Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Harena Omen’Andriamanitra

Harena Omen’Andriamanitra

Harena Omen’Andriamanitra

HANOME harena anao ve Andriamanitra, raha mazoto manompo azy ianao? Mety homeny tokoa ianao, saingy tsy ilay harena eritreretinao. Diniho ny tantaran’i Maria, renin’i Jesosy. Niseho taminy ny anjely Gabriela, ary nilaza fa tena “nankasitrahan’Andriamanitra” izy, ary izy no hiteraka an’i Jesosy. (Lioka 1:28, 30-32) Nahantra anefa i Maria. “Domohina roa na zana-boromailala roa” no nataony fanatitra tamin’izy avy niteraka an’i Jesosy, satria izany no takatry ny mahantra.—Lioka 2:24; Levitikosy 12:8.

Tsy notahin’Andriamanitra ve i Maria matoa nahantra? Tsia. Hoy i Elizabeta havany: “Tahin’Andriamanitra ianao amin’ny vehivavy rehetra, ary tahina ilay hateraky ny kibonao!” Feno fanahy masina i Elizabeta, tamin’izy niteny an’io. (Lioka 1:41, 42) Notahin’Andriamanitra tokoa i Maria, ka lasa renin’ilay Zanaka malalany.

Nahantra koa i Jesosy. Tanàna nahantra no nahaterahany, ary nahantra ny ray aman-dreniny. Mbola nahantra izy, na dia rehefa lehibe aza. Hoy izy tamin’ny olona iray te ho mpianany: “Ny amboadia manan-davaka hisitrihana, ary ny voro-manidina manam-pialofana, fa ny Zanak’olona kosa tsy mba manana izay hametrahany ny lohany.” (Lioka 9:57, 58) Na izany aza, dia nampanan-karena ny mpianany izy teto an-tany. Hoy ny apostoly Paoly: ‘Tonga nahantra izy noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny fahantrany.’ (2 Korintianina 8:9) Inona io harena nomeny ny mpianany io? Mbola afaka mahazo azy io ve isika?

Inona ilay harena?

Mazàna no mahatonga ny olona tsy hino an’Andriamanitra ny vola aman-karena. Mety hihevitra mantsy izy fa mahavonjy azy ny vola be ananany. Hoy i Jesosy: “Ho sarotra tokoa ny hidiran’ny mpanam-bola ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra!” (Marka 10:23) Tsy vola àry ilay harena nomen’i Jesosy ny mpianany.

Tsy dia nanam-bola ny ankamaroan’ny Kristianina voalohany. Hoy mantsy i Petera, rehefa nisy lehilahy nalemy nangata-bola taminy: “Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako kosa no omeko anao: Amin’ny anaran’i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mandehana!”—Asan’ny Apostoly 3:6.

Hita avy amin’ny tenin’i Jakoba koa fa nahantra ny ankamaroan’ny Kristianina voalohany. Hoy izy: “Henoy izao, ry rahalahy malala: Tsy ny mahantra eo amin’izao tontolo izao ve no nofidin’Andriamanitra hanan-karena amin’ny finoana, sy ho mpandova ilay fanjakana nampanantenainy an’ireo tia azy?” (Jakoba 2:5) Nilaza koa ny apostoly Paoly fa tsy maro ny “hendry araka ny nofo” na ny “mahery” na ny “avo razana” nantsoina ho anisan’ny fiangonana.—1 Korintianina 1:26.

Raha tsy vola àry ilay harena nomen’i Jesosy, inona izy io? Hoy izy tamin’ny fiangonan’i Smyrna: “Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao, nefa manankarena ianao.” (Apokalypsy 2:8, 9) Nanana harena sarobidy lavitra noho ny volafotsy sy volamena àry ny Kristianina tany Smyrna, na dia nahantra aza. Nanam-pinoana sy tsy nivadika tamin’Andriamanitra izy ireo, ka azo lazaina hoe nanan-karena. Sarobidy ny finoana satria vitsy mpanana. (2 Tesalonianina 3:2) Mahantra kosa no fahitan’Andriamanitra an’izay tsy manam-pinoana.—Apokalypsy 3:17, 18.

Manankarena satria manam-pinoana

Nahoana no sarobidy ny finoana? Satria izay mino an’Andriamanitra dia omeny ny “harenan’ny hatsaram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony.” (Romanina 2:4) Voavela koa ny helok’izy ireo, satria mino ny sorom-panavotan’i Jesosy izy. (Efesianina 1:7) Hanana ilay fahendrena azo avy amin’ny “tenin’i Kristy” koa izy ireo. (Kolosianina 3:16) Ary ho faly sy ho sambatra izy rehefa mivavaka, satria hiambina ny sainy sy ny fony ny “fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra.”—Filipianina 4:7.

