Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Farihy Misy Harena Sarobidy

Ilay Farihy Misy Harena Sarobidy

Ilay Farihy Misy Harena Sarobidy

FIRENENA kely i Nikaragoà, nefa any no misy ny farihy lehibe indrindra any Amerika Afovoany. Antsoina hoe Farihin’i Nikaragoà izy io. Mahagaga fa misy trondron-dranomasina toy ny antsantsa, trondro mivava-tsofa ary bekapoka ao. Izy io angamba no hany ranomamy misy trondro toy izany. Mino ny mpahay siansa fa helodranomasina nifandray tamin’ny Ranomasina Pasifika izy io taloha, saingy lasa nitokana noho ny fipoahan’ny volkano. Tsy dia masira intsony ilay rano, ary lasa zatra niaina tamin’izany ireo trondro.

Tokotokony ho 30 metatra ambonin’ny ranomasina ilay farihy. Mirefy 160 kilaometatra eo ho eo ny lavany, ary 70 kilaometatra eo ho eo ny sakany. Misy nosy 400 mahery eo amin’izy io. Antsoina hoe nosikelin’i Granada ny 300 eo ho eo amin’ireo, satria mitangorona manodidina ny Saikinosy Asese, akaikin’i Granada, tanàna avaratr’ilay farihy.

Ny Nosy Ometepe, eo afovoan’ilay farihy, no lehibe indrindra amin’ireo nosy 400 ireo. Mirefy 25 kilaometatra eo ho eo ny lavany, ary 13 kilaometatra eo ho eo ny sakany. Tendrombohitra volkano roa mifampitohy izy io. Volkano mbola mangotraka ny iray izay antsoina hoe Concepción. Io no misongadina indrindra any amin’ny faritra avaratr’ilay nosy. Mahatratra 1610 metatra ny haavony, ary miavaka izy io satria mitovy tsara ny fitsatony avy any ankavia sy ankavanana. Madera kosa no iantsoana an’ilay volkano faharoa, izay mety mbola hipoaka. Mirefy 1394 metatra ny haavony, ary feno zavamaniry izy io. Misy farihy kely rakotra zavona koa ny vavan’ilay volkano.

Manintona ny mpizaha tany ny Farihin’i Nikaragoà. Tonga any izy ireo mba hijery ny hakanton’ny zavaboary sy ireo sisan-javatra hitan’ny mpikaroka, momba ny mponina tany fahiny. Misy harena sarobidy hafa koa anefa any.

Tanàna eo ambony rano

Be biby sy zavamaniry fahita amin’ny tany mafana ireo nosikelin’i Granada. Misy voninkazo hafakely mamelana any anatin’ireo ala mikitroka mandrakotra ny ankamaroan’ireo nosy. Fahita eny amoron-drano koa ny vorona tsara tarehy toy ny vadimboay, vano kely mangamanga, vanofotsy, ary hitsikitsika mpihinan-trondro. Misy vorona lehibe mivolon-tsôkôlà koa any. Ahetsiketsiky ny rivotra malefaka avy amin’ilay farihy ny akanin’izy ireo, izay mihantona eny amin’ireo hazo be any an-tsisin’ireo ala.

Misy mponina ny nosikely sasany. Ahitana tranona mpanjono any, trano fanaovan’ny mpanankarena fialan-tsasatra, hotely, bara, sekoly, ary fasana. Toy ny tanàna eo ambony rano no fahitana an’ilay vondronosy.

Misy sambokely iray miloko manga sy fotsy mitety an’ireo nosy isa-maraina mba hanatitra mpianatra. Misy tsena mitsingevana ambony rano koa mivezivezy eny: Lakana iray mpivarotra voankazo sy legioma izy io. Ankoatra izany, dia ahitana lehilahy manarato sy vehivavy manasa lamba eo amin’ilay farihy isan’andro.

Miasa mafy koa ny Vavolombelon’i Jehovah any. Mandeha sambo izy ireo mitsidika ny olona mba hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 24:14) Nisy olana anefa. Sarotra ny nitady toerana azo ivoriana hianarana Baiboly, mba hankatoavana ilay didy hoe tsy tokony ‘hahafoy ny fiaraha-mivory’ ny Kristianina. (Hebreo 10:25) Nahita hevitra tsara anefa izy ireo tamin’ny farany: Hatao mitsingevana eny ambony rano ny trano fivorian’izy ireo, izay antsoina hoe Efitrano Fanjakana. Io no Efitrano Fanjakana voalohany mitsingevana tany Nikaragoà.

Trano mitsingevana fanaovana fivoriana

Nisy mpivady Vavolombelon’i Jehovah nifindra tany amin’ireo nosikelin’i Granada, tamin’ny Novambra 2005. Mpitory manontolo andro izy ireo. Nanasa olona hanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy fanao isan-taona izy ireo, volana vitsivitsy taorian’izay. Gaga sady faly izy ireo satria 76 ny mpanatrika. Hitan’izy mivady àry fa ilaina ny manao fivoriana kristianina tsy tapaka. Sarotra anefa ny nahita toerana mety tsara hanaovana izany, ka nieritreritra izy ireo hoe: ‘Nahoana moa raha manorina trano mitsingevana eny ambony rano, azo tarihina any amin’izay toerana mety amin’ny olona?’

