Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Davida Mpanjaka sy ny Mozika

Davida Mpanjaka sy ny Mozika

Davida Mpanjaka sy ny Mozika

TOKONY ho 3 000 taona lasa izay no niainan’i Davida, lehilahy nanana ny naha izy azy. Mahatsiaro ny mozika fahiny isika, raha vao mandre ny anarany. Tantarain’ny Baiboly ny zavatra nataony tamin’izy mbola mpiandry ondry ka hatramin’izy efa lasa mpanjaka nahay nandamin-javatra. Izany no manampy antsika hahalala momba ny mozika tamin’ny andron’ny Baiboly.

Maro ny zavatra ianarantsika avy amin’i Davida momba ny mozika fahiny. Eo, ohatra, ny zavamaneno nampiasaina sy ny karazan-kira nohiraina. Eo koa ny anjara toeran’ny mozika teo amin’ny fiainan’i Davida sy ny firenen’ny Israely.

Ny mozika teo amin’ny Israely

Raha vao mahateny tononkira ianao, dia matetika no tonga ao an-tsainao koa ny feony. Ahitana tononkira maro ao amin’ny Baiboly, saingy indrisy fa tsy haintsika ny feony. Tsy maintsy ho nahafinaritra izy ireny, ary avo lenta mihitsy aza. Tena kanto ny hira ao amin’ny bokin’ny Salamo, ka tsy ho ambakan’izany koa ny feon-kira niaraka taminy.

Tsy dia miresaka momba ny zavamaneno ny Baiboly. (Jereo ilay efajoro hoe  “Zavamaneno Tamin’ny Andron’ny Baiboly.”) Na ny karazana harpa nampiasain’i Davida aza tsy tena fantatra. Tsara homarihina anefa fa namorona zavamaneno maro ny Israelita. Anisan’izany ny harpa vita tamin’ny hazo, izay vitsy mpanana sady sarobidy.—2 Tantara 9:11; Amosa 6:5.

Azo antoka anefa fa nitana toerana lehibe teo amin’ny fiainan’ny Hebreo ny mozika, indrindra teo amin’ny fanompoany an’Andriamanitra. Nisy mozika tamin’ny fotoana nanosorana mpanjaka sy ny fety ara-pivavahana ary ny ady. Nitondra fahafinaretana ho an’ny olona tao an-dapa izy io, nanafana ny fampakaram-bady sy koranam-pianakaviana, ary namalifaly ny olona tamin’ny fotoam-pijinjana sy fiotazam-boaloboka. Nampionona an’ireo namoy havana na namana ny mozika. Nampahatsiahy toerana ratsy laza koa anefa izy io.

Tsy izay ihany anefa. Nahatonga ny mpaminany ho vonona handray ny hafatra ampitaina aminy izy io. Niasa tamin’i Elisa ny fanahin’Andriamanitra, rehefa naneno ny lokanga. (2 Mpanjaka 3:15) Nampahafantarana fotoan-dehibe tao amin’ny kalandrie koa izy io. Trompetra volafotsy roa no nampanenoina, mba hanambarana fa tsinam-bolana ny andro, na fety. Rehefa fotoan-jobily kosa, dia ampanenoina ny anjombona mba hilazana fa afaka ny andevo ary averina amin’ny tompony indray ny taniny sy ny tranony. Faly be ny mahantra rehefa nandre an’ilay mozika, satria tsy andevo intsony izy ireo na hahazo ny fananany indray.—Levitikosy 25:9; Nomery 10:10.

Azo antoka fa nanan-talenta tamin’ny fitendrena zavamaneno na fihirana ny Israelita sasany. Hita tamin’ny sary sokitra asyrianina iray mantsy fa mpitendry zavamaneno lahy sy vavy no haba notakin’i Sankeriba Mpanjaka tamin’i Hezekia Mpanjaka. Toa mpilalao nikoizana daholo izy ireo. Mbola nahay noho izy rehetra anefa i Davida.

