Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vehivavy Malina

Vehivavy Malina

Tahafo ny Finoan’izy Ireo

Vehivavy Malina

HITAN’I Abigaila fa natahotra be ilay tovolahy. Nivadi-po izy satria nisy loza amin’antambo nananontanona. Efa teny an-dalana mantsy ny miaramila 400 teo ho eo, tamin’izay. Vonona hamono ny lehilahy rehetra tao an-tranon’i Nabala, vadin’i Abigaila, izy ireo. Nahoana?

I Nabala no nahatonga an’ilay izy. Lehilahy ratsy fanahy sy tsy nahalala fomba izy. Mpitari-tafika anefa no novingavingainy, tamin’ity indray mitoraka ity. Nanana miaramila tsara ofana sady tia azy sy tsy nivadika taminy io mpitari-tafika io. Nankany amin’i Abigaila àry ilay tovolahy mpanompon’i Nabala, angamba anisan’ny mpiandry ondriny. Nino mantsy izy fa hahita hevitra hanavotana azy ireo i Abigaila. Inona anefa no ho vitan’ny vehivavy iray eo anatrehan’ny tafika iray manontolo?

Andeha aloha hojerentsika misimisy kokoa ny momba an’io vehivavy miavaka io. Iza moa i Abigaila? Inona no nahatonga an’io olana io? Ary inona no azontsika ianarana avy amin’ny finoana nananany?

“Tena malina sady tsara bika”

Tsy nifanentana mihitsy i Abigaila sy Nabala. Vady faran’izay tsara i Abigaila, fa i Nabala kosa vady faran’izay ratsy. Nanan-karena i Nabala ka nihevi-tena ho zavatra loatra. Ahoana anefa no fahitan’ny olona azy? Teny faran’izay manambany no ilazalazan’ny Baiboly azy. Ny dikan’ny anarany aza dia hoe “Adala” na “Vendrana.” Efa anarana nomen’ny ray aman-dreniny azy hatramin’ny vao teraka ve izany, sa anarana nomen’ny olona azy tatỳ aoriana? Na ahoana na ahoana, dia nety tsara taminy ny anarany. “Masiaka sady ratsy toetra” i Nabala, mpihetraketraka, mamo lava, ary tsy tian’ny olona sady atahorany.—1 Samoela 25:2, 3, 17, 21, 25.

Hafa tanteraka kosa i Abigaila. Ny anarany dia midika hoe “Nifaly ny Raiko.” Maro ny ray mirehareha rehefa manana zanakavavy tsara tarehy. Mahafaly kokoa ny ray hendry anefa ny manana zanaka tsara toetra. Matetika mantsy ny olona tsara tarehy no tsy mieritreritra ny hanana toetra tsara. Anisan’izany ny hoe ho malina, ho hendry, ary hanana herim-po sy finoana. Tsy mba toy izany i Abigaila. Milaza ny Baiboly fa “tena malina sady tsara bika” izy.—1 Samoela 25:3.

Mety hisy hieritreritra hoe naninona àry ny tovovavy mahira-tsaina toa azy no nanambady lehilahy tsy manjary toa an’i Nabala. Tadidio fa maro ny fanambadiana namboarina tamin’ny andron’ny Baiboly. Na tsy namboarina aza ilay izy, dia tena nilaina foana ny faneken’ny ray aman-dreny. Tian’ny ray aman-dreniny hanambady an’i Nabala ve i Abigaila, ary mety ho izy ireo mihitsy ve no nanamboatra an’ilay izy satria sodokan’ny harena sy laza ry zareo? Sa noho izy ireo nahantra no nahatonga azy hanao izany? Tsy vady tsara mihitsy i Nabala na dia nanan-karena aza.

Hendry ny ray aman-dreny raha mampianatra ny zanany hanana fiheverana mety momba ny fanambadiana. Tsy ampirisihiny hanambady noho ny vola ny zanany. Tsy tereny hampiaraka koa izy raha mbola kely, satria tsy hahay hiantsoroka ny andraikitry ny olon-dehibe. (1 Korintianina 7:36) Raha ny amin’i Abigaila kosa, dia efa vadin’i Nabala izy ka tsy afaka nanova na inona na inona intsony. Mafy ny nahazo azy nefa nanao izay azony natao izy.

“Vazavaza sy teny henjana no nataony tamin’izy ireo”

Nampidi-kizo an’i Abigaila i Nabala. I Davida mihitsy mantsy ilay nataony tsinontsinona. Mpanompon’i Jehovah tsy nivadika i Davida, ary efa nanosotra azy ho mpanjaka i Samoela mpaminany. Midika izany fa nofidin’Andriamanitra ho mpanjaka handimby an’i Saoly izy. (1 Samoela 16:1, 2, 11-13) Nialona azy i Saoly Mpanjaka ka nifofo ny ainy. Nandositra tany an-tany efitra àry i Davida sy ny miaramilany 600 tsy nivadika.