Mbola tsy nanao zavatra toy izany mihitsy izy mivady, nefa vonona hanandrana. Nisy enina mianadahy nanampy azy, ka vita tao anatin’ny iray volana ilay tetikasa. Tsotra kely ny nanaovana ilay trano: Fantsona vy natambatambatra ny sisiny. Nasiana barìka 12 nofenoina rivotra ao ambaniny mba hampitsingevana azy, ary nasiana fantsona vy manodidina an’ireo barìka mba hikambanany tsara. Labasy ny tafo ary hazo fisaka ny gorodona. Tsy azon’izy ireo antoka hoe hitsingevana ilay trano, ka nivavaka momba izany izy ireo isan’alina. Nitsingevana tokoa anefa ilay izy!

Fivoriana ho An’ny Besinimaro no natao voalohany tao, tamin’ny 10 Jona 2006. Notarihina nankany amin’ny faritra ilany amin’ireo nosikely izy io ny ampitson’iny, mba hanaovana fivoriana toa an’iny ihany. Lavitra ny olona sasany no mipetraka, nefa nahatratra 48 ny mpanatrika tamin’ireo fivoriana roa ireo. Nisy nandeha an-tongotra adiny roa teo ho eo namakivaky ala. Faly anefa ny rehetra fa manana toeram-pivavahana!

Heno matetika mandritra ny lahateny ara-baiboly ny rano mitopatopa midona moramora amin’ny vato, sy ny gidro mikiakiaka any ho any. Izany mantsy no fandre any amin’ireo nosikely! Lasa zatra nahita an’ilay trano ny mponina tatỳ aoriana, ka nanofahofa tanana niarahaba rehefa nahita azy io notarihina. Maherin’ny 20 isan-kerinandro ny olona tonga mivory mba hianatra Baiboly sy hiaraka amin’ny Kristianina namany. Harena sarobidy tokoa io trano mitsingevana io!

Ny Nosy Ometepe

Any amin’ny 50 kilaometatra atsimon’i Granada no misy azy io. Tian’ny olona ny mipetraka any hatramin’izay, satria lonaka ny tany sady kanto ny zavaboary. Tany no toerana nisy namboly voalohany tany Nikaragoà. Misy mponina 42000 eo ho eo izao any Ometepe. Mivelona amin’ny fanjonoana sy fambolena izy ireo, anisan’izany ny fambolena katsaka sy akondro ary kafe. Mahafinaritra erỳ ny biby any: Misy andiam-boloky mikiakiaka any, voromahery lehibe manidintsidina mitety hazo mampidera ny volony manga sy fotsy, ary karazana rajako kely be mpitia. Fotsy ny lohan’io rajako io, ary mainty ny volo eo an-tampon-dohany, ka toy ny hoe misatroka izy.

Mandre ny vaovao tsara koa ny mponina any. Valo ny Vavolombelon’i Jehovah tany tamin’ny 1966. Lasa 183 izy ireo izao eo anivon’ny fiangonana efatra mandroso tsara. Samy manana Efitrano Fanjakana amin’ny toerana mety tsara izy ireo. Misy Vavolombelona 1 isaky ny olona 230 izao any.

Niatrika zava-tsarotra ny Vavolombelona tany Ometepe taloha. Nodoran’ny mpanohitra, ohatra, ny Efitrano Fanjakana tany Mérida tamin’ny 1980. Nanorina trano hafa izy ireo tamin’ny 1984. Io no nampiasaina hatramin’ny 2003. Nahavita Efitrano Fanjakana tsara tarehy izy ireo tamin’io taona io, ka faly erỳ ireo mpitory 60 tao.

Manana Efitrano Fanjakana koa ny any Moyogalpa. Any no mamonjy fivoriambe ny Vavolombelona rehetra any amin’ireo nosikely manerana ny Farihin’i Nikaragoà. Eo ivelan’ilay efitrano izy io no atao. Natao mihoatra kely ny tafo any aorian’ilay trano, ary misy lampihazo iray eo ambaniny fanaovana fivoriambe. Fenoina seza eo anoloan’izy io, ary labasy no atao tafo. Tsy mitady dobo hanaovana batisa an’ireo olona lasa mpianatr’i Jesosy Kristy izy ireo, fa ao amin’ilay farihy dia efa mety.—Matio 28:19.

Ho voaro ve ny Farihin’i Nikaragoà?

Toa tsy ho simba mihitsy io farihy io, rehefa jerena ny habeny. Mila arovana anefa izy io ankehitriny. Mandoto azy io ny loto arian’ny mpamboly sy ny mpiompy ary ny orinasa, sy ny antsanga entin’ny riaka vokatry ny fandripahana ala.

Ho hita eo ihany raha hanatsara zavatra ny ezaka ataon’ny fitondrana sy ny mponina any. Na ahoana na ahoana anefa, dia hataon’ilay Mpamorona izay hiarovana ny harena sarobidy rehetra eto an-tany, anisan’izany ireo farihy madio mangalahala, ireo nosy tsara tarehy, ary ireo biby mahavariana. Ho lovan’ireo olona mankatò azy izy ireny, satria milaza ny Baiboly fa ‘handova ny tany ny olo-marina, ka honina eo mandrakizay.’—Salamo 37:29.

[Sary, pejy 26]

Trano mitsingevana fanaovana fivoriana kristianina