Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Mitsara Araka ny Marina Foana

Ilay Mitsara Araka ny Marina Foana

Manatòna An’Andriamanitra

Ilay Mitsara Araka ny Marina Foana

Nomery 20:2-13

METY hiangatra na hasiaka loatra ny mpitsara olombelona. Tsy mba toy izany anefa i Jehovah Andriamanitra, izay “tia rariny.” (Salamo 37:28) Manam-paharetana izy, nefa tsy milefitra loatra. Mitsara araka ny marina foana izy. Mariho izay nataony rehefa nila ady sy nikomy ny Israelita, araka ny voarakitra ao amin’ny Nomery toko faha-20.

Efa hifarana ny dian’ny Israelita tany an-tany efitra, ary tsy nisy rano hosotroin’izy ireo intsony. * Nanomboka nila ady tamin’i Mosesy sy Arona izy ireo hoe: “Nahoana ianareo no nitondra ny fiangonan’i Jehovah ho atỳ amin’ity tany efitra ity, mba hahafaty anay sy ny biby mpitondra entana?” (Andininy 4) Nitaraina izy ireo fa “toerana ratsy” ny tany efitra. Tsy nisy “aviavy” sy “voaloboka” ary “ampongabendanitra”, hono, tany. Ireo mantsy no voankazo nentin’ny mpisafo tany avy any amin’ny Tany Nampanantenaina, taona maro talohan’izay. Nilaza koa izy ireo fa ‘tsy nisy rano hosotroina.’ (Andininy 5; Nomery 13:23) Nanome tsiny an’i Mosesy sy Arona izy ireo. Tsy mba namokatra toa an’ilay tany nolavin’ireo mpimenomenona talohany mantsy, hono, ilay tany efitra!

Tsy nanasazy azy ireo i Jehovah. Nasainy nanao zavatra telo kosa i Mosesy: Haka ny tehiny, hamory ny vahoaka, ary ‘hiteny ny vatolampy, eo imason’ny vahoaka, mba hiboiboika rano.’ (Andininy 8) Narahin’i Mosesy ny roa voalohany tamin’ireo, saingy tsy nankatoaviny ilay fahatelo. Tsy niteny an’ilay vatolampy tamin’ny anaran’i Jehovah izy, fa niteny mafy an’ilay vahoaka kosa hoe: “Mihainoa, ry mpikomy! Tsy maintsy mamoaka rano ho anareo avy amin’ity vatolampy ity angaha izahay?” (Andininy 10; Salamo 106:32, 33) Nokapohiny indroa ilay vatolampy avy eo, ary “nisy rano be niboiboika.”—Andininy 11.

Nanao fahotana lehibe àry i Mosesy sy Arona. Hoy Andriamanitra: ‘Nikomy tsy nanaraka ny didiko ianareo roa lahy.’ (Nomery 20:24) Nilaza i Mosesy sy Arona fa mpikomy ilay vahoaka, nefa izy ireo no lasa mpikomy rehefa tsy nankatò an’Andriamanitra. Nazava ny didim-pitsaran’Andriamanitra: Tsy hitarika ny Israely ho ao amin’ny Tany Nampanantenaina i Mosesy sy Arona. Hentitra loatra ve izany? Tsia, noho ny antony maro.

Voalohany, tsy nilaza Andriamanitra hoe tokony hiresaka tamin’ilay vahoaka i Mosesy, ka hitsara azy ireo ho mpikomy. Faharoa, tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra i Mosesy sy Arona. Hoy Andriamanitra: ‘Tsy nanamasina ahy ianareo.’ (Andininy 12) Rehefa nilaza i Mosesy hoe: ‘Hamoaka rano izahay’, dia toy ny hoe izy sy Arona no nanome ilay rano tamin’ny fomba mahagaga, fa tsy Andriamanitra. Fahatelo, nifanaraka tamin’ny didim-pitsaran’i Jehovah teo aloha ilay sazy. Tsy navelan’Andriamanitra hiditra ny tany Kanana ilay taranaka mpikomy talohany, ary izany koa no nataony tamin’i Mosesy sy Arona. (Nomery 14:22, 23) Fahefatra, i Mosesy sy Arona no mpitarika ny Israely. Ampamoahin’Andriamanitra bebe kokoa ireo mitana andraikitra lehibe.—Lioka 12:48.

Mitsara araka ny marina foana àry i Jehovah. Tia rariny izy, ka tsy mba miangatra. Tena mendrika ny hitokisantsika sy hohajaintsika ny mpitsara toy izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Rehefa niala avy tany Ejipta ny Israelita, dia niomana hiditra an’i Kanana, ilay tany nampanantenain’Andriamanitra an’i Abrahama. Nimenomenona tamin’i Mosesy anefa ny vahoaka, rehefa nanao tatitra ratsy ireo mpisafo tany folo. Namoaka didy àry i Jehovah hoe tsy maintsy mijanona 40 taona any an-tany efitra izy ireo, mandra-pahafatin’ireo mpikomy.