Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Vola ve no Tena Mahasambatra?

Ny Vola ve no Tena Mahasambatra?

Ny Vola ve no Tena Mahasambatra?

TERAKA tany Espaina i Sonia. Nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah niaraka tamin’ny reniny izy, tamin’ny mbola kely. Nifindra tany Londres, any Angletera, anefa izy rehefa lehibe, ary niara-niasa tamin’ny mpanam-bola.

Tian’i Sonia ny asany. Nahazo vola be izy sady nikirakira vola be. Tena nandeha be ny asany ka faly izy. Niasa adiny 18 isan’andro izy, ary adiny roa na telo fotsiny indraindray no natory. Ny asany ihany no zava-dehibe taminy. Tapaka lalan-dra anefa izy, ka niova tampoka ny fiainany. Noho izy niasa be loatra angamba no nahatonga izany. Vao 30 taona monja anefa izy.

Lasa nalemy ny ilany, ary nilaza ny dokotera fa mety tsy ho afaka hiteny intsony izy. Nankany Angletera haingana ny reniny mba hitsabo azy. Rehefa nanomboka nandeha indray i Sonia, dia hoy ny reniny: “Handeha hivory aho, ka tsy maintsy miaraka amiko ianao, satria tsy azoko ajanona irery.” Nanaiky i Sonia. Inona no vokany?

Hoy izy: “Hitako fa marina ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tena tiako ilay izy. Niarahaba ahy ny olona, na dia vao sambany aza aho no nanatrika ny fivorian’izy ireo. Nanasa ahy hiara-mianatra Baiboly aminy ny iray tamin’izy ireo, ary nanaiky aho. Tsy nitsidika ahy intsony ireo namako taloha, nefa nahazo namana be fitiavana aho.”

Nihanahay niteny indray i Sonia, ary nitombo haingana ny fahalalany ny Baiboly. Tsy ampy herintaona akory dia natao batisa izy. Maro tamin’ireo namany vaovao no mpitory manontolo andro. Hitany fa tena sambatra izy ireo. Hoy i Sonia anakampo: ‘Raha mba izaho mantsy no toa an-dry zareo! Te hanompo an’i Jehovah araka izay vitako aho!’ Lasa mpitory manontolo andro koa àry i Sonia.

Inona no nianarany avy tamin’izay nanjo azy? Hoy izy: “Marina aloha fa nahazo vola be aho. Nitebiteby sy tsy sambatra anefa aho, satria nampiady saina ahy ny asako. Tsapako tatỳ aoriana fa ny fifandraisana tsara amin’i Jehovah Raiko any an-danitra, no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana. Tena sambatra aho izao.”

Hoy ny apostoly Paoly: ‘Fitiavam-bola no anisan’ny fototr’izao karazan-javatra ratsy rehetra izao. Ary nikely aina ho amin’izany ny sasany, ka voavily niala tamin’ny finoana, sy nanindrona ny tenany tamin-javatra maro mampanaintaina.’ (1 Timoty 6:10) Hitan’i Sonia fa tena marina izany.