Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahantra Nefa Sambatra sy Be Fanantenana

Mahantra Nefa Sambatra sy Be Fanantenana

Taratasy avy any Bolivia

Mahantra Nefa Sambatra sy Be Fanantenana

MISIONERA atỳ amin’ny tany an-dalam-pandrosoana aho. Mbola tsy zakako foana anefa ny mahita olona mahantra sy mamoy fo. Tiako ho afaka avy hatrany amin’ny fahoriany izy ireny. Fantatro anefa fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hahavita izany. Na izany aza, dia imbetsaka aho no nahita olona mahantra nefa sambatra noho izy mankatò ny Tenin’Andriamanitra. Iray amin’izany i Sabina.

Nandao an’i Sabina ny vadiny, taona maro lasa izay, mba hitady asa tsara karama any an-tany hafa. Nitazana azy niditra ny bisy iray tranainy be i Sabina tamin’izay, niaraka tamin’ny zanany roa vavikely, dia i Milena sy Ghelian. Tsy niverina intsony anefa ilay rangahy. Niady irery tamin’ny fiainana i Sabina nanomboka teo mba hamelomana ny zanany.

Teo am-pivarotan’ny rahavaviny no nahitako an’i Sabina voalohany. Somokotra nikarakara an’ireo mpividy izy tamin’izay. Hitako tamin’ny masony hoe reraka izy noho ny asa mafy nandritra ny andro. Nasaiko hianatra Baiboly izy sy ireo zanany vavy. “Tena tiako izany”, hoy izy, “saingy tsy afaka aho fa be atao. Tiako anefa raha ampianarinao ny zanako.” Arakaraka ny nampianarako an’ireo ankizy no nahafantarako an’i Sabina sy ny zava-tsarotra atrehiny.

Amin’ny efatra maraina i Sabina no mifoha, fa ny zanany kosa mbola matory. Mandrehitra afo izy ary mahandro ny hena hanamboarany empanadas (karazana sambosa), ao amin’ilay efitra tokana ipetrahan’izy ireo. Ny patin’ilay izy kosa efa omaniny ny alina. Mivarotra empanadas mantsy no fiveloman-dry zareo.

Rehefa vitany ny fikarakarana, dia ataony ao anaty sarety iray nindraminy ny entana rehetra: Elo, fatana, solika, latabatra, seza, vilany, menaka, hena, ary paty. Mitondra ranom-boankazo namboariny koa izy hamidiny.

Manainga izy telo mianaka amin’ny enina maraina. Hidiny kadanà ny trano. Tsy misy fihetseham-po hita eo amin’ny endrik’izy ireo. Tsy misy miteny izy ireo na mihomehy. Mifantoka be amin’ilay asa miandry azy mantsy izy ireo. Mahita olona maro toa azy telo mianaka aho isa-maraina, avy eo amin’ny varavarankelin’ny tranon’ny misionera ipetrahanay. Maro be ny vehivavy any Bolivia mandao ny tranony vao mangiran-dratsy, mba hivarotra hani-masaka eny amoron-dalana, toa an’i Sabina.

Tonga eny am-pivarotana izy telo mianaka amin’ny enina sy sasany. Efa miposaka erỳ ambadiky ny tendrombohitra ny masoandro amin’izay. Tsy misy miteny izy ireo fa tonga dia mampidina ny entana avy ao anaty sarety, ary mandahatra izany amin’ny toerany. Arotsak’i Sabina ao anaty menaka mahamay ny empanada, ary mitsetsatsetsa erỳ. Manentohento ny fofony mampitelin-drora, ka misarika an’ireo mpividy.

“Hatao firy?”, hoy i Sabina amin’ilay rangahy mbola jembijembin’ny torimaso. Tsy mijery an’i Sabina akory izy, fa asehony amin’ny rantsantanany fotsiny hoe roa no ilainy. Natolotr’i Sabina azy àry ireo empanadas mendy tsara sy mbola mahamay. Noraisiny avy eo ny vola kely vidin’izy ireo. Izany foana no miverimberina mandritra ny andro. Rehefa lafo ny entana rehetra dia mangoron’entana izy telo mianaka ary mandeha mody. Hamonjy ny asany faharoa any am-pivarotan’ny rahavaviny indray izao i Sabina, na dia efa torovana aza ny ranjony.