Tsy izay ihany anefa. Afaka manantena hiaina mandrakizay izay maneho finoana an’Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany. Hoy i Jesosy: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Vao mainka ianao hatoky an’io fampanantenana sarobidy io, raha mahalala tsara an’Andriamanitra sy Jesosy Zanany. Hoy mantsy i Jesosy: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.”—Jaona 17:3.

Mihatsara koa anefa ny fiainan’ny olona manam-pinoana, na dia tsy manankarena aza izy. Diniho ny tantaran’i Dalídio, any Brezila. Mamo lava izy taloha, ka lasa tsy nifankahazo tamin’ny fianakaviany, sady tsy nanam-bola matetika. Niova be anefa izy, rehefa niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Tsy mamo lava intsony i Dalídio, rehefa nahalala izay voalazan’ny Baiboly. Lasa mpitory manontolo andro izy, ka hita fa nampihariny izay nianarany. Hoy izy: “Nitety bara aho taloha, fa mitety trano kosa izao.” Nihasalama sy nanam-bola kokoa i Dalídio. Hoy ihany izy: “Tsy mandany vola amin’ny toaka intsony aho. Anampiako ny sahirana sy ividianako izay ilaiko ny volako.” Nahazo namana tsara koa izy, satria lasa nifanerasera tamin’ny olona mankatò an’Andriamanitra. Miadan-tsaina sy sambatra izao i Dalídio, ary mihoatra lavitra noho izay noeritreretiny taloha izany!

Mahatsiaro ho sambatra tokoa ny olona miezaka ny hino an’i Jehovah Andriamanitra. Nahatsapa izany koa i Renato. Falifaly lava io lehilahy io, ka tsy mampino mihitsy hoe efa nampitondraina ny mangidy. Vao teraka izy, dia nataon-dreniny tao anaty harona, ary navelany tao ambany dabilio teny an-kalamanjana. Naradratra ny tenany sady mangana be, ary mbola tsy tapaka ny tadim-poitrany. Nisy vehivavy roa nandalo, ary nahita an’ilay harona nihetsiketsika. Nihevitra ry zareo fa saka kely no tao anatin’ilay izy. Hay zaza menavava no tao! Nentin’izy ireo haingana tany amin’ny hopitaly àry ilay izy.

Vavolombelon’i Jehovah ny iray tamin’izy roa vavy. Notantarainy tamin’i Rita, Vavolombelona hafa iray, ny momba an’ilay zaza. Efa afa-jaza imbetsaka i Rita, ary vavitokana no mba zanany. Tena te hanan-janaka lahy izy, ka natsangany i Renato.

Mbola kely i Renato, dia efa nilazan’i Rita fa tsy tena zanany. Nokarakarainy sy nanehoany fitiavana anefa i Renato, ary nampianariny Baiboly. Nanjary tian’i Renato izay nianarany, rehefa nihalehibe izy. Faly be koa izy, satria velona ihany na dia efa saika maty aza. Manganohano foana ny masony isaky ny mamaky ny tenin’i Davida mpanao salamo hoe: “Na mandao ahy aza ny raiko sy ny reniko, dia handray ahy kosa i Jehovah.”—Salamo 27:10.

Te hankasitraka ny zava-drehetra nataon’i Jehovah taminy izy, ka natao batisa tamin’ny 2002, ary lasa mpitory manontolo andro, herintaona taorian’izay. Mbola tsy fantany hatramin’izao izay tena ray aman-dreniny, ary angamba tsy ho fantany mihitsy. Nahatsapa anefa izy fa nahazo Ray be fitiavana sy tsara fanahy, satria nahalala sy nino an’i Jehovah. Anisan’ny fanomezana sarobidy indrindra taminy izany.

Tianao koa ve ny hifandray akaiky amin’io Andriamanitra be fitiavana io? Tena ho sambatra ianao, raha manao izany. Afaka mifandray amin’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany ianao, na mahantra na manankarena. Mety tsy ho lasa mpanankarena ianao, nefa hiadan-tsaina sy ho sambatra. Tsy voavidim-bola izany! Tena marina ny voalazan’ny Ohabolana 10:22 hoe: “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena ary tsy ampiany fahoriana izany.”

Tena tian’i Jehovah Andriamanitra ny olona manatona azy. Hoy izy: “Raha mitandrina ny didiko tokoa mantsy ianao, dia ho toy ny renirano ny fiadananao ary ho toy ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao!” (Isaia 48:18) Mampanantena koa izy fa homeny valisoa be dia be izay manatona azy amin’ny fo. Hoy ny Baiboly: “Ny vokatry ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an’i Jehovah dia harena sy voninahitra ary fiainana.”—Ohabolana 22:4.

[Teny notsongaina, pejy 6]

Hiadan-tsaina sy ho faly ary ho sambatra izay mino an’Andriamanitra

[Sary, pejy 5]

Nomen’Andriamanitra fitahiana maro ny fianakavian’i Jesosy, na dia nahantra aza