Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hopotehina ve ny Tany?

Hopotehina ve ny Tany?

Hopotehina ve ny Tany?

“MALAZA foana ny resaka faran’izao tontolo izao, fara faharatsiny, amin’ny filma”, hoy i John Scalzi, mpanoratra gazety. Nahoana no be mpitia ny filma mampiseho faran’izao tontolo izao? “Satria mampiseho ny zavatra atahorantsika”, hoy i Scalzi. Ahoana ny hevitrao? Ara-dalàna ve raha mampahatahotra ny hoe ahoana no mety hahapotika ny tany sy ny zava-miaina eo aminy, sy ny hoe rahoviana izany no mety hitranga?

Saika isan’andro isika no mandre fa misy loza voajanahary eran-tany. Aseho imbetsaka amin’ny tele sy Internet izy ireny, ka mahita olona maty sy toerana rava foana isika. Mora àry ny mihevitra fa tena misy sady mampahatahotra ny faran’izao tontolo izao, fa tsy tantara amin’ny filma fotsiny.

Manampy trotraka an’izany izay lazain’ny mpahay siansa momba ny mety hiafaran’ny tany. Misy aza milaza fa ho lany daty ny tany. Tamin’ny Martsa 2008, ohatra, dia nisy gazetin’ny fikambanan’ny astronoma nilaza fa nisy manam-pahaizana roa nanombantombana hoe hatelin’ny masoandro sy holevoniny ny tany, rehefa afaka 7 590 000 000 taona eo ho eo.

Mety ho lany daty tokoa ve ny tany, indray andro any?

Mety ho lany daty ve ny tany?

Manome toky ny Baiboly hoe: “Lasa ny taranaka iray, ary mandimby ny taranaka iray, fa ny tany kosa maharitra mandrakizay.” (Mpitoriteny 1:4) “Naoriny [Jehovah Andriamanitra] ny tany, ary nataony mafy orina ny fototra iorenany” mba haharetan’izy io “mandrakizay doria.” (Salamo 104:5) Tsara loatra ve izany ka tsy mampino? Nahoana isika no tokony hino fa tsy ho lany daty ny tany, na dia tsy izany aza no lazain’ny mpahay siansa?

Diniho ange ireny entana eny amin’ny mpivarotra ireny e! Misoratra eo amin’izy ireny ny daty farany azo ampiasana azy. Iza no nametra an’ilay daty? Tombantomban’ilay mpivarotra azy fotsiny ve izany? Tsia! Ny mpanamboatra azy no nametra an’ilay daty. Matoky isika fa marina ilay izy, satria ny mpanamboatra no tena mahafantatra ny zavatra namboariny. Vao mainka àry isika matoky an’ilay Mpanao ny planetantsika. Milaza mazava tsara ny Teniny fa ‘nataony mafy orina ny tany’, mba haharitra mandrakizay. Tsy ho lany daty mihitsy ny tany!—Salamo 119:90.

Mety hahavita hanimba tanteraka ny tany ve anefa ny olona tsy misaina? Tsy izany velively! “Mahay manao ny zava-drehetra” i Jehovah fa tsy toy ny olombelona. (Joba 42:2) Izany no mahatonga azy ho afaka hanome toky hoe: ‘Hahomby ny teny aloaky ny vavako.’ (Isaia 55:11) Afaka matoky isika fa tsy hamela na iza na iza hanakana azy tsy hanatanteraka ny fikasany ho an’ny tany ilay “Mpanao antsika.” (Salamo 95:6) Inona izany fikasany izany, ary ahoana no hanatanterahany azy io?

Hanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra ny Fanjakany

Manome toky antsika ny Tenin’Andriamanitra fa tsy ho lany daty mihitsy ny tany. Lazainy koa fa ‘natao honenana’ izy io. (Isaia 45:18) Marina fa efa nonenana nandritra ny an’arivony taona ny tany, kanefa tsy nahatanteraka ny fikasan’Andriamanitra izany.

“Andriamanitra falifaly” i Jehovah sady “tia rariny.” (1 Timoty 1:11; Salamo 37:28) Tiany ho sambatra sy ho afaka amin’ny tsy rariny ny olombelona rehetra. Ahoana no hanatanterahany an’izany fikasany izany? Nilaza mialoha izy fa hanorina Fanjakana any an-danitra, ary hanapaka ny tany manontolo izy io. (Daniela 2:44) Niresaka momba ny fitondram-panjakan’Andriamanitra foana i Jesosy, tamin’izy tetỳ an-tany. Nampirisihiny hangataka ny hahatongavan’izy io ny mpianany, satria fantany ireo fitahiana hoentin’izy io ho an’ny tany. (Matio 6:9, 10; 24:14) Inona no sasany amin’izany fitahiana izany?

