Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Samy Hafa Momba ny Fanahy Masina

Hevitra Samy Hafa Momba ny Fanahy Masina

Hevitra Samy Hafa Momba ny Fanahy Masina

I NONA moa ny fanahy masina? Toa tsotra ilay fanontaniana nefa mety ho saro-baliana. Hoy ny Papa Benoît Faha-16, tamin’ny olona maro be tany Aostralia: “Toa tsy ho afaka hahalala tsara ny dikan’ilay teny hoe Fanahy isika.”

Samy manana ny heviny momba ny fanahy masina ny olona, sady tsy mahazo antoka ny tena dikan’izy io. Ireto misy famaritana fandre matetika:

• Olona tsy hita maso miaina ao anatin’ny mpianatr’i Kristy.

• Lalàn’Andriamanitra miasa eo amin’ny fiainan’ny olona.

• Porofon’ny fanatrehan’Andriamanitra eo amin’izao tontolo izao.

• Andriamanitra fahatelo ao amin’ny Trinite.

Nahoana ny olona no tsy mitovy hevitra? Satria nilaza ny teolojianina sasany tamin’ny taonjato fahefatra, fa andriamanitra ny fanahy masina ary mitovy amin’ny Ray. Tsy mampianatra an’izany anefa ny Soratra Masina sy ireo mpanara-dia an’i Kristy voalohany. Hoy ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (anglisy): ‘Tsy resahina ho toy ny olona mihitsy ny fanahin’Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha. Herin’Andriamanitra fotsiny izy io.’ Voalaza ao koa hoe: “Asehon’ny ankamaroan’ny andinin-teny ao amin’ny Testamenta Vaovao fa zavatra ny fanahin’Andriamanitra fa tsy olona. Hita indrindra izany amin’ny fampitoviana azy io amin’ny herin’Andriamanitra.”

Sarotra tokoa ny hino hoe olona ny hery anankiray. Ny ankamaroan’ireo olona nadinadinina vao haingana tany Etazonia no tsy mino hoe olona na “zavatra mananaina” ny fanahy masina. Mitombina ve ny hevitr’izy ireo? Sa isika tokony hanaraka ny hevitr’ireo teolojianina, izay manizingizina fa “Olona ny Fanahy Masina, ary miavaka amin’ny Ray sy ny Zanaka”?

Mila mandinika ny Baiboly isika, mba hahitana fanazavana marina momba ny fanahy masina. Hazavaina ao amin’ny an-tsipiriany mantsy izy io. Hoy ny apostoly Paoly: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso.”—2 Timoty 3:16.

Tokony hitady fanazavana marina momba ny fanahy masina ianao. Mety hahazo fanampiana avy amin’Andriamanitra mantsy ianao, raha mahalala ny marina. Reraka ve ianao indraindray, ka toa tsy hahavita hiaritra intsony? Nanome toky ny mpianany i Jesosy hoe: ‘Mangataha foana dia homena ianareo. Raha ianareo aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, mainka fa ilay Ray any an-danitra! Hanome ny fanahy masina ho an’izay mangataka aminy tokoa izy!’—Lioka 11:9, 13.

Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka, fa manazava momba ny fanahy masina ny Soratra Masina. Horesahina ao koa fa tena manampy antsika eo amin’ny fiainana izy io.

[Teny notsongaina, pejy 3]

Manazava momba ny fanahy masina ny Soratra Masina