Mpahay mozika niavaka

Niavaka i Davida, satria mpitendry zavamaneno izy sady poety. Izy no voalaza fa nanao ny antsasany mahery amin’ny salamo. Mpiandry ondry izy tamin’ny mbola kely, ary nisy vokany teo aminy ny zavatra hitany sy reny tamin’ny fotoana niandrasany ondry tany Betlehema. Faly izy rehefa nandre ny sakelidrano niboiboika sy ny feon’ny zanak’ondry namaly ny antsony. Nanohina ny fony ilay karazana “mozika” teo amin’ny tontolo nanodidina azy, ka nandray harpa izy ary nanandra-peo nidera an’Andriamanitra. Tsy maintsy ho nampihetsi-po ny nandre ny feon-kira nampiarahiny tamin’ny Salamo faha-23!

Tena nahay nitendry harpa i Davida tamin’izy tovolahy, hany ka nampirisihin’ny olona i Saoly Mpanjaka mba haka azy. Nasain’i Saoly nanompo azy tokoa izy avy eo. Tonga nitendry harpa ho azy i Davida, rehefa tototry ny alahelo sy nikorontan-tsaina izy. Nampitony azy ny feon-kira nolalaovin’i Davida.—1 Samoela 16:16.

Tena tian’i Davida ny mozika sady nahafaly azy. Io koa anefa no nampidi-doza azy, indraindray. Niverina avy niady tamin’ny Filistinina, ohatra, izy sy Saoly indray andro. Ren’ny mpanjaka ny hiram-pandresena sy feno fifaliana nataon’ireo vehivavy hoe: “I Saoly nahafaty arivoarivo, fa i Davida kosa nahafaty alinalina.” Tezitra sy velom-pialonana izy, ka ‘niahiahy an’i Davida foana nanomboka tamin’iny andro iny, [ary] hita tamin’ny fijeriny izany.’—1 Samoela 18:7-9.

Nentanin’ny mozika

Maro ny lafiny mampiavaka ny tononkalo sy ny hira nosoratan’i Davida ao amin’ny Salamo. Vokatry ny fisaintsainana lalina sy ny fiandrasana ondry tany an-tsaha izy ireny. Ao ny fiderana, fitantarana, fifaliana tamin’ny fotoam-piotazam-boaloboka, fety tamin’ny fitokanana, fahatsiarovana, fanantenana, fangatahana, ary fitalahoana. (Jereo ny Salamo 32, 23, 145, 8, 30, 38, 72, 51, 86 sy ny teny mampiditra azy.) Namorona hira fisaonana i Davida, rehefa maty i Saoly sy Jonatana. Antsoina hoe “Ilay Tsipìka” izy io, ary manomboka amin’ny hoe: “Voavono teny amin’ny toerana avonao ireo tsara tarehy, ry Israely ô!” Hira mampalahelo izy io. Hain’i Davida ny naneho fihetseham-po isan-karazany, na tamin’ny alalan’ny teny izany na harpa.—2 Samoela 1:17-19.

Olona nafana fo i Davida, ka tiany ny mozika nampifalifaly sy nampientanentana. Rehefa nitondra ny vata nisy ny fifanekena ho any Ziona izy, dia nitsinjaka sy nandihy tamin’ny heriny manontolo, noho ilay fotoan-dehibe. Tsy maintsy ho nampientanentana be ny mozika nandeha tamin’izay. Azonao sary an-tsaina ve izay nitranga? Nanakiana an’i Davida i Mikala vadiny, nefa tsy nampaninona azy izany. Tia an’i Jehovah izy. Tiany koa ny mozika, izay nampifalifaly azy sy nahatonga azy hitsinjaka teo anatrehan’Andriamaniny.—2 Samoela 6:14, 16, 21.

