Ilay Lehilahy Nino ny Fampanantenan’Andriamanitra
Ho An’ny Ankizy sy ny Tanora
Ilay Lehilahy Nino ny Fampanantenan’Andriamanitra
Toromarika: Tsara raha amin’ny toerana mangina ianao no mamaky ny andinin-teny eto ambany. Alao sary an-tsaina ilay tantara. Ataovy toy ny hoe teo mihitsy ianao, ka renao ny feo manodidina sy ny olona miteny, ary tsapanao ny fihetseham-pon’ireo olona asongadina ao.
ALAO SARY AN-TSAINA ILAY TANTARA.—VAKIO NY GENESISY 12:1-4; 18:1-15; 21:1-5; 22:15-18.
Ahoana no mety ho fihetseham-pon’i Abrahama rehefa henony ny fampanantenan’Andriamanitra, hoe ho razamben’ny “taranaka” iray hitondra soa ho an’ny olon-drehetra izy?
․․․․․
Ahoana no mety ho paozipaozin’ireo lehilahy telo nitsidika an’i Abrahama, voaresaka ao amin’ny Genesisy 18:2?
․․․․․
Ahoana no fahitanao ny zavatra nataon’i Abrahama, resahin’ny Genesisy 18:6-8? (Tadidio fa efa ho 100 taona izy tamin’io.)
․․․․․
FAKAFAKAO ILAY TANTARA.
Nampanantena i Jehovah fa hanan-janakalahy i Abrahama. Firy taona taorian’izay i Isaka vao teraka? (Vakio indray ny Genesisy 12:4 sy 21:5.)
․․․․․
Mandra-pahatongan’izany, inona avy ny toky nomen’i Jehovah an’i Abrahama? (Vakio ny Genesisy 12:7; 13:14-17; 15:1-5, 12-21; 17:1, 2, 7, 8, 15, 16.)
․․․․․
Inona no nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama, rehefa hitany fa tsy tena natoky i Abrahama hoe hanan-janakalahy? (Vakio indray ny Genesisy 15:3-5, 12-21.)
․․․․․
Inona no tsipiriany nomen’i Jehovah tsikelikely, mba hampahafantarana an’ilay “taranaka”?
․․․․․
AMPIHARO IZAY NIANARANAO. SORATY ETO IZAY NIANARANAO MOMBA NY...
Ilana finoana ny fampanantenan’Andriamanitra.
․․․․․
Fomba ampahafantaran’i Jehovah tsikelikely ny fikasany.
․․․․․
INONA NO HEVI-DEHIBE HITANAO AMIN’IO TANTARA IO? NAHOANA?
․․․․․