Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Sarobidy ny Kôdeksan’i Vatikana?

Nahoana no Sarobidy ny Kôdeksan’i Vatikana?

Nahoana no Sarobidy ny Kôdeksan’i Vatikana?

FENO zava-tsarobidy ao Vatikana. Anisan’izany ny sary hoso-doko sy ny sary sokitra ary ny firafitry ny trano, izay kanto tokoa. Tsy navela hojeren’ny besinimaro anefa ny iray tamin’ireo zavatra faran’izay sarobidy tao, nandritra ny taonjato maro. Tsy inona izany fa ny Kôdeksan’i Vatikana. * Ao amin’ny Fitehirizam-bokin’i Vatikana no misy an’io sora-tanana io, ary manampy antsika hahatakatra kokoa ny ampahany amin’ny Tenin’Andriamanitra.

Sarobidy amin’ny manam-pahaizana koa ny Codex Alexandrinus sy ny Codex Sinaiticus, izay samy sora-tanana amin’ny Baiboly. Nahavariana ny fomba nahitana azy ireo sy ny fomba niarovana azy. Tsy fantatra kosa izay niavian’ny Kôdeksan’i Vatikana.

Harena nafenina

Avy aiza ny Kôdeksan’i Vatikana? Ilay teny kely nosoratana tamin’ny taonjato faha-15 ao amin’ny firaketan’ny Fitehirizam-bokin’i Vatikana, no fanazavana tranainy indrindra momba azy io. Milaza ny manam-pahaizana fa mety ho nosoratana tany Ejipta, na Kaisaria, na Roma mihitsy aza izy io. Hoy anefa ny Profesora James Birdsall, avy ao amin’ny Oniversiten’i Birmingham, Angletera: “Tsy afaka mamaritra ny daty marina sy ny toerana nanoratana ny Kôdeksan’i Vatikana isika. Tsy fantatsika koa ny tantaran’izy io talohan’ny taonjato faha-15, na eo aza ny fikarohana ataon’ny manam-pahaizana.” Anisan’ny sarobidy indrindra amin’ireo Baiboly sora-tanana feno anefa ny Kôdeksan’i Vatikana. Nahoana?

Betsaka ny teny diso tsipelina nataon’ireo mpanao dika soratra, nandritra ny taonjato maro. Mila mitady sora-tanana mitovy amin’ireo tany am-boalohany àry ny mpandika teny, mba ho marina tsara ny fandikan-teniny. Izany no nahatonga ny manam-pahaizana ho may handinika ny Kôdeksan’i Vatikana, izay sora-tanana grika vita tamin’ny taonjato fahefatra, 300 taona latsaka taorian’ny nahavitana ny Baiboly manontolo! Voarakitra ao ny Soratra Hebreo sy ny Soratra Grika Kristianina manontolo, afa-tsy ireo ampahany very.

Nisalasala ny hanome azy io mba hodinihin’ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly ireo mpitondra tao Vatikana, nandritra ny taona maro. Nilaza Atoa Frederic Kenyon, manam-pahaizana fanta-daza, fa “navela hijery azy io nandritra ny adiny enina i [Konstantin von] Tischendorf”, manam-pahaizana momba ny Baiboly, “tamin’ny 1843, rehefa niandry volana maromaro. ... Navela hijery azy io i Tregelles, manam-pahaizana anglisy fanta-daza, tamin’ny 1845, fa tsy navela naka teny tao.” Nangataka ny hijery azy io indray i Tischendorf ka afaka nanao izany “nandritra ny 14 andro, ary adiny telo isan’andro.” Tsy nahazo alalana intsony anefa izy rehefa nahavita kopia 20 pejy. Hoy i Kenyon: “Mbola nangataka ihany izy, ka afaka nijery azy io nandritra ireo enina andro [ambiny]. Nanararaotra ny fotoanany i Tischendorf, ka afaka nanonta an’ilay sora-tanana tamin’ny 1867. Io no fanontana tsara indrindra nivoaka tamin’izany.” Namoaka fanontana tsara kokoa i Vatikana tatỳ aoriana.

‘Tsara tahiry’

Nanao ahoana ny zavatra noraketin’ny Kôdeksan’i Vatikana? Milaza Ny Tantaran’ny Baiboly Misy Sary, navoakan’ny Oniversiten’i Oxford fa “tsy miovaova ny voambolana ampiasainy sady tsy diso tsipelina. Hita hoe nadika tamim-pitandremana ilay izy. Azo lazaina àry hoe manam-pahaizana no nanao kopia azy io.”

