Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Mitahy ny Velona ve ny Maty?

Afaka Mitahy ny Velona ve ny Maty?

Afaka Mitahy ny Velona ve ny Maty?

HANALA fanadinana i Tamba, * tovolahy any Afrika Andrefana. Nanery azy hangata-pitahiana tamin’ny razana ny reniny. Olona an’arivony koa isan-taona eto Madagasikara no manao famadihana satria mino fa mbola mitahy ny razana. Feno mpamoha angatra koa any Lily Dale, Etazonia, ka maro isan-taona no tonga any, mba hiresaka sy hila vonjy amin’ny havana na namana efa maty.

Mbola mino ny ankamaroan’ny olona fa afaka manampy ny velona ny maty. Ary ianao? Nampianarina an’izany angamba ianao na manana havana mino an’izany. Ara-dalàna raha manina ny havantsika efa maty isika. Mampanantena ny mpamoha angatra fa afaka mampifandray anao amin’izy ireo. Nisy mihitsy aza nilaza fa “azo antsoina foana ny any ankoatra raha ilaina”, araka ny gazety Fotoana (anglisy). Marina ve izany? Tena afaka manampy ny velona ve ny maty? Mety hahagaga anao izay lazain’ny Baiboly.

Velona any ho any ve ny maty?

Lazain’ny Baiboly mazava tsara ny momba ny maty. Hoy ny Mpitoriteny 9:5: “Fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona.” Manana fihetseham-po ve ny maty? Hoy ny andininy faha-6: ‘Efa foana ny fitiavany sy ny fankahalany ary ny fialonany. Tsy misy anjarany intsony amin’izay rehetra atao etỳ ambanin’ny masoandro.’ Hoy ny andininy faha-10: “Tsy misy asa na eritreritra na fahalalana na fahendrena ao amin’ny Fasana, izay toerana halehanao.” Tsara homarihina fa milaza ny Baiboly hoe nankany koa i Jesosy rehefa maty.—Asan’ny Apostoly 2:31.

Nanampy olona maro i Jesosy tamin’izy mbola velona. Fantany anefa fa tsy maintsy ho faty izy. Nino ve izy fa mbola afaka manampy olona rehefa maty? Tsia. Nohariny tamin’ny andro alina ny fahafatesany. Nilaza izy fa tsy ho afaka hiasa amin’io. (Jaona 9:4) Fantatr’i Jesosy àry fa “tsy mahefa na inona na inona” ny maty.—Isaia 26:14.

Nanao fanoharana hafa koa i Jesosy mba hanamafisana izany. Nohariny tamin’ny torimaso ny fahafatesana, rehefa maty i Lazarosy namany. (Jaona 11:11-13) Tsy afaka manampy antsika ny olona matory, sa tsy izany? Tsy mahatsiaro tena mantsy izy.

Manana fanahy tsy mety maty ve isika?

Maro no nampianarina fa manana fanahy tsy mety maty ny olona. Tsy mampianatra an’izany ny Baiboly. Milaza ny Salamo 146:4 fa rehefa maty ny olona, dia “miala ny ainy, ary miverina amin’ny tany nakana azy izy, ka androtr’iny ihany, dia foana ny eritreriny.” Tsy velona any ho any àry ny maty. Mitovy ihany ny iafaran’ny olona sy ny biby. (Mpitoriteny 3:19-21) Tsy manana fanahy tsy mety maty ny olona.

Mety hisy hanontany anefa hoe: ‘Ahoana ireny olona milaza fa efa niresaka na nahita na naheno ny maty ireny?’ Betsaka tokoa ny olona mitantara izany eran-tany. Mino azy ireny ny olona sasany nidonam-pahoriana, ka lasa te hiresaka amin’ny havany na namany efa maty. Mankany amin’ny mpamoha angatra àry izy, satria milaza izy ireny fa mahay mifandray amin’ny maty.

Marina ve ireny tantara ireny? Raha izany mantsy, dia diso ny Baiboly. Nilaza anefa i Kristy Jesosy fa ny Tenin’Andriamanitra no fahamarinana. (Jaona 17:17) Tsy maintsy marina foana izay voalaza ao. Hazavain’ny Baiboly raha tokony hinoana na tsia ny olona milaza fa afaka manampy ny velona ny maty. Tantaraina ao fa nisy olona nila vonjy tamin’ny maty. Aleo hodinihintsika io tantara io, mba hahitana ny tena marina.

Mpanjaka nila vonjy tamin’ny maty

Nisy ady tany amin’ny faritra avaratr’Israely tamin’izay. Nanafika an’i Saoly sy ny miaramilany ny Filistinina, izay tafika mahery. “Nidobodoboka be” ny fon’i Saoly, rehefa nahita ny tobin’ny Filistinina. Efa nivadika tamin’Andriamanitra izy tamin’io, nefa mbola nila vonjy taminy ihany, saingy tsy novaliany. Very hevitra tanteraka àry i Saoly. I Samoela mpaminany rahateo efa maty.—1 Samoela 28:3, 5, 6.

Nankany amin’ny mpamoha angatra tao En-dora i Saoly. Niangavy azy io izy mba hiantso an’i Samoela hiresaka aminy. Nanao izany ilay mpamoha angatra. Iny tokoa fa nisy angatra niseho. Nilaza izy io fa ho resin’ny Filistinina i Saoly ary ho faty any an’ady izy sy ny zanany lahy. (1 Samoela 28:7-19) I Samoela efa maty tokoa ve ilay angatra niseho?

Diniho tsara ange e! Milaza ny Baiboly fa “miverina amin’ny tany nakana azy” ny olona rehefa maty, ary “foana ny eritreriny.” (Salamo 146:4) Samy nahalala koa i Saoly sy Samoela fa tsy tian’Andriamanitra hanatona mpamoha angatra ny mpanompony. Efa nandringana an’ireo mpamoha angatra teo amin’ny taniny mihitsy aza i Saoly taloha.—Levitikosy 19:31.

