Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Dikan’ny hoe Iray Ihany i Jesosy sy ny Rainy?

Inona no Dikan’ny hoe Iray Ihany i Jesosy sy ny Rainy?

Manontany ny Mpamaky

Inona no Dikan’ny hoe Iray Ihany i Jesosy sy ny Rainy?

Hoy i Jesosy: “Izaho sy ny Ray dia iray ihany.” (Jaona 10:30) Misy mampiasa an’io andinin-teny io mba hanaporofoana fa anisan’ny Andriamanitra telo izay iray i Jesosy sy ny Rainy. Izany tokoa ve no tian’i Jesosy holazaina eo?

Andeha hojerentsika ny andinin-teny manodidina. Milaza i Jesosy eo amin’ny andininy faha-25 fa manao zavatra amin’ny anaran’ny Rainy izy. Miresaka momba ny ondry an’ohatra, izay nomen’ny Rainy azy, izy eo amin’ny andininy faha-27 ka hatramin’ny 29. Tsy hisy dikany ireo teniny ireo raha olona iray ihany izy sy ny Rainy. Izao kosa no tiany holazaina, raha ny marina: ‘Tena miray saina izaho sy ny Raiko, ka tsy misy mahavita maka ny ondry etỳ amiko, satria tsy hisy hahavita haka an’izany eny aminy.’ Hoatran’ny zazalahy iray miteny amin’ny fahavalon-drainy toy izao izany: ‘Raha miady amin’ny raiko ianareo dia miady amiko koa.’ Tsy hisy hilaza mihitsy hoe olona iray ihany izy mianaka. Hita kosa fa tena miray saina be izy ireo.

Azo lazaina hoe “iray” koa i Jesosy sy Jehovah Andriamanitra Rainy, satria mitovy tanteraka ny zavatra tiany hatao sy ny fitsipika arahiny. Tsy toa an’i Satana Devoly na i Adama sy Eva, ilay mpivady voalohany, i Jesosy fa naniry hiantehitra amin’Andriamanitra foana. Hoy i Jesosy: “Ny Zanaka tsy manao na inona na inona araka ny nahim-pony, fa izay hitany ataon’ny Ray ihany no ataony. Fa izay rehetra ataon’ny Ray dia izany koa no ataon’ny Zanaka, sady ataony toy ny anaovan’ny Ray azy.”—Jaona 5:19; 14:10; 17:8.

Marina fa miray saina be Andriamanitra sy Jesosy Zanany. Tsy midika anefa izany hoe tsy misy anavahana azy ireo mihitsy. Olona roa samy hafa izy ireo ary samy manana ny maha izy azy. Manana ny fihetseham-pony, ny eritreriny, ny safidiny, ary ny zavatra niainany manokana i Jesosy. Nifidy ny hanao ny sitrapon’ny Rainy anefa izy. Nilaza toy izao izy ao amin’ny Lioka 22:42: “Aoka tsy ny sitrapoko no atao, fa ny anao.” Tsy hisy dikany io teniny io raha mitovy amin’ny azy ihany ny sitrapon-dRainy. Raha olona iray ihany i Jesosy sy ny Rainy, nahoana i Jesosy no mbola nivavaka tamin’Andriamanitra, sy nanetry tena ka niaiky hoe nisy zavatra tsy fantany nefa fantatry ny Rainy?—Matio 24:36.

Aseho ho toy ny mifamaly sy miady amin’ny fianakaviany ny andriamanitry ny fivavahana maro. Milaza, ohatra, ny angano grika fa nohanin’i Cronos ny zanany ary naongany i Uranus rainy. Mifanohitra tanteraka amin’izany anefa i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Zanany. Mifankatia tokoa izy ireo ka miray saina. Mahatonga antsika ho tena tia azy ireo izany. Voninahitra ho antsika tokoa ny hoe tafaray amin’ireo Olona roa avo indrindra eo amin’izao rehetra izao. Izao no nangatahin’i Jesosy tamim-bavaka ho an’ny mpanara-dia azy: “Mba ho iray izy rehetra, tahaka anao Ray izay tafaray amiko, ary izaho tafaray aminao, mba ho tafaray amintsika koa izy ireo.”—Jaona 17:20, 21.

Tsy niresaka momba ny Andriamanitra telo izay iray saro-pantarina àry i Jesosy rehefa niteny hoe “izaho sy ny Ray dia iray ihany.” Te hilaza kosa izy fa miray saina tokoa izy mianaka, ary tsy misy olona miray saina hoatr’izany mihitsy.