Fahotana ve ny Misotro Toaka?
Fahotana ve ny Misotro Toaka?
TIAN’NY Mpamorona ho sambatra isika, ary tsy sakanany tsy hisotro toaka, raha araka ny antonony. Izy aza manome “divay hampifaly ny fon’ny olona, sy menaka hahamiramirana ny endriny ary mofo hanome tohan’aina azy.” (Salamo 104:15, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara) Nanova ny rano ho “divay tsara” i Jesosy Kristy tamin’ny fampakaram-bady iray, ka nahafaly ny olona.—Jaona 2:3-10.
Tsy mahagaga raha fantatry ny Mpamorona tsara ny vokatry ny toaka eo amin’ny fiasan’ny vatana sy ny atidoha. ‘Mampianatra antsika hahita soa’ amin’ny alalan’ny Baiboly ilay Raintsika any an-danitra, ary mampitandrina mafy antsika mba tsy hisotro tafahoatra. (Isaia 48:17) Mariho ireto fampitandremana mivantana ireto:
“Aza mba mamon-divay, fa mitarika ho amin’ny filibana izany.” (Efesianina 5:18) ‘Tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra ny mpimamo.’ (1 Korintianina 6:9-11) Melohin’ny Baiboly koa ny “fibobohan-toaka, lanonana feno filibana, ary ny toy ireo.”—Galatianina 5:19-21.
Andeha hodinihintsika ny loza sasany ateraky ny fisotroana tafahoatra.
Loza ateraky ny fisotroana tafahoatra
Misy mahatsara azy ny toaka, saingy misy fangaron-javatra mahery izay manimba ny fiasan’ny saina sy ny vatana. Ireto no mety ho vokatry ny fisotroana tafahoatra:
Tsy misaina tsara intsony ny olona misotro be loatra, ka lasa manao “resaka mifanjevo.” (Ohabolana 23:33, DIEM) Hoy i Mika, ilay mpisotro toaka voaresaka tany aloha: “Tsy ny vatan’ny olona miankin-doha amin’ny toaka ihany no simba, fa ny eritreriny sy ny fomba fisainany koa. Lasa tsy miraharaha ny voka-dratsin’ilay izy eo amin’ny hafa ilay olona.”
Lasa sahisahy ratsy. Mampitandrina ny Soratra Masina hoe: “Divay efa niotrika ela ary divay mamy no manaisotra ny faniriana hanao ny tsara.” (Hosea 4:11) Inona no dikan’ izany? Tsy mieritreritra na maniry hanao zavatra sasany ny olona tsy mamo. Lasa tsy mampaninona azy anefa izany, na mahafinaritra azy mihitsy aza, rehefa mamo izy. Tsy tena tapa-kevitra ny hanao ny tsara intsony izy. Tsy ho vonona ny hadio fitondran-tena izy, ka lasa tsy faly aminy Andriamanitra.
Nifamaly, ohatra, i John sy ny vadiny ka nirintona nankany amin’ny toerana fisotroan-toaka i John mba hampitony ny hatezerany. Nisotrosotro izy, ary nisy vehivavy nanatona azy. Mbola nisotro ihany izy ary niaraka tamin’ilay vehivavy ka nijangajanga. Lasa sahisahy ratsy izy noho ny toaka, ka nanao zavatra tsy noeritreretiny hatao mihitsy. Nanenina be i John taorian’izay.
Lasa tsy mahafehy izay lazainy sy ataony. Hoy ny Baiboly: ‘Iza no iharan-doza? Iza no tia mifanditra? Tsy iza izany fa izay tsy mety miala eo am-pototry ny divay, sy izay miditra mba hitady divay misy fangarony.’ (Ohabolana 23:29, 30) “Ho sahala amin’ny olona matory eo afovoan-dranomasina” ny olona misotro be loatra, “ary ho tahaka ny olona matory eny an-tendron’ny andrin-tsambo.” (Ohabolana 23:34) ‘Novelezina izy, nefa tsy tsaroany akory’ rehefa misava ny toakany.—Ohabolana 23:35.
Mankarary. “Amin’ny farany, dia hanaikitra tahaka ny menarana [ny toaka], ary hamoaka poizina tahaka ny bibilava.” (Ohabolana 23:32) Manamarina an’io ohabolana io ny siansa. Mety ho lasa poizina mahafaty ny toaka be loatra. Ireto, ohatra, ny mety ho vokany: Kansera, hepatita, aretin’aty, fivontosan’ny sarakaty, fidinan’ny fatran’ny siramamy ao amin’ny ran’ny olona voan’ny diabeta, takaitra ho an’ny zaza ao am-bohoka, tapaka lalan-dra, fijanonan’ny fitepon’ny fo. Mety tsy hahatsiaro tena na ho faty mihitsy ny olona iray miboboka toaka, na dia indray mandeha fotsiny aza. Tsy voalazan’ny boky momba ny fitsaboana anefa ny vokany ratsy indrindra.
Ny loza ratsy indrindra. Lasa tsy mifandray tsara amin’Andriamanitra ny olona misotro be loatra, na tsy mamo aza. Mazava ny voalazan’ny Baiboly hoe: “Lozan’izay mifoha maraina mba hitady toaka, sady misotro foana mandra-pahamaizin’ny andro mba ho mamon-divay!” Fa nahoana? Milaza i Isaia fa misy vokany eo amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra ny fisotroana Isaia 5:11, 12.
tafahoatra. Hoy izy: “Tsy ahoany ny zavatra ataon’i Jehovah, ary tsy hitan’izy ireo ny asan’ny tanany.”—Manoro hevitra antsika mba tsy “ho isan’ny mpiboboka divay” ny Baiboly. (Ohabolana 23:20) Ampitandremany koa ny vehivavy zokiolona mba tsy “handevozin’ny divay be.” (Titosy 2:3) Nahoana? Satria mitombo tsikelikely ny habetsahan’ny toaka sotroin’ny olona, ary lasa fanaony matetika izany, nefa mety ho tsy tandrintandriny akory. Mety hilaza ilay mpisotro rehefa mandeha ny fotoana hoe: “Rahoviana àry aho no hifoha mba hitadiavako divay indray?” (Ohabolana 23:35) Efa tena mampahatahotra ny manjo ny olona iray, raha toa ka vao mihiratra ny masony dia efa mitady toaka izy mba hahametimety azy, taorian’ny nahamamo azy.
Mampitandrina ny Baiboly fa “mbola hampamoahin’ilay vonona hitsara ny velona sy ny maty” ny olona miaina ao anatin’ny ‘fibobohana divay, sy ny lanonana feno filibana, ary ny fifaninanana misotro.’ (1 Petera 4:3, 5) Niresaka momba ny fotoan-tsarotra iainantsika koa i Jesosy, ka nampitandrina hoe: ‘Mitandrema sao ny fonareo hovesaran’ny fihinanana tafahoatra sy ny fibobohan-toaka ary ny fanahiana eo amin’ny fiainana, ka tsy hampoizinareo ny hahatongavan’ny andron’i [Jehovah] aminareo, fa ho tampoka toy ny fandrika.’—Lioka 21:34, 35.
Inona anefa no azo atao raha tsy te ‘hovesaran’ny fibobohan-toaka’?
[Sary, pejy 4, 5]
Mety hahita olana maro ny olona misotro tafahoatra