Talanjona tamin’ny hatsaran’ny Kôdeksan’i Vatikana koa ry B. Westcott sy F. Hort, manam-pahaizana fanta-daza. Io kôdeksa io sy ny Codex Sinaiticus no loharanon-kevitra nampiasain’izy ireo, ka nahavitany Ny Testamenta Vaovao Amin’ny Teny Grika Tany Am-boalohany, tamin’ny 1881. Nadika avy tamin’io Testamenta Vaovao io ny fandikan-teny maoderina maromaro, toy Ny Baiboly Manamafy Hevitra (anglisy) nataon’i J. Rotherham sy ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

Nilaza anefa ny mpanao tsikera sasany fa tsy tokony ho niantehitra tamin’ny Kôdeksan’i Vatikana i Westcott sy Hort. Mitovy amin’ny soratra tany am-boalohany ve io kôdeksa io? Faly ny manam-pahaizana rehefa natonta ny Papyrus Bodmer, teo anelanelan’ny 1956 sy 1961. Hita tao mantsy ny ampahany amin’ny bokin’i Lioka sy Jaona, izay vita kopia tany am-piandohan’ny taonjato fahatelo. Manamarina ny zavatra raketin’ny Kôdeksan’i Vatikana ve ireo sora-tanana ireo?

Hoy i Philip Payne sy Paul Canart ao amin’ilay boky hoe Testamenta Vaovao (latinina): “Tena mahavariana ny fitoviana misy eo amin’ny Codex Vaticanus sy ny Papyrus Bodmer. Asehon’izany fa avy tamin’ny sora-tanana mitovitovy amin’ny Papyrus Bodmer no nandikan’ireo mpanao dika soratra ny Vaticanus. Tsy maintsy ho sora-tanana tranainy be na kopian’izy io àry no nataon’ireo mpanao dika soratra kopia.” Hoy ny Profesora Birdsall: “Tena misy itovizany ireo sora-tanana roa ireo. ... Nadika tamim-pitandremana [ilay Kôdeksa], ka voatahiry tsara ny asa soratra nisy tamin’izany.”

Tena ilain’ny mpandika teny

Marina fa tsy voatery hitovy amin’ny soratra tany am-boalohany ny sora-tanana tranainy indrindra. Afaka namantatra izay voarakitra tao amin’ny soratra tany am-boalohany anefa ny manam-pahaizana, rehefa nampitahainy tamin’ny sora-tanana hafa ny Kôdeksan’i Vatikana. Tsy hita ao amin’ireo sora-tanana sisa tavela tamin’ny Codex Sinaiticus, izay vita tamin’ny taonjato fahefatra koa, ohatra, ny ankamaroan’ireo boky misy fitantarana ao amin’ny Baiboly, manomboka amin’ny Genesisy ka hatramin’ny Tantara Voalohany. Ahitana azy ireo anefa ao amin’ny Kôdeksan’i Vatikana, ary manamarina ny toerana tokony hisy azy ireo ao amin’ny Baiboly izany.

Milaza Ny Tantaran’ny Baiboly Misy Sary fa nampifanditra ny manam-pahaizana ny “andinin-teny miresaka momba an’i Kristy sy ny Andriamanitra telo izay iray.” Manampy azy ireo hahatakatra kokoa an’ireny andinin-teny ireny ve ny Kôdeksan’i Vatikana?

Nilaza, ohatra, i Jesosy ao amin’ny Jaona 3:13 hoe: “Tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy ilay nidina avy any, dia ny Zanak’olona.” Nisy mpandika teny nanampy azy io tamin’ny hoe: “Izay any an-danitra.” Asehon’ireo teny fanampiny ireo fa sady tany an-danitra i Jesosy no tetỳ an-tany. Manohana ny finoana ny Andriamanitra telo izay iray izany. Hita ao amin’ireo sora-tanana vitsivitsy nadika tamin’ny taonjato fahadimy sy fahafolo ireo teny fanampiny ireo. Tsy hita ao amin’ny Vaticanus sy Sinaiticus anefa izy ireo, ka maro ny mpandika teny nanaisotra azy. Mazava kokoa izao hoe iza i Kristy, ary mifanaraka amin’ny andinin-teny hafa izany. Tsy tany amin’ny toerana roa samy hafa tamin’ny fotoana iray i Jesosy. Avy tany an-danitra izy, ary niverina tany an-danitra, izany hoe ‘niakatra’ tany amin’ny Rainy.—Jaona 20:17.