Nipetraka tany Maona i Nabala fa niasa tany Karmela, ary mety ho nanana tany teny akaiky teny. * Tanàna avo toerana sy be ahitra ireo, ka nety tsara hiompiana ondry. Nanana ondry 3 000 i Nabala. Tany ngazana kosa ny manodidina teo. Ny tany efitr’i Parana midadasika no tany atsimo. Tany ngazana tsy lavitra ny Ranomasin-tsira ny tany atsinanana ary feno hantsana sy lava-bato. Tany amin’izany toerana izany no nisy an’i Davida sy ny olony. Azo antoka fa nihaza izy ireo mba hivelomany ary niaritra olana maro. Nifanena matetika tamin’ny mpiandry ondrin’i Nabala izy ireo.

Tena sahirana ny miaramilan’i Davida, nefa inona no nataony tamin’ireo mpiandry ondry? Tsy nangalatra ny ondriny mihitsy izy ireo na dia tsy ho sarotra aza ny hanao izany. Vao mainka aza izy ireo niaro ny andian’ondrin’i Nabala sy ny mpanompony, ka toy ny manda nanodidina azy ireo. (1 Samoela 25:15, 16) Niatrika loza maro mantsy ny ondry sy ny mpiandry azy, tamin’izany. Be dia be ny biby mpiremby. Akaikin’ny sisin-tanin’ny Israely any atsimo koa ilay toerana, ka notafihin’ny andiana mpandroba izy ireo matetika. *

Tsy maintsy ho sarotra ny hahita sakafo tany an-tany efitra ho an’ireo olon’i Davida ireo. Naniraka folo lahy àry izy, indray andro, mba hangataka fanampiana tamin’i Nabala. Hendry i Davida ka niandry ny fetin’ny fanetezan’ondry. Nahazatra ny olona mantsy tamin’io fotoana io ny nanao fanasambe sy fanomezana. Nofidin’i Davida tsara koa ny teny holazaina ary nahalala fomba izy. Nasainy niteny mihitsy aza ireo iraka hoe “Davida zanakao”, angamba ho fanajana an’i Nabala noho ny taonany. Inona anefa no navalin’i Nabala?—1 Samoela 25:5-8.

Tezitra be izy! “Vazavaza sy teny henjana no nataony tamin’izy ireo”, hoy ilay tovolahy voaresaka terỳ aloha, tamin’i Abigaila. Tsy nety nanome tamin’ny mofony sy ny ranony ary ny henam-biby novonoiny ilay Nabala kahihitra. Nambaniny i Davida ary nolazainy fa tsisy ilana azy, sady mpanompo mitsoaka ny tompony. Mety ho nitovy tamin’ny an’i Saoly, izay nankahala an’i Davida, ny fiheveran’i Nabala. Tsy nisy nitovy tamin’ny an’i Jehovah anefa ny fiheveran’izy roa lahy. Tian’i Jehovah i Davida, ary tsy mpanompo nikomy no fahitany azy fa ilay ho mpanjakan’ny Israely.—1 Samoela 25:10, 11, 14.

Nisafoaka i Davida rehefa nitantara taminy an’izay nitranga ireo iraka. Hoy izy: “Samia manao ny sabany eo amin’ny fehikibony!” Nirongo fiadiana koa izy ary nitarika miaramila 400 mba hanafika. Nianiana izy fa tsy hasiany miangana ny lehilahy ao an-tranon’i Nabala. (1 Samoela 25:12, 13, 21, 22) Rariny raha tezitra be i Davida, saingy tsy nety ny fomba saika hanehoany an’izany. Hoy ny Baiboly: “Ny fahatezeran’ny olona tsy ahavitana izay marina eo imason’Andriamanitra.” (Jakoba 1:20) Ahoana anefa no hanavotan’i Abigaila ny ao an-tranony?

“Hotahina anie ny fahendrenao”

Azo lazaina hoe efa nanao zavatra sahady i Abigaila. Hita hoe vonona hihaino mantsy izy fa tsy toa an’i Nabala vadiny. Hoy ilay mpanompo momba an’i Nabala: “Olona tena tsy manjary ... izy ka tsy azo ifampiresahana mihitsy.” * (1 Samoela 25:17) Nampalahelo fa tsy nety nihaino i Nabala satria nihevi-tena ho zavatra loatra. Maro koa ny olona toy izany ankehitriny. Fantatr’ilay tovolahy anefa fa hafa mihitsy i Abigaila, ka tsy nisalasala nanatona azy izy rehefa nipoitra ny olana.

