Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Tahin’Andriamanitra ve ny Olona Matoa Mahantra?

Tsy Tahin’Andriamanitra ve ny Olona Matoa Mahantra?

Tsy Tahin’Andriamanitra ve ny Olona Matoa Mahantra?

HOY Andriamanitra tamin’ny Israelita: ‘Tsy tokony hisy ho lasa mahantra eo aminao.’ Nandidy azy ireo mba hanampy ny mahantra mantsy i Jehovah, sady nanome fitsipika momba ny fanafoanana trosa. (Deoteronomia 15:1-4, 7-10) Nampanantena koa izy fa hitahy azy ireo, raha nankatò azy izy ireo. Nampalahelo anefa fa tsy nankatò izy ireo.

Tsy midika anefa izany hoe tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny olona matoa mahantra, na koa hoe tahiny ny olona matoa manankarena. Maro ny mpanompon’Andriamanitra nahantra, anisan’izany i Amosa. Mpiandry ondry izy. Mpanindrona aviavy koa izy, ka rehefa namoa ihany ny aviavy vao mba nisy asa. (Amosa 1:1; 7:14) I Elia mpaminany indray, voatery nipetraka tao amin’ny vehivavy mahantra iray maty vady, rehefa nisy mosary tany Israely. Nanao fahagagana Andriamanitra ka tsy lany ny lafarinina sy ny menaka kely nananan’io vehivavy tsara fanahy io. Tsy nataon’i Jehovah lasa mpanankarena anefa na i Elia na ilay vehivavy. Izay tena nilain’izy ireo fotsiny no nomeny.—1 Mpanjaka 17:8-16.

Mety ho ny zava-mitranga tsy ampoizina no mahatonga ny olona hahantra. Mety tsy ho afaka hiasa elaela na tsy ho afaka hiasa intsony, ohatra, ny olona iray tratran’ny loza na marary. Rehefa maty koa ny raim-pianakaviana, dia manjary sahirana ny vady aman-janany. Tsy hoe tsy ankasitrahan’Andriamanitra anefa izy ireo, matoa iharan’izany. Tena tia sy mikarakara ny mahantra kosa aza i Jehovah. Diniho, ohatra, ny tantaran’i Naomy sy Rota. Samy maty vady izy mianaka, ka lasa nahantra. Na izany aza, dia notahin’i Jehovah Andriamanitra izy ireo, ka nomeny ny zavatra tena nilainy.—Rota 1:1-6; 2:2-12; 4:13-17.

Diso àry ny hoe tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny olona matoa mahantra. Mahazo matoky ireo tsy mivadika amin’i Jehovah Andriamanitra fa ho tanteraka aminy ny tenin’i Davida Mpanjaka hoe: “Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra aho ankehitriny, nefa mbola tsy nahita olo-marina nafoy tanteraka, na nahita ny zanany nangataka hanina.”—Salamo 37:25.

[Sary, pejy 8]

Notahin’Andriamanitra sy nokarakarainy i Naomy sy Rota, na dia nahantra aza