Manampy ny olona hahatakatra ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany koa ny Kôdeksan’i Vatikana. Naminany toy izao, ohatra, ny apostoly Petera, araka ny Fandikan-teny Protestanta: “Hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy.” (2 Petera 3:10) Toy io koa no ao amin’ny fandikan-teny hafa, satria nifototra tamin’ny Codex Alexandrinus, izay vita tamin’ny taonjato fahadimy, sy ny sora-tanana tatỳ aoriana. Olona tso-po maro àry no mino fa hopotehin’Andriamanitra ny tany.

Tokony ho zato taona talohan’ny Codex Alexandrinus anefa no nahavitana ny Kôdeksan’i Vatikana (sy ny Codex Sinaiticus). Izao no andikan’izy ireo an’ilay faminanian’i Petera: “Hibaribary ny tany sy ny asa eo aminy.” Mifanaraka amin’ny andinin-teny hafa ao amin’ny Baiboly ve izany? Eny! “Tsy ho voahozongozona mandrakizay doria” ny tany. (Salamo 104:5) “Hibaribary” ahoana àry ny tany? Asehon’ny andinin-teny hafa fa tsy ara-bakiteny ny dikan’ny hoe “tany” indraindray. Afaka miteny na mihira “ny tany.” (Genesisy 11:1; Salamo 96:1, Prot.) Mety hidika hoe olona na fitambaran’olona àry io teny io. Mampahery tokoa ny mahafantatra fa tsy hanapotika an’ity planetantsika ity Andriamanitra, fa hampiharihary sy hanafoana ny faharatsiana sy ny mpanao ratsy kosa!

“Haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra”

Nampalahelo fa tsy navela hovakin’ny besinimaro ny Kôdeksan’i Vatikana nandritra ny taonjato maro. Tsy nahalala ny tena hevitry ny andinin-teny sasany koa ireo mpamaky Baiboly, satria nadika vilana izy ireny. Afaka nahalala izay tena ampianarin’ny Baiboly anefa ireo nitady ny fahamarinana, rehefa navoaka ny Kôdeksan’i Vatikana sy ny Baiboly maoderina hafa.

Matetika ireo mpanao dika soratra tany am-boalohany no nanamarika toy izao tao amin’ireo sora-tanana nadikany: “Ho lo any am-pasana ny tanana nanoratra [an’ity], fa izay voasoratra kosa haharitra taona maro.” Tena ankasitrahantsika ny ezaka nataon’ireo mpanao dika soratra tsy nitonona anarana ireo. Ilay Loharanon’ny Baiboly anefa no tena nanao izay hiarovana ny teniny. Efa ela izy no nampanoratra ny mpaminaniny hoe: “Maina ny ahitra ary malazo ny voninkazo, fa ny tenin’Andriamanitsika kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.”—Isaia 40:8.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Antsoina koa hoe Sora-tanan’i Vatikana 1209 na Codex Vaticanus ny Kôdeksan’i Vatikana. Ny litera “B” no famantarana omen’ny manam-pahaizana azy io. Ny kôdeksa no niandohan’ny boky. Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ahoana no Nahatonga ny Baiboly ho Boky?” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 2007.

[Efajoro, pejy 20]

Ahoana no Amaritana ny Datin’ireo Sora-tanana?

Nisy mpanao dika soratra nametraka ny daty nahavitany an’ilay kopia. Tsy misy daty anefa ny ankamaroan’ny sora-tanana grika. Ahoana àry no amaritan’ny manam-pahaizana ny daty nandikana an’ireo sora-tanana amin’ny Baiboly? Miovaova isaky ny taranaka mifandimby ny sora-tanana, toy ny fiteny sy ny zavakanto ihany. Nanomboka tamin’ny taonjato fahefatra ary nitohy nandritra ny taonjato maro, ohatra, ny fampiasana sora-baventy boribory miendrika sora-pirinty. Tamin’izany koa no nanomboka nitovy ny elanelan’ny andalan-tsoratra. Ampitahain’ireo manam-pahaizana ny sora-tanana misy sora-baventy boribory tsy misy daty sy ireo asa soratra mitovitovy aminy nefa misy daty. Izany no ahafahan’izy ireo mamaritra ny datin’ireo sora-tanana tany am-boalohany.

Misy tsininy ihany anefa io fomba fiasa io. Hoy i Bruce Metzger, mpampianatra ao amin’ny Sekoly Fiofanana ho Pretra any Princeton: “Mety tsy hiova firy ny fomba fanoratry ny olona iray mandritra ny androm-piainany. Tsy ho afaka hilaza daty voafaritra tsara àry isika, fa tsy maintsy 50 taona eo ho eo foana.” Ny fandinihana toy ireny no nahatonga ny manam-pahaizana hiombon-kevitra fa vita tamin’ny taonjato fahefatra ny Kôdeksan’i Vatikana.