Nieritreritra kely i Abigaila ary “avy hatrany ... dia lasa haingana.” Hita inefatra ao amin’io tantara io ny teny hoe “haingana”, ary ampiharina amin’i Abigaila foana. Nanomana fanomezana be dia be ho an-dry Davida izy. Anisan’izany ny mofo, divay, ondry, voam-bary natono, mofo vita tamin’ny voaloboka maina, ary mofo vita tamin’ny aviavy. Nanao tsara ny andraikiny tao an-tranony tokoa izy, ary fantany ny zavatra nananany. Mitovy be amin’ilay vady tsara resahin’ny Ohabolana izy. (Ohabolana 31:10-31) Nalefany mialoha hitondra an’ireo sakafo ireo ny mpanompony, ary avy eo izy vao nandeha. “Tsy nilazany na inona na inona anefa i Nabala vadiny.”—1 Samoela 25:18, 19.

Midika ve izany hoe nanohitra ny fahefan’ny vadiny i Abigaila? Tsy izany mihitsy. Ratsy fanahy tamin’ny voahosotr’i Jehovah i Nabala, ka mpanompony maro tsy nanan-tsiny no saika maty. Hoatran’ny hoe niray tsikombakomba tamin’ny vadiny ve i Abigaila raha tsy nanao na inona na inona? Eny. Andriamanitra foana mantsy, fa tsy ny vadiny, no tokony hekeny voalohany.

Tsy ela dia nifanena tamin-dry Davida i Abigaila. Nidina haingana avy teo amin’ny ampondrany izy, ary niondrika teo anatrehan’i Davida. (1 Samoela 25:20, 23) Nilaza ny tao am-pony i Abigaila, avy eo, ary nitalaho mba hamindrana fo ny vadiny sy ny tao an-tranony. Nahoana no nisy vokany ny teniny?

Noraisin’i Abigaila ho toy ny hoe izy no tompon’andraikitra tamin’ilay olana, ka nangataka an’i Davida hamela ny helony izy. Nekeny fa adala araka ny anarany ny vadiny. Te hilaza angamba izy hoe lehilahy mendri-kaja hoatran’i Davida ve dia hiady amin’olona adala toy izany! Nilaza izy fa niady “ny adin’i Jehovah” i Davida ka tena solontenany. Nasehony koa fa fantany ny fampanantenan’i Jehovah hoe ho lasa mpanjaka i Davida, satria hoy izy: “Hanendry anao ho mpitarika ny Israely i Jehovah.” Niangaviany avy eo i Davida, mba tsy hanao zavatra mety hahatonga azy ho meloka ho nandatsa-dra, na “henjehin’ny eritreriny.” (1 Samoela 25:24-31) Feno hatsaram-panahy tokoa izany teny izany, ary manohina ny fo!

Ahoana hoy i Davida? Noraisiny ny fanomezan’i Abigaila, ary hoy izy: “Hisaorana anie i Jehovah Andriamanitry ny Israely, izay naniraka anao androany mba hihaona amiko! Hotahina anie ny fahendrenao, ary hotahina anie ianao, izay nisakana ahy androany tsy ho meloka ho nandatsa-dra.” Noderain’i Davida i Abigaila noho izy nanana herim-po hihaonana aminy haingana. Niaiky koa izy fa nanakana azy tsy ho meloka ho nandatsa-dra i Abigaila. Nanetry tena izy rehefa niteny hoe: “Miakara soa aman-tsara ho any an-tranonao, fa efa nihaino ny teninao aho.”—1 Samoela 25:32-35.

“Intỳ aho mpanompovavinao”

Azo inoana fa nieritreritra an’iny zava-nitranga iny i Abigaila rehefa lasa ry Davida. Azo inoana koa fa hitany hoe tsy nitovy ny toetran’ilay vadiny masiaka sy ny an’i Davida, izay sady tsara fanahy no tsy nivadika. Tsy nifantoka be tamin’izany anefa izy. Hoy ilay fitantarana: “Dia tonga tany amin’i Nabala i Abigaila.” Niverina tany amin’ny vadiny tokoa izy, ary mbola niezaka foana ny ho vady tsara. Tsy maintsy hiteny amin’i Nabala izy hoe nanome zavatra an-dry Davida. Zon’ny vadiny mantsy ny hahalala izany. Izy koa no tsy maintsy hitantara momba an’ilay loza nosakanany tsy hitranga. Vao mainka mantsy hahamenatra raha olon-kafa indray no handrenesan’i Nabala an’ilay izy. Mbola tsy afaka nitantara izany taminy avy hatrany anefa i Abigaila, satria nanao fanasambe toy ny an’ny mpanjaka i Nabala, ary mamo tampona.—1 Samoela 25:36.

