Nankany Amin’ny Tanàna Tranainy Iray
Taratasy avy any Etazonia
Nankany Amin’ny Tanàna Tranainy Iray
ERITRERETO hoe manao dia lavitra ianao mba hahitana ny fiainan’ny razambenao. Hahafinaritra erỳ izany! Toy ny hoe izany mihitsy no nataonay. Avy tany Soisa izahay no nankany Etazonia. Mihevitra ny olona fa maoderina be amin’ny lafiny rehetra i Etazonia, nefa toy ny niverina niaina tamin’ny roanjato taona lasa izahay tany. Aleo hotantarainay ilay izy.
Miteny alemà soisa izahay ka nasaina nitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra tany Indiana, nandritra ny telo volana. Mbola miteny an’io fitenim-paritry ny razambeny io ireo fianakaviana amish an-jatony monina any.
Taranaka Anabatista tamin’ny taonjato faha-17 ny Amish. I Jacob Amman, avy any Soisa, no mpitarika azy ireo ary nalaina avy tamin’ny anarany ny hoe Amish. Olona matahotra an’Andriamanitra izy ireo. Hitany tao amin’ny Baiboly fa tsy mety ny manao batisa zazakely sy manao raharaha miaramila. Nenjehin’ny fanjakana àry izy ireo. Nisy aza namoy ny ainy noho ny zavatra ninoany. Nihamafy ny fanenjehana ka voatery nandositra tany Frantsa sy tany amin’ny faritra hafa any Soisa ny ankamaroany. Efa nisy an’arivony tamin’izy ireo tonga tany Etazonia, tamin’ny 1850 tany ho any. Mbola nihazona ny kolontsainy izy ireo, ary mbola niteny alemà soisa.
Gaga izy ireo nahita anay nitsidika azy sy nampiasa ny fiteniny. Alao sary an-tsaina ange ny resakay tamin’ireo olona tsara fanahy ireo e!
Niteny alemà soisa izy ireo nanontany hoe: “Ary toa miteny hoatr’anay ianareo?”
“Satria izahay avy any Soisa”, hoy izahay.
“Nefa ianareo tsy Amish!”, hoy izy ireo gaga.
Maro no nandray anay tsara, ka hitahitanay ny fomba fiainan’izy ireo, izay toy ny efa tranainy be. Jiro solitany, ohatra, no ampiasainy fa tsy ampola, soavaly sy kalesy fa tsy fiara, lavadrano na rano sintonina amin’ny milina ahodin-drivotra fa tsy raobine, ary olona no mihirahira fa tsy misy radio.
Ny fanetren-tena sy fahatsoran’izy ireo anefa no tena nampiaiky anay. Maro ny Amish miezaka mamaky Baiboly isan’andro. Tia miresadresaka momba ny Baiboly koa izy ireo. Mora taminay àry ny niresaka tamin’izy ireo momba ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olombelona sy ny tany.
Tsy ela dia fantatry ny rehetra hoe misy vahiny tonga avy any Soisa. Maro no nangataka anay hitsidika ny havany, ary faly erỳ izahay nanao izany. Vao mainka tsindrian-daona izahay
rehefa nasaina nitsidika sekoly amish. Inona no hiandry anay any?Nandondòna ny varavaran’ilay sekoly izahay ka nampandrosoin’ny mpampianatra, ary nasainy nankao an-dakilasy. Mason’olona 38 no nibanjina anay efatra. Ankizy tao amin’ny kilasy valo no niaraka tao, ary fito ka hatramin’ny 15 taona izy ireo. Nanao akanjo manga sy satroka fotsy ny ankizivavy, ary pataloa mainty sy akanjo ambony manga be ny an’ny ankizilahy. Avo be ilay valindrihana. Manga antitra ny lafiny telo amin’ny rindrina ary eo anoloana ny solaitrabe. Nisy sarintany maromaro nihorona sy gilaoby teo akaiky teo, ary nisy fitaovana lehibe fanafanana teo an-joron-trano.