Hanjaka ny fiadanana sy filaminana satria mampanantena Andriamanitra fa tsy hisy intsony ny ady.Salamo 46:9.

Hisy sakafo ampy ho an’ny rehetra. —Salamo 72:16.

Tsy hanahirana intsony ny aretina satria ‘tsy hisy hilaza hoe: “Marary aho.” ’—Isaia 33:24.

Ho foana ny fahoriana satria “tsy hisy fahafatesana intsony.”—Apokalypsy 21:4.

Mampanantena Andriamanitra fa samy hanao ny tranony ny olony, ary tsy hanana ahiahy sy ‘hifaly mandrakizay.’—Isaia 65:17-24.

Azo inoana fa irinao mafy ny hankafy an’ireo voalaza ireo. Tena tsy andrin’i Jehovah ny hanatanterahany an’izay rehetra efa nolazainy. (Isaia 9:6, 7) Mety hilaza anefa ianao hoe: ‘Fa maninona no mbola tsy tanteraka foana ny fampanantenany ao amin’ny Baiboly, nefa efa an’arivony taona izay no nanoratana azy ireny?’

Ho voavonjy isika noho ny faharetan’Andriamanitra

Matokia fa “tsy mba ela i Jehovah raha ny amin’ny fampanantenany.” Manazava ny Baiboly fa tia antsika izy ka manam-paharetana amintsika. Ampirisihina àry isika mba ‘hihevitra ny faharetan’ny Tompontsika ho famonjena.’ (2 Petera 3:9, 15) Nahoana anefa no ilaina mba hahavoavonjy antsika ny faharetan’Andriamanitra?

Fantatr’Andriamanitra fa tsy maintsy ‘handringana izay manimba ny tany’ izy aloha, vao ho afaka hanome fonenana azo antoka sy mahafa-po ho an’ny olo-marina. (Apokalypsy 11:18) Tiany anefa ny olombelona ka “tsy tiany hisy ho ringana.” Manam-paharetana àry ilay Raintsika any an-danitra, ka miezaka ‘mampitandrina ny ratsy fanahy mba hialany amin’ny lalan-dratsiny.’ Noho izany, dia ataony izay hitoriana eran-tany ny hafatra momba ilay Fanjakana. * (Ezekiela 3:17, 18) Hovonjena sy hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany izay rehetra mankatò ny fampitandreman’Andriamanitra sy manao zavatra mifanaraka amin’ny fitsipiny marina.

Mitadiava an’Andriamanitra dia ho voavonjy ianao

Mirakitra ‘vaovao tsara’ ho antsika tokoa ny Baiboly. (Matio 24:14) Ao mantsy no misy ny fanomezan-toky avy amin’Andriamanitra hoe tsy ho potika mihitsy ny tany. Azontsika antoka koa fa “rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy”, araka ny faminanian’ny Baiboly. Tsy ho ela dia ny olo-marina eo imason’Andriamanitra ihany no “handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.” (Salamo 37:9-11, 29; Matio 5:5; Apokalypsy 21:3, 4) Mandra-pahatongan’izany, dia tsy mitsahatra milaza i Jehovah hoe: “Mitadiava ahy dia ho voavonjy ianareo rehetra any amin’ny faran’ny tany.” (Isaia 45:22) Inona àry no hataonao?

Nahoana raha manapa-kevitra ny hitady an’Andriamanitra? Mampirisika antsika toy izao ny Salamo 37:34: “Aoka ianao hanantena an’i Jehovah sy hanaraka ny lalany, dia hanandratra anao izy ary handova ny tany ianao.” Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hanampy anao hahalala bebe kokoa momba ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany, sy izay tokony hataonao raha te ho eo ianao rehefa ho tanteraka izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 21 Mankatò ny didin’i Jesosy ao amin’ny Matio 28:19, 20 ireo Vavolombelon’i Jehovah fito tapitrisa mahery any amin’ny tany 236. Mandany 1 500 tapitrisa ora eo ho eo isan-taona izy ireo, mba hampianarana ny olona momba ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 22]

NASA photo