Naneho herim-po sy fahendrena indray àry izy ka niandry hatramin’ny ampitso maraina. Mba efa hisava mantsy amin’izay ny hamamoan’i Nabala, ka ho azony izay holazaina aminy. Mbola mety hatahorana ihany anefa izy noho ny toetrany. Nanatona azy i Abigaila, na izany aza, ary nitantara ny zava-drehetra. Azo antoka fa nieritreritra i Abigaila hoe ho tezitra be izy na hikasi-tanana. Nipetraka teo fotsiny anefa i Nabala ary tsy nihetsika.—1 Samoela 25:37.

Fa inona no nanjo azy? “Maty tao anatin’i Nabala ny fony, ary nanjary toy ny vato izy.” Tapaka lalan-dra angamba izy. Maty izy, folo andro tatỳ aoriana, nefa tsy tena hoe noho ny aretina. “Nasian’i Jehovah izy ka maty.” (1 Samoela 25:38) Tsy nijaly am-panambadiana intsony i Abigaila, taorian’io didim-pitsarana ara-drariny io. Marina fa tsy mamely olona amin’ny fomba mahagaga toy izany intsony i Jehovah. Mampahatsiahy antsika tsara anefa io tantara io, hoe hitany daholo ny herisetra sy fanararaotana eo anivon’ny tokantrano. Hanatanteraka ny rariny foana izy amin’ny fotoana mety aminy.

Tsy nijaly am-panambadiana intsony i Abigaila, ary mbola nahazo fitahiana hafa koa. Rehefa ren’i Davida mantsy fa maty i Nabala, dia nandefa iraka izy mba hangataka an’i Abigaila ho vadiny. Hoy i Abigaila: “Intỳ aho mpanompovavinao, ho mpanompovavy hanasa ny tongotry ny mpanompon’ny tompoko.” Tsy niova izy ka hoe lasa nanambony tena satria ho vadin’i Davida. Nanolo-tena kosa aza izy mba hanompo ny mpanompon’i Davida! Nandeha haingana indray izy mba ho any aminy.—1 Samoela 25:39-42.

Hisosa tsara foana amin’izay ve ny fiainan’i Abigaila miaraka amin’i Davida? Tsia! Efa nanambady an’i Ahinoama mantsy i Davida tamin’izay, ary tsy maintsy ho sarotra tamin’ireo vehivavy nanam-pinoana fahiny, ny nanambady lehilahy nanana vady maro. * Mbola tsy mpanjaka koa i Davida ka tsy maintsy hisy sakantsakana sy olana maro alohan’ny handraisany ny fanjakana. Nanampy sy nanohana azy foana anefa i Abigaila, ary niteraka zazalahy taminy tatỳ aoriana. Tsapany tamin’izay fa nanana vady tia sy niaro azy izy. Nisy fotoana, ohatra, namonjen’i Davida azy tamin’ny fahavalo. (1 Samoela 30:1-19) Nanahaka an’i Jehovah Andriamanitra àry i Davida. Sarobidy amin’i Jehovah mantsy sady tiany ireny vehivavy manam-pinoana sy malina ary be herim-po ireny.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Tsy ilay Tendrombohitra Karmela malaza any avaratra akory io, fa tanàna any amin’ny farany atsimo akaikin’ny tany efitra.

^ feh. 14 Azo inoana fa noheverin’i Davida ho fanompoana an’i Jehovah Andriamanitra ny fiarovana ny tompon-tany sy ny andian’ondrin’izy ireo. Fikasan’i Jehovah mantsy tamin’izay ny hipetrahan’ny taranak’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba teo amin’io tany io. Toy ny hoe nanao fanompoana masina àry izay niaro an’io tany io tamin’ny mpandroba.

^ feh. 19 Midika ara-bakiteny hoe “zanak’i beliala (tsy misy ilana azy)” ny teny nampiasain’ilay tovolahy. Misy Baiboly mbola milaza momba an’i Nabala hoe olona “tsy hihaino na iza na iza”, ka “tsy misy antony hiresahana aminy.”

^ feh. 30 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Eken’Andriamanitra ve ny Fananana Vady Maro?”, ao amin’ny pejy faha-30.

[Sary, pejy 19]

Vonona hihaino i Abigaila fa tsy toy ny vadiny

[Sary, pejy 20]

Naneho fanetren-tena sy herim-po ary fahendrena i Abigaila rehefa niresaka tamin’i Davida