Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Porofo fa Tena Miahy Antsika Andriamanitra?

Inona no Porofo fa Tena Miahy Antsika Andriamanitra?

Inona no Porofo fa Tena Miahy Antsika Andriamanitra?

EFA an’arivony taona ny olona no lasa eritreritra hoe: ‘Raha tia antsika Andriamanitra, nahoana isika no avelany hijaly be toy izao?’ Fanontaniana lehibe izany. Raha tianao mantsy ny olona iray, dia tsy tianao hijaly izy, ary ampianao rehefa manana olana. Izany no mahatonga ny olona maro hihevitra fa tsy miraharaha antsika Andriamanitra. Tsy marina anefa izany. Ireto misy porofo fa tena tia sy miahy antsika izy.

Hita avy amin’ny zavaboary

I Jehovah Andriamanitra no “nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny zava-drehetra ao amin’ireo.” (Asan’ny Apostoly 4:24) Raha mandinika ny zavaboary isika, dia hiaiky fa tena tia antsika izy. Inona, ohatra, no zavatra mahafinaritra anao? Misakafo ve? Azon’i Jehovah natao ny tsy namorona afa-tsy sakafo iray monja, mba hahavelona antsika. Namorona sakafo isan-karazany anefa izy mba hankafizantsika tsiro samihafa. Noravahany hazo sy voninkazo ary zavatra hafa tsara tarehy koa ny tany, mba hahatonga ny fiainana hahafinaritra.

Diniho koa ny tenantsika. Nataon’Andriamanitra ho tia vazivazy sy tia mozika isika, ary faly rehefa mahita zavatra tsara. Velona foana isika na tsy misy an’ireo aza. Nomeny antsika anefa ireo, mba hankafizantsika ny fiainana. Faly koa isika rehefa tafaraka amin’ny namana, na fihinin’ny olona tena tiantsika. Toetran’Andriamanitra ny fitiavana, matoa isika nataony mahay mitia.

Hita ao amin’ny Baiboly

Resahin’ny Baiboly fa fitiavana Andriamanitra. (1 Jaona 4:8) Tsy eo amin’ny zavatra noforoniny ihany àry no ahitana fa tia antsika izy, fa ao amin’ny Teniny koa. Manome torohevitra manampy antsika ho salama tsara sy hahafehy tena ny Baiboly, ary mandrara ny fimamoana sy ny hatendan-kanina.—1 Korintianina 6:9, 10.

Misy torohevitra tsara momba ny fifandraisana aman’olona koa ao. Mampirisika antsika hifankatia sy hanaja ny hafa ary ho tsara fanahy ny Baiboly. (Matio 7:12) Voalaza ao fa ratsy ny fitiavan-karena, fifosana, fitsiriritana, fanitsakitsaham-bady, ary famonoana olona, satria mampahory ny hafa. Tsy ho nisy fijaliana firy teto an-tany, raha samy nanaraka an’ireo torohevitra ireo ny olona.

Nirahin’Andriamanitra hanavotra antsika koa i Jesosy Zanany. Io no porofo lehibe indrindra fa tia antsika izy. Hoy ny Jaona 3:16: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” Efa nahita vahaolana hanafoanana ny fahafatesana sy ny fijaliana rehetra àry i Jehovah.—1 Jaona 3:8.

Be dia be tokoa ny porofo fa tia antsika i Jehovah. Malahelo àry izy mahita antsika mijaly. Tsy maintsy hanafoana ny fijaliana izy. Efa lazain’ny Baiboly mazava tsara hoe ahoana no hataony, ka tsy mila maminavina izany intsony isika.

[Sary, pejy 4]

Toetran’Andriamanitra ny fitiavana, matoa isika nataony mahay mitia