Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tamin’ny Andron’i Heroda Mpanjaka”

“Tamin’ny Andron’i Heroda Mpanjaka”

“Tamin’ny Andron’i Heroda Mpanjaka”

TE HAMONO an’i Jesosy zazakely i Heroda Lehibe, mpanjakan’i Jodia, ka nasainy novonoina daholo ny zazalahikely tao Betlehema. Maro ny zava-nitranga “tamin’ny andron’i Heroda mpanjaka.” Manampy antsika hahatakatra ny zava-nisy talohan’ny nahaterahan’i Jesosy sy talohan’ny nanombohany ny fanompoany izy ireny.—Matio 2:1-16.

Nahoana i Heroda no te hamono an’i Jesosy? Nahoana no governora romanina atao hoe Pontio Pilato no mpitondra ny Jiosy tamin’ny fotoana nahafatesan’i Jesosy, nefa mpanjaka no mpitondra tamin’izy teraka? Hodinihintsika izay nitranga talohan’ny nahaterahan’i Jesosy mba hahafantarana ny toerana notanan’i Heroda teo amin’ny tantara, ary hoe nahoana ny mpamaky Baiboly no mila mahalala ny mombamomba azy.

Ady seza tany Jodia

Nizara efatra ny fanjakan’i Aleksandra Lehibe rehefa maty izy, ary Syrianina atao hoe Séleucus no nahazo ny fanjakana iray. Ny taranak’i Séleucus no nitondra tao Jodia, teo antenatenan’ny taona 200 sy 150 Talohan’i Kristy (T.K.). Notadiavin’ny mpanjaka syrianina tsy hanompoana an’i Jehovah intsony anefa ny tempolin’i Jerosalema, fa hanompoana an’i Zeosy, andriamanitr’izy ireo. Nikomy àry ny Jiosy notarihin’ny fianakaviana Makabeo na Hasmonianina, tamin’ny taona 168 T.K. tany ho any. Ny Hasmonianina indray no nitondra nanomboka tamin’ny 142 T.K. hatramin’ny 63 T.K.

Samy te ho mpanjaka ny printsy hasmonianina mirahalahy atao hoe Hyrcan II sy Aristobule, ka niady tamin’ny taona 66 T.K. Nipoaka ny ady an-trano, ka samy nitady fanampiana tamin’i Pompée, jeneraly romanina tany Syria, izy roa lahy. Nanararaotra izany i Pompée.

Nanitatra ny fanjakany nankany atsinanany ny Romanina tamin’izay, ary efa azony ny ankabeazan’ny faritr’i Azia Minora. Tsy nahay nifehy vahoaka anefa ny mpitondra romanina sasany nifandimby tany Syria, ka lasa baranahiny ny fanjakana. Natahotra ny Romanina hoe tsy hisy fandriampahalemana intsony tany, ka nisalovana i Pompée ary nanao izay hifehezana an’i Syria.

Te hampitsahatra ny ady an-tranon’ny Hasmonianina koa izy, ka nanafika an’i Jerosalema tamin’ny taona 63 T.K., ary nanendry an’i Hyrcan ho mpanjakan’i Jodia. Te hifehy an’i Jodia anefa ny Romanina, ka na dia navelany hanao izay tiany aza i Hyrcan, dia tsy maintsy nanaraka ny fitsipik’izy ireo teo amin’ny fifampiraharahana amin’ny any ivelany. Tsy maintsy nanaraka ny sitrapon’izy ireo sy niantehitra taminy i Hyrcan, mba hihazonana ny sezany.

Nisandratra i Heroda

Mpitondra tsy manana hazondamosina i Hyrcan. Nanampy azy i Antipater, Edomita, ka nanao ny fanapahan-kevitra tokony hataony. Voasakan’i Antipater ireo Jiosy nitady haka fahefana, ka izy io indray no tena nitondra an’i Jodia. Nanampy an’i Jules César, mpitondra romanina, koa izy, ka nandresy izy ireo tany Ejipta. Notendren’ny Romanina ho governora àry izy ho valisoany. Notendren’i Antipater ho governora ny zanany roa lahy, ka i Phasaël tany Jerosalema ary i Heroda, na Heroda Lehibe, tany Galilia.

