Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mampanantena Harena ve Andriamanitra?

Mampanantena Harena ve Andriamanitra?

Mampanantena Harena ve Andriamanitra?

‘Tian’Andriamanitra hanan-karena ianao, tiany hanana fiara maromaro, ary tiany handeha be ny asanao. Minoa azy fotsiny, ary aza mahihitra fa omeo azy daholo izay azonao omena.’

IZANY no averimberin’ny fivavahana sasany any Brezila. Maro no mino izany, na any an-tany hafa aza! Nanontaniana, ohatra, ny olona milaza ho Kristianina any Etazonia, ka izao no hita, araka ny gazety Fotoana (anglisy): “Mahatratra 61% no mino fa tian’Andriamanitra hanan-karena ny olona, ary 31% ... no mino fa ampitomboin’Andriamanitra ny volanao, raha manome vola azy ianao.” 

Mihabetsaka ny fivavahana mampianatra an’izany, indrindra fa any amin’ireo tany any Amerika Latinina, toa an’i Brezila. Mirohotra any amin’ireny fivavahana ireny àry ny olona. Mampanantena tokoa ve anefa Andriamanitra fa homeny harena izay manompo azy? Nanan-karena daholo ve ny mpanompony fahiny?

Voaresaka matetika ao amin’ny Soratra Hebreo tokoa aloha hoe nataon’Andriamanitra nanan-karena izay olona notahiny. Milaza, ohatra, ny Deoteronomia 8:18 hoe: “Tsarovy i Jehovah Andriamanitrao, satria izy no manome anao hery hahazoanao harena.” Nataon’Andriamanitra nanan-karena àry ny firenen’Israely, raha nankatò azy.

Ary ny mpanompony tsirairay? Nanan-karena be, ohatra, i Joba. Mbola nataon’i Jehovah “avo roa heny” aza ny fananany, rehefa avy naripak’i Satana. (Joba 1:3; 42:10) Nanan-karena koa i Abrahama. “Nanana biby fiompy sy volafotsy ary volamena be dia be” izy, araka ny Genesisy 13:2. Indray andro, dia voasambotry ny tafiky ny mpanjaka efatra avy any Atsinanana i Lota zana-drahalahiny. Nangonin’i Abrahama àry ny “olony voaofana, dia mpanompo valo ambin’ny folo sy telonjato izay teraka tao amin’ny ankohonany.” (Genesisy 14:14) Be dia be ny olona tao an-tranony, matoa ny lehilahy “voaofana” hiady fotsiny no 318. Vitan’i Abrahama anefa ny namelona azy rehetra. Tena nanan-karena àry izy, ary nanana biby fiompy betsaka.

Maro àry ny mpanompon’Andriamanitra nanan-karena, anisan’izany i Abrahama, Isaka, Jakoba, Davida, ary Solomona. Midika ve anefa izany hoe hataon’Andriamanitra manankarena daholo izay manompo azy? Ary raha mahantra ny olona iray, midika ve izany fa tsy tahin’Andriamanitra izy?