpiara-belona aminy ireo mpiasa an-tsitrapo rehetra ireo. Tsy andrin’ny olona koa ny hahazoana an’ireo boky sy gazety. Hiana-javatra avy amin’izay hovakiny mantsy ireny olona ireny, hahazo fampaherezana, ary hotarihin’ny toro lalan’ny Baiboly. Enga anie ianao ka ho anisan’ireny mpamaky ireny, ary enga anie ny boky na gazety toy itony ka hanampy anao hianatra hahalala an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy. Hahazo fiainana mandrakizay ianao amin’izay.—Jaona 17:3.

[Sary, pejy 16]

[Sary, pejy 17]