Eritrereto àry izao: Raha lasa fanahy tokoa i Samoela mpaminany, handika ny lalàn’Andriamanitra ve izy, ka hanaiky hantsoin’ny mpamoha angatra mba hihaona amin’i Saoly? Efa tsy nety niresaka tamin’i Saoly koa i Jehovah. Izy ve dia hanaiky hoteren’ny mpamoha angatra haniraka an’i Samoela hiresaka amin’i Saoly, nefa izy no Andriamanitra Mahery Indrindra? Tsia. Tsy i Samoela mpaminany àry ilay angatra niseho, fa demonia. Nisandoka ho Samoela fotsiny izy io.

Anjely nikomy tamin’Andriamanitra ny demonia. (Genesisy 6:1-4; Joda 6) Mandinika ny olona tsirairay izy ireo. Fantany ny fomba firesany sy ny endriny ary ny fanaony, ka tahafiny rehefa maty ilay olona. Te hanaporofo mantsy izy ireo fa tsy marina ny Baiboly. Tsy mahagaga raha mandrara antsika tsy hifandray amin’ireny fanahy ratsy ireny i Jehovah. (Deoteronomia 18:10-12) Mbola miasa mafy izy ireny hatramin’izao.

Azontsika àry izao hoe nahoana no maro ny milaza fa efa “nahita” na “naheno” ny havany efa maty. Marina fa mody tsara fanahy ny demonia indraindray rehefa miseho. Ny hamitaka ny olona anefa no tena tanjony. * (Efesianina 6:12) Eritrereto koa izao: Tena tia antsika i Jehovah. Raha velona any ho any tokoa ny maty sady afaka manampy ny havany sy ny namany, handrara antsika tsy hifandray amin’izy ireny ve i Jehovah ary hilaza fa “maharikoriko” izany? Tsia! (1 Petera 5:7) Iza àry no tena afaka manampy antsika?

Ilay afaka mamonjy ny velona sy ny maty

Hitantsika teo fa tsy afaka manampy ny velona ny maty. Tena mampidi-doza koa ny mifandray amin’izy ireny. Mandika ny lalàn’Andriamanitra izay manao izany, ary mety ho lasa andevon’ny demonia.

Atoron’ny Baiboly hoe i Jehovah no tena afaka manampy antsika. Mahavita manafaka antsika amin’ny fahafatesana izy. (Salamo 33:19, 20) Azo antsoina foana izy raha ilaina. Azo itokisana ny fampanantenany fa tsy toy ny an’ny mpamoha angatra.

Hitan’i Tamba fa mpandainga ny mpamoha angatra. Ny tenin’i Jehovah kosa no marina. Nilaza taminy ny mpamoha angatra fa tsy ho afa-panadinana izy, raha tsy manao sorona ho an’ny razana. Efa nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Tamba, tamin’io. Fantany àry fa tsy mahalala na inona na inona ny maty, ary demonia ireny milaza ho razana ireny. Tsy nety nanao ilay sorona izy, na dia noteren’ny reniny aza. Hoy izy: “Raha tsy afaka aho amin’ity, dia hianatra mafy kokoa amin’ny herintaona.”

Inona no nitranga? Afa-panadinana izy, sady izy no voalohany! Gaga ny reniny, ka niaiky fa mpandainga ny mpamoha angatra. Tsy notereny hanao sorona intsony àry ny zanany. Hitan’i Tamba fa marina ny tenin’i Jehovah hoe tsy mety ny ‘manontany ny maty mba hahasoa ny velona.’ (Isaia 8:19) Nianarany koa fa hahomby izy raha tia ny lalàn’i Jehovah.—Salamo 1:1-3.

Ahoana kosa ny amin’ireo havantsika efa maty? Vita hatreo ve ny amin’izy ireny? Tsia. Tsy hadinon’i Jehovah izy ireny, toy ny tsy hanadinoany antsika velona. Rehefa avy nanazava i Isaia mpaminany fa tsy mahefa na inona na inona ny maty, dia hoy izy: “Ho velona ny olonao izay efa maty. ... Mifohaza ka mihobia ianareo izay mitoetra ao amin’ny vovoka!” (Isaia 26:19) Naminany àry i Isaia fa mbola ho velona ny maty.

Alaivo sary an-tsaina ange izany e! Hatsangana ireo maty an’arivony tapitrisa. Milaza tokoa ny Baiboly fa ‘maniry mafy’ hanangana ny maty i Jehovah. (Joba 14:14, 15) Sarotra inoana ve izany? Tsia. Tena nino i Jesosy Kristy fa hitsangana ny maty, ka nilaza izy fa toy ny hoe efa velona izy ireo eo imason’i Jehovah.—Lioka 20:37, 38.

Te hatoky tanteraka an’izany fampanantenana izany ve ianao? * Miezaha foana hahalala izay tena ampianarin’ny Baiboly. Ho resy lahatra ianao amin’izay fa afaka manampy ny velona i Jehovah sady tsy hanadino ny maty. Ho hitanao koa fa ‘azo antoka sy marina’ ny fampanantenany.—Apokalypsy 21:4, 5.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Novana ny anarana.

^ feh. 18 Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia jereo ilay bokikely navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo?

^ feh. 26 Mba hahalalana bebe kokoa momba ny fananganana ny maty, dia vakio ny toko 7 ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 19]

Ara-dalàna raha manina ny havantsika efa maty isika

[Sary, pejy 20]

I Samoela mpaminany, ilay efa maty, tokoa ve no niresaka tamin’i Saoly Mpanjaka?