Tiany Hahomby Isika
Manatòna An’Andriamanitra
Tiany Hahomby Isika
IRIN’NY ray aman-dreny be fitiavana hahomby sy ho afa-po ny zanany. Maniry ny hahombiazan’ireo zanany etỳ an-tany koa i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra. Atorony antsika ny fomba hahombiazana satria tena miahy antsika izy. Eritrereto, ohatra, ny teniny tamin’i Josoa, ao amin’ny Josoa 1:6-9.
Alao sary an-tsaina ny zava-nisy tamin’izay. Maty i Mosesy, ary i Josoa no lasa mpitarika an’ireo Israelita an-tapitrisany. Niomana ny hiditra an’ilay tany nampanantenain’Andriamanitra ny razambeny izy ireo. Nomen’Andriamanitra torohevitra i Josoa. Hahomby izy raha mankatò. Tsy izy irery anefa no handray soa amin’ilay torohevitra. Hahomby koa isika raha mampihatra izany.—Romanina 15:4.
Intelo i Jehovah no niteny tamin’i Josoa hoe mahereza sy matanjaha. (Andininy 6, 7, 9) Tena nila herim-po sy tanjaka àry i Josoa, raha tiany ho tonga soa any amin’ny Tany Nampanantenaina ilay firenena. Ahoana anefa no hananany herim-po sy tanjaka?
Afaka nanovo herim-po sy tanjaka tao amin’ireo boky avy amin’ny fanahy masina i Josoa. Hoy i Jehovah: “Mitandrema tsara mba hanao araka ny lalàna rehetra nandidian’i Mosesy mpanompoko anao.” (Andininy 7) Boky vitsy monja ao amin’ny Baiboly angamba no nananan’i Josoa. * Tsy hoe tonga dia hahomby anefa izay manana ny Tenin’Andriamanitra. Nisy zavatra roa tokony hataon’i Josoa raha te handray soa izy.
Voalohany, tsy maintsy nandray am-po ny tenin’Andriamanitra foana i Josoa. Hoy i Jehovah: “Vakio sy saintsaino andro aman’alina izany.” (Andininy 8) Hoy ny boky iray: “Nasain’Andriamanitra nitadidy ny Lalàna i Josoa, ka ‘hiteny moramora’, na ‘hisaintsaina’, na ‘hamerimberina hisaintsaina’ izany.” Hanampy azy hiatrika ny olana miandry azy ny famakiany sy ny fisaintsainany isan’andro ny Tenin’Andriamanitra.
Faharoa, tokony hampihatra izay ianarany avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra i Josoa. Hoy i Jehovah: ‘Tandremo tsara izay rehetra voasoratra ato’, mba “hahomby izay hataonao.” (Andininy 8) Nila nanao ny sitrapon’Andriamanitra i Josoa raha te hahomby, satria mahomby foana izay kasain’Andriamanitra.—Isaia 55:10, 11.
Nanaraka ny torohevitr’i Jehovah i Josoa. Tsy nivadika àry izy ary nahasambatra sy nahafa-po azy ny fiainany.—Josoa 23:14; 24:15.
Te hahomby koa ve ianao, izany hoe te ho sambatra sy afa-po? Izany indrindra no irin’i Jehovah ho anao. Tsy ampy anefa ny hoe manana Baiboly. Hoy ny lehilahy iray efa Kristianina hatramin’ny ela sady tsy nivadika: “Avoahy avy ao amin’ireo pejiny vita pirinty io Baiboly io, ka ampidiro ao am-ponao.” Ho toa an’i Josoa ianao ka “hahomby izay hataonao”, raha raisinao am-po foana ny tenin’Andriamanitra ary ampiharinao izay ianaranao.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 7 Ireo boky dimy nosoratan’i Mosesy (Genesisy, Eksodosy, Levitikosy, Nomery, ary Deoteronomia), sy ny bokin’i Joba, ary salamo iray na roa angamba no teo am-pelatanan’i Josoa.