Tsy izay ihany anefa no nampiavaka an’i Davida. Mpamorona zavamaneno koa izy. (2 Tantara 7:6) Mpanakanto nanan-talenta i Davida, satria nahay nanamboatra zavamaneno, poety, mpamoron-kira sady mpihira. Mbola nanao zavatra lehibe lavitra noho izany anefa izy.

Hira sy mozika tao amin’ny tempoly

I Davida no voalohany nandamina antoko-mpihira sy mpitendry zavamaneno tao an-tranon’i Jehovah. Notendreny hiandraikitra an’ireo mpihira sy mpitendry zavamaneno 4 000 i Asafa sy Hemana ary Jedotona (toa nantsoina koa hoe Etana). Anisan’izany ny olona matihanina 288, izay nampiofana sy nanara-maso ny sisa rehetra. Tao amin’ny tempoly daholo izy 4 000 ireo, nandritra ny fety telo fanao isan-taona. Mba eritrereto ange ny halehiben’izany antoko-mpihira izany e!—1 Tantara 23:5; 25:1, 6, 7.

Ny lehilahy ihany no nihira tao amin’ny tempoly. Feon’olona na feon-javamaneno ambony be no tondroin’ilay hoe “fihiran’ny Ankizivavy”, eo amin’ny teny mampiditra ny Salamo 46. “Indray niredona” izy rehetra, araka ny 2 Tantara 5:13. Nety ho hira tsotra izany, toy ny Salamo fahatelo sy ny salamo maro hafa nataon’i Davida. Nisy teny naverina isan’andininy ny sasany taminy, toy ny hita ao amin’ny Salamo 42:5, 11 sy 43:5. Be mpitia koa ny hira nisy feo nifamaly, ka ny feon’ny olona iray nifamaly tamin’ny an’ny iray hafa na ny an’ilay antoko-mpihira manontolo. Nety ho nozaraina koa ilay antoko-mpihira mba hanao hira nifamaly. Izany no hita ao amin’ny Salamo 24, izay azo inoana fa noforonin’i Davida tamin’izy nitondra ny vata nisy ny fifanekena nankany Ziona.—2 Samoela 6:11-17.

Tsy ny Levita ihany anefa no afaka nihira. Nihira ny vahoaka tamin’izy ireo niakatra ho any Jerosalema, hamonjy ny fety fanao isan-taona. Izany angamba no niavian’ilay hoe “Hira Fiakarana.” (Salamo 120 ka hatramin’ny 134) Nidera ny firahalahiana nisy teo amin’ny Israelita, ohatra, i Davida ao amin’ny Salamo 133. Hoy izy eo am-piandohan’izy io: “Tsara sy mahafinaritra erỳ rehefa miara-monina amim-piraisan-tsaina ny mpirahalahy!” Mba saintsaino ange ny feon-kira nampiarahina tamin’izy io e!

Mozika sy ny fanompoana an’i Jehovah

Hira toy izany no mameno ny ampahafolon’ny Baiboly, ary mampirisika ny olona rehetra hanao hira fiderana ny bokin’ny Salamo. (Salamo 150) Manampy ny olona hanadino ny fanahiany ny mozika, ary mety hanasitrana ratram-po ny fihirana. Mampirisika ny olona falifaly hanao hira fiderana koa anefa ny Baiboly.—Jakoba 5:13.

Fomba iray azon’ny olona anehoana ny finoany sy ny fitiavany an’Andriamanitra ny fihirana. Niara-nihira i Jesosy sy ny apostoly rehefa avy nisakafo, ny alina talohan’ny namonoana an’i Jesosy. (Matio 26:30) Mba nanao ahoana re ny feon’ilay Zanak’i Davida e, dia ilay nahita ny hakanton’ny hira nataon’ireo anjely tany an-danitra? Azo inoana fa nihira ny Hallel tao amin’ny Salamo 113 ka hatramin’ny 118 izy ireo. Raha io no nataon’izy ireo, dia azo antoka fa nihira mafy i Jesosy teo amin’ilay hoe: “Feno fitiavana aho, satria nohenoin’i Jehovah ny feoko sy ny fitalahoako. ... Namatotra ahy toy ny tady ny fahafatesana, ary azom-pahoriana aho toy ny efa any amin’ny Fasana. ... ‘Jehovah ô, vonjeo ny aiko!’ ” (Salamo 116:1-4) Tsy nahalala izay hitranga taorian’izay anefa ny apostoly.

