Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Inona no niafaran’ny vata misy ny fifanekena?

Nampiseho ny fanatrehan’Andriamanitra teo amin’ny Israelita ny vata misy ny fifanekena. (Eksodosy 25:22) Vata masina vita tamin’ny hazo nopetahana takela-bolamena izy io. Tao no napetrak’i Mosesy ireo takela-bato roa nisy ny Lalàna. Tao amin’ny Masina Indrindra amin’ny tranolay fihaonana no nasiana an’ilay Vata, fony ny Israelita tany an-tany efitra. (Eksodosy 26:33) Napetraka tao amin’ny Masina Indrindra amin’ny tempolin’i Solomona izy io, tatỳ aoriana.—1 Mpanjaka 6:19.

Ao amin’ny 2 Tantara 35:3 no iresahana farany an’ilay Vata, rehefa naverin’i Josia Mpanjaka tao amin’ny tempoly izy io, tamin’ny 642 Talohan’i Kristy (T.K.). Mety ho i Manase mpivadi-pinoana, izay mpanjaka nodimbiasan’i Josia no nanala an’ilay Vata tao amin’ny tempoly, ary nanolo izany tamin’ny sampy. Na angamba koa i Josia no namindra izany rehefa nohavaozina ny tempoly. (2 Tantara 33:1, 2, 7; 34:1, 8-11) Tsy hay izay niafaran’ilay Vata tatỳ aoriana. Tsy anisan’ireo zavatra nentin’ny Babylonianina avy tao amin’ny tempoly mantsy izy io, rehefa noravany i Jerosalema tamin’ny 607 T.K.—2 Mpanjaka 25:13-17.

Tsy lazain’ny Soratra Masina raha naverina tao amin’ny Masina Indrindra amin’ny tempoly naorin’i Zerobabela ilay Vata na tsia. Toa tsy nosoloana koa izy io.—Ezra 1:7-11.

Iza avy ireo antsoina hoe Jakoba ao amin’ny Soratra Grika Kristianina?

Maromaro izy ireo, ary mora mifangaro. Imbetsaka ny Baiboly no manonona ny hoe “Abrahama sy Isaka ary Jakoba.” Miresaka momba an’i Jakoba “niteraka an’i Josefa vadin’i Maria” ny Matio 1:16. Eo koa ny rain’ny apostoly Jodasy (tsy Iskariota). Izay ihany no resahin’ny Baiboly momba an’io Jakoba io.—Lioka 6:16; Asan’ny Apostoly 1:13.

Ny Jakoba hafa dia ilay zanak’i Zebedio. Rahalahin’i Jaona izy io, ary samy apostolin’i Jesosy izy mirahalahy. (Matio 10:2) Toa i Salome, rahavavin-drenin’i Jesosy, no renin’i Jakoba. (Ampitahao amin’ny Matio 27:55, 56; Marka 15:40, 41; Jaona 19:25) Raha izany àry, dia zanak’olo-mpiray tam-po tamin’i Jesosy izy. Mpanjono izy sy ny rahalahiny, ary niara-niasa tamin’i Petera sy Andrea.—Marka 1:16-19; Lioka 5:7-10.

Ny zanak’i Alfeo no Jakoba hafa, izay apostolin’i Jesosy koa. (Marka 3:16-18) Nantsoina hoe “Jakoba kely” izy ao amin’ny Marka 15:40. Nantsoina hoe “kely” izy, satria mety ho kely vatana kokoa na tanora kokoa noho ilay Jakoba zanak’i Zebedio.

Ny farany dia ilay Jakoba zanak’i Josefa sy Maria. Rahalahin’i Jesosy sy Joda izy io. (Marka 6:3; Galatianina 1:19) Mbola tsy anisan’ny mpianatra izy, nandritra ny fanompoan’i Jesosy. (Matio 12:46-50; Jaona 7:5) Talohan’ny Pentekosta taona 33 anefa, dia niara-nivavaka tamin’ny reniny sy ny rahalahiny ary ny apostoly izy, tao amin’ny efitrano ambony rihana tao Jerosalema. (Asan’ny Apostoly 1:13, 14) Nitana andraikitra lehibe teo anivon’ny fiangonan’i Jerosalema izy tatỳ aoriana, ary nanoratra ilay boky mitondra ny anarany ao amin’ny Baiboly.—Asan’ny Apostoly 12:17; Jakoba 1:1.