Liana erỳ ny ankizy nijery anay nipetraka terỳ aloha. Nantsoina teo amin’ny biraon’ny mpampianatra ny ankizy tao amin’ny kilasy tsirairay ary nanontaniana momba ny entimody nomena ny omalin’io. Faly izahay sady gaga rehefa nanadina lesona momba ny Alpes, any Soisa, ilay mpampianatra. Somary tontatonta ny bokiny ary nanontaniany izahay raha mbola toy izay voalaza tao amin’ireo bokiny i Soisa. Nanontany izy hoe mbola miraoka ahitra any an-tendrombohitra ve ny ombivavy rehefa fahavaratra, sa mbola misy lanezy ny tendrombohitra. Faly izy rehefa nampisehoanay sary miloko mampiseho toerana avo feno lanezy, mba hanampiana ny fanazavana tao amin’ny bokiny tsy miloko.
Matetika izahay no nisy nanontany raha nahay an’ilay fomba fihiran’ny Amish. Nanontany anay an’izany koa ny vadin’ilay mpampianatra, izay mpiara-miasa aminy. Tsy mahay izahay. Fantatray anefa fa mahay mihira ny Amish, ka nasainay nihira izy ireo. Sondriana erỳ izahay nihaino ny feon’izy 40. Nasain’ilay mpampianatra naka rivotra ny ankizy avy eo.
Nasain’ny vadin’ilay mpampianatra nihira izahay avy eo. Mahay kalon’ny fahiny maromaro amin’ny teny alemà soisa izahay ka nanaiky. Ren’ireo ankizy tany an-tokotany ny hiranay, ary tonga dia niverina tao an-dakilasy izy ireo. Nijoro teo anatrehan-dry zareo izahay, ary niezaka nihira tsara.
Nasain’ny fianakaviana iray, 12 mianaka, hisakafo antoandro tany aminy izahay, avy eo. Feno sakafo matsiro ilay latabatra lava vita amin’ny hazo. Nisy ovy voapotsika teo, jambon, katsaka, mofo, fromazy, legioma, mofomamy, ary tsindrin-tsakafo hafa. Samy nivavaka mangina ny rehetra, talohan’ny sakafo. Niresaka momba an’i Soisa, tanindrazan’izy ireo, izahay nandritra ny sakafo. Izy ireo kosa nitantara ny fiainana tao amin’ny toeram-pamboleny sy fiompiany. Nifampibitsibitsika sy nitsikanikany ireo ankizy, nandritra ny sakafo. Misy vavaka fanindroany rehefa mahalany sakafo ny rehetra. Afaka miala eo an-databatra àry ny ankizy, saingy tsy mahazo milalao. Efa samy manana ny anjarany amin’ny fanadiovan-databatra sy fanasam-bilia mantsy izy ireo. Mipaompy rano aloha ry zareo ary mamana an’izany.
Nasain’izy mivady nankao amin’ny efitra fandraisam-bahiny izahay, rehefa nanasa vilia ny ankizy. Tsy nisy seza lava tao, fa nipetraka teo ambony seza misavily mampahazo aina izahay. Namoaka Baiboly avy tao anaty arimoara izy ireo, ary nanomboka ny dinidinika ara-baiboly. Izany no fanaon’ny fianakaviana amish. Noresahinay ny hoe: Inona no fikasan’i Jehovah Andriamanitra ho an’ny tany sy ny olombelona? Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa niteny izy hoe handova ny tany ny mpandefitra? Tena tian’Andriamanitra hampijalina mandrakizay any amin’ny afobe mirehitra ve ny ratsy fanahy? Iza no manatanteraka an’ilay didin’i Jesosy hitory ny vaovao tsara maneran-tany? Tena nahafaly anay ny niresaka momba ny fanontaniana toy izany, tamin’ny olona nanana Baiboly sy tia fivavahana.
Tena tianay iny dianay iny sady nahitanay zavatra mahaliana maro. Mino sy manantena izahay fa tsy hoe nandray tsara anay fotsiny ireo Alemà soisa notsidihinay, fa handatsaka am-po ny fahalalana marina tsara ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly koa.