Nampianariny izy roa lahy hoe tsy tokony hanao zavatra mihitsy raha tsy mahazo alalana amin’i Roma. Nanao ny sitrapon’ny Romanina foana àry i Heroda, nefa koa nihaino ny hetahetan’ny vahoakany. Nanampy azy ny fahaizany mandamin-javatra sy ny naha jeneraly azy. Tamin’izy 25 taona no voatendry ho governora, ary vetivety izy dia tian’ny Jiosy sy ny Romanina, satria nisy ezaka mafy nataony namongorana ny andian-jiolahy tao amin’ny faritaniny.

Maty nopoizinin’ny fahavalony i Antipater tamin’ny taona 43 T.K., ka i Heroda indray no manam-pahefana ambony indrindra tao Jodia. Nanana fahavalo anefa i Heroda. Nihevitra ireo olona ambony tao Jerosalema fa tsy manana zo hitondra i Heroda, ka nandresy lahatra ny Romanina izy ireo mba hanala azy. Tsy nahomby anefa izany. Mbola nahatsiaro ny soa nataon’i Antipater ny Romanina, ka tsy te hivadika taminy. Hitan’izy ireo koa fa nahay i Heroda zanany.

Lasa mpanjakan’i Jodia i Heroda

Olona maro no tsy faly noho ny fomba nandaminan’i Pompée an’ilay adin’i Aristobule sy Hyrcan, 20 taona talohan’izay. Nitady haka ny fahefana foana àry ny mpomba an’i Aristobule. Nampian’ny Partianina, fahavalon’ny Romanina, izy ireo ka nahomby tamin’ny taona 40 T.K. Nohararaotin’izy ireo ny ady an-trano tany Roma ka nanafika an’i Syria sy Jodia izy ireo. Naongany i Hyrcan avy eo, ary nosoloany Hasmonianina tsy tia Romanina.

Nandositra tany Roma i Heroda, ary nandray azy tsara ny Romanina. Te handroaka ny Partianina tao Jodia ny Romanina, ka hifehy an’ilay tanàna indray. Nila namana azo nitokisana izy ireo hapetraka tao, ka i Heroda no hitany hoe nety. Nanendry azy ho mpanjakan’i Jodia àry ny Antenimieran-doholona Romanina. Nanao diabe i Heroda, niainga teo amin’ny tranon’ny Antenimieran-doholona ka hatrany amin’ny tempolin’i Jopitera, ary nanao sorona ho an’ireo sampy tao. Nampandefitra ny finoany izy, ary nanao toy izany matetika mba hihazonana ny sezany.

Nampian’ny tafika romanina i Heroda ka nandresy, ary nandray ny seza fiandrianany. Nahery vaika ny valifatiny. Novonoiny daholo ny Hasmonianina sy ny Jiosy ambony nanohitra azy, ary izay rehetra tsy faly hoe naman’ny Romanina no nitondra.

Nanamafy orina ny fanjakany i Heroda

Resin’i Octave (nantsoina tatỳ aoriana hoe Aogosto Kaisara) tany Actium i Marc Antoine tamin’ny taona 31 T.K., ka izy io indray no neken’ny besinimaro ho mpanjakan’i Roma. Mpinamana hatry ny ela anefa i Heroda sy Marc Antoine, ka natahotra i Heroda hoe hiahiahy azy ny Romanina. Nanao zavatra haingana àry izy hampisehoany ny tsy fivadihany amin’i Octave. Nanome toky azy anefa i Octave hoe izy ihany no mpanjakan’i Jodia. Nampiany koa ny faritaniny.