Tonga hampianatra voalohany an’ireo zanak’i Sabina tany am-pivarotan’ilay rahavaviny aho. Efa vonona teo an-joron-trano ny dabilio roa tamin’izay. Hatramin’ny voalohany dia efa tsy andrin’i Milena sy Ghelian ny hianaranay ary voaomany tsara foana ny lesona. Sivy sy fito taona izy roa vavy ary saro-kenatra. Lasa tia miresaka anefa izy ireo rehefa nandeha ny fotoana, ary nanjary mpinamana izahay. Nanohina ny fon’i Sabina izany, ka nanapa-kevitra ny hianatra Baiboly koa izy na dia be atao aza.

Lasa tia an’i Jehovah Andriamanitra i Sabina rehefa nitombo ny fahalalany. Tamin’izay izy vao nahatsapa fahasambarana teo amin’ny fiainany! Tsy ilay mpivarotra rera-dava sy malahelohelo iny intsony izao no fahitana azy. Miramirana ny endriny, ary tsy mitanondrika intsony izy. Hoy ilay rahavaviny: “Tsy toy ny taloha intsony i Sabina, fa lasa falifaly foana.” Nahatsikaritra izany koa ny hafa. Niova izy telo mianaka satria nahalala ny marina momba an’Andriamanitra sy ny fikasany.

Nahafinaritra an’i Sabina ny nianatra Baiboly. Sahirana lava anefa izy, ka tsy afaka nanatrika fivoriana kristianina. Nanaiky hitsidika ny Efitrano Fanjakana ihany izy tatỳ aoriana, ary nivory tsy tapaka nanomboka teo. Nahita namana tsara izy teo anivon’ny fiangonana. Tsapany koa fa tena manome izay ilain’ireo tia azy sy mahafoy zavatra mba hanompoana azy i Jehovah.—Lioka 12:22-24; 1 Timoty 6:8.

Tian’i Sabina ny zavatra nianarany, ka naniry hizara izany tamin’ny hafa izy. Hoy anefa izy: “Mangovitra aho raha vao mieritreritra fotsiny hoe hitory.” Nihevitra izy hoe: ‘Ahoana moa no ahafahako mampianatra olona, nefa izaho aza tsy nahita fianarana sady saro-kenatra?’ Voatosika hanao izany anefa i Sabina noho ny hatsaram-panahy naseho taminy sy ny fahitany fa nihatsara ny fiainany. Takany koa fa tokony ho ohatra tsara ho an’ny zanany izy. Nanomboka nitory ny vaovao tsara àry izy, ary nanao izany koa ny zanany.

Tsy toa an’ireo vehivavy mahantra tsy mahita fifaliana amin’ny fiainana intsony izao i Sabina. Tsy niova be akory ny fari-piainany, fa ny fomba fijeriny ny fiainana kosa no niova. Efa vita batisa izy izao, ary mitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Io no hany vahaolana maharitra ho an’ny fahantrana sy ny famoizam-po fahita eto amin’ity tontolo ity.—Matio 6:10.

Amin’ny dimy maraina ny andro. Efa vonona hivoaka an’ilay efitra tokana ipetrahany i Sabina. Tsy handeha hivarotra anefa izy amin’ity indray mandeha ity, fa handeha hitory eny an-dalana miaraka amin’ny mpitory vitsivitsy. Mahafoy fotoana hanampiana ny hafa izy isan-kerinandro ary vao mainka mahasambatra azy izany. Mitsikitsiky erỳ izy mivoaka ny trano hamonjy ilay fotoana. Tsy manosika sarety izy fa mitondra poketra lehibe. Ao no asiany ny Baiboliny sy ireo boky aman-gazety, izay mitondra fanantenana ho an’ny olona. Nitsiky sy natoky tena erỳ i Sabina nilaza hoe: “Tsy noeritreretiko mihitsy hoe hahavita hiresaka amin’ny hafa momba ny Baiboly aho.” Hoy koa izy: “Tena tiako ilay izy!”