Tsy ny olombelona no namorona ny mozika. Resahin’ny Baiboly fa toy ny hoe mitendry harpa ireo anjely ary manao hira fiderana manodidina ny seza fiandrianan’i Jehovah. (Apokalypsy 5:9; 14:3; 15:2, 3) Andriamanitra no nametraka tao am-pon’ny olona ny fitiavana mozika sy ilay faniriana tsy hay tohaina hamoaka ny fihetseham-po amin’ny filalaovana zavamaneno, na amin’ny alalan’ny hira. Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny mozika, hoy ny olona manam-pinoana.—Jakoba 1:17.

[Teny notsongaina, pejy 27]

‘Amin’ny andro ifalianareo, sy amin’ny fotoanan’ny fetinareo dia hitsoka trompetra ianareo.’​—NOMERY 10:10

[Teny notsongaina, pejy 28]

“I Jehovah no Mpiandry ahy. Tsy ho ory na inona na inona aho. Mampandry ahy eny amin’ny toerana rakotra ahi-maitso izy, ary mitondra ahy eny amin’ny toeram-pialan-tsasatra azon-drano tsara.”​—SALAMO 23:1, 2

[Teny notsongaina, pejy 29]

“Ny efatra arivo ho mpidera an’i Jehovah amin’ny zavamaneno izay nolazain’i Davida hoe: ‘Nataoko hiderana Azy ireto.’ ”​—1 TANTARA 23:4, 5

[Teny notsongaina, pejy 29]

Naneho fihetseham-po isan-karazany tamin’ny alalan’ny teny sy ny mozika i Davida

[Teny notsongaina, pejy 30]

‘Miderà an’i Jah! Derao amin’ny ampongatapaka sy ny dihy faribolana izy. Aoka hidera an’i Jah ny zavamiaina rehetra.’​—SALAMO 150:1, 4, 6

[Efajoro/Sary, pejy 28]

 Zavamaneno Tamin’ny Andron’ny Baiboly

Anisan’ireo zavamaneno tendrena ny mandôlinina sy harpa ary ny lokanga misy tadiny folo. (Salamo 92:3) Nampanarahina feo Alamota sy Seminita izy ireo, izay tsy inona fa feo ambony sy ambany kokoa. (1 Tantara 15:20, 21) Anisan’ireo zavamaneno tsofina ny sodina sy anjombona ary trompetra, izay ‘nampanenoina mafy.’ (2 Tantara 7:6; 1 Samoela 10:5; Salamo 150:3, 4) “Indray niredona” ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, tamin’ny fitokanana ny tempoly. (2 Tantara 5:12, 13) Nirindra tsara angamba ny feon’izy ireo, fa tsy nisy namalana. Anisan’ireo zavamaneno velezina kosa ny ampongatapaka sy ny korintsana ary ny “karazan-javamaneno rehetra vita tamin’ny hazo zenevrie.” Teo koa ny kipantsona “tsara feo”, izay kelikely, sy ny kipantsona “avo feo”, izay lehibe kokoa.—2 Samoela 6:5; Salamo 150:5.

[Sary]

Ambony: Sary teo amin’ny Andohalambon’i Titus, any Roma, ahitana trompetra nalaina avy tao amin’ny tempolin’i Jerosalema, taona 70. Vola madinika tamin’ny taona 130 tany ho any, ahitana zavamaneno jiosy

[Sary nahazoan-dalana]

Vola madinika: © 2007 by David Hendin. All rights reserved.