Nanamafy orina ny fahefany sy nampivoatra ny faritaniny i Heroda. I Jerosalema, ohatra, nataony foiben’ny kolontsaina grika. Nanao lapa maromaro koa izy, nanorina tanàna misy seranan-tsambo atao hoe Kaisaria, ary nanorina trano be maromaro tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Nitandro ny fihavanany tamin’ny Romanina foana i Heroda satria izany no nahazoany fahefana be.

Izy no manam-pahefana fara tampony nanerana an’i Jodia. Izy koa no nanendry ny mpisoronabe sy nifehy azy ireo.

Niaro loatra ny fahefany

Nikorontana ny fiainan’i Heroda. Folo ny vadiny, ary maro tamin’izy ireo no naniry hoe ny zanany lahy no handimby ny vadiny. Lasa tsy natoky olona sy nasiaka be i Heroda noho ny tetika nataon’izy ireo. Saro-piaro be koa izy, ka nasainy novonoina i Mariamne, vadiny tiany indrindra. Nasainy nokendaina ho faty koa ny zanak’izy io roa lahy, satria nisy nilaza hoe nitady hanohitra azy. Ratsy toetra tokoa i Heroda, ary tapa-kevitra hamono an’izay mety haka ny toerany. Mifanaraka amin’izany ny fitantaran’i Matio momba ilay famonoana zazalahikely be dia be tany Betlehema.

Misy milaza fa fantatr’i Heroda hoe tsy tiam-bahoaka izy, ka nanapa-kevitra izy hoe tsy maintsy misaona ny firenena rehefa maty izy. Nasainy nosamborina àry ireo olona tao amin’ny fitondrana tao Jodia, ary nandidy izy hoe hovonoina izy ireo rehefa hampandrenesina ny fahafatesany. Tsy notanterahina anefa izany didy izany.

Ny ahatsiarovana an’i Heroda

Rehefa maty i Heroda, dia notendren’ny Romanina ho mpanjakan’i Jodia i Arkelaosy zanany. Nataony lehibem-paritra koa ny zanany roa lahy hafa: I Antipasy tany Galilia sy Pere, ary Filipo tany Itoria sy Trakonitisy. Nitondra nandritra ny folo taona i Arkelaosy, ary tsy tiam-bahoaka. Tsy nahomby koa ny fitondrany, ka nesorin’ny Romanina izy ary nosoloany governora romanina atao hoe Pontio Pilato. Tsy nosoloana kosa i Filipo. Tsy nosoloana koa i Antipasy, izay antsoin’i Lioka koa hoe Heroda. Izany no zava-nisy teo am-piandohan’ny fanompoan’i Jesosy.—Lioka 3:1.

Mpanao politika fetsy i Heroda Lehibe. Mpamono olona tsy nisy indrafo koa izy. Ny zavatra ratsy indrindra nataony angamba, dia izy nitady hamono an’i Jesosy zazakely. Tena ilain’izay mamaky Baiboly ny mahalala ny tantaran’i Heroda. Manampy azy ireo hahatakatra ny zava-dehibe sasany nitranga teo amin’ny tantara izany, sy ny antony nahatonga ny Romanina ho mpitondra ny Jiosy. Ho azon’izy ireo koa ny zava-nitranga tamin’i Jesosy tetỳ an-tany sy nandritra ny fanompoany.

[Sarintany, pejy 15]

(Jereo ny gazety)

Palestina sy ny manodidina azy tamin’ny andron’i Heroda

SYRIA

ITORIA

GALILIA

TRAKONITISY

Ranomasin’i Galilia

Reniranon’i Jordana

Kaisaria

SAMARIA

PERE

Jerosalema

Betlehema

JODIA

Ranomasin-tsira

IDOMEA

[Sary, pejy 13]

Maro ny mpitondra nifandimby tao Jodia nandritra ireo 200 taona talohan’ny nanombohan’i Jesosy ny fanompoany, ka iray amin’izy ireny i Heroda