Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Mpanatanteraka Fampanantenana

Ilay Mpanatanteraka Fampanantenana

Manatòna an’Andriamanitra

Ilay Mpanatanteraka Fampanantenana

JOSOA 23:14

SAROTRA aminao ve ny matoky olona? Mampalahelo fa fahita ny olona tsy azo itokisana. Mafy taminao angamba ny nataon’ny olona nitokisanao, satria nandainga izy na nivadika tamin’ny teniny. Lasa tsy matoky olona àry ianao. Misy olona iray azonao itokisana anefa, ary tsy handiso fanantenana anao mihitsy izy. Mampirisika antsika ny Ohabolana 3:5 hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo.” Nahoana i Jehovah no mendri-pitokisana? Andeha isika handinika ny tenin’i Josoa ao amin’ny Josoa 23:14 mba hamaliana izany. Natoky tanteraka an’i Jehovah mantsy izy.

Eritrereto ny zava-nisy tamin’izay. Efa ho 110 taona i Josoa, ilay nandimby an’i Mosesy mba hitarika ny Israely. Nanatri-maso ny maro tamin’ireo asa lehibe nataon’i Jehovah ho an’ny Israelita izy. Anisan’izany asa lehibe izany ilay fanafahana mahagaga teo amin’ny Ranomasina Mena, 60 taona talohan’izay. Namisavisa ny lasa izy ka nampiantso “ny anti-panahy sy ireo lohany teo [amin’ny Israely] ary ny mpitsarany sy ny mpiadidiny.” (Josoa 23:2) Ho hita amin’izay nolazainy fa manam-pahendrena izy noho ny taona ela niainany, sady feno fatokisana ny fony.

Hoy i Josoa: “Efa handeha amin’ny lalana falehan’ny tany rehetra aho izao.” Nampiasa an’io oha-pitenenana io izy mba hilazana fa efa ho faty. Toy ny nilaza izy hoe: “Kely sisa ny fotoana iainako.” Azo inoana fa nandany ora maro izy mba hisaintsainana ny fiainany, satria fantany fa efa ho faty izy. Inona no hafatra farany napetrany tamin’ireo Israelita namany?

Hoy ihany izy: “Tsy nisy tsy tanteraka na iray aza ny fampanantenana rehetra nolazain’i Jehovah Andriamanitrareo taminareo. Efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra. Tsy nisy tsy tanteraka na iray aza.” Izany ka tenin’olona tena natoky an’Andriamanitra! Nisaintsaina ny zavatra hitany i Josoa ka natoky an’i Jehovah, satria fantany fa manatanteraka ny fampanantenany foana izy. * Mazava ny tanjon’i Josoa: Tiany hatoky tanteraka ireo Israelita namany fa hotanterahin’i Jehovah izay rehetra nampanantenainy.

Izao no lazain’ny boky iray mamakafaka Baiboly, momba ny Josoa 23:14: “Diniho tsirairay ireo fampanantenan’ny Baiboly. Karohy ny firaketan’izao tontolo izao, ary fotopotory ny zavaboary rehetra fa tsy hahita mihitsy ianao hoe nanadino na nivadika tamin’ny fampanantenany Andriamanitra.” Ho toa an’i Josoa isika raha mahavita fikarohana lalina toy izany, ka hanatsoaka hevitra fa tanteraka foana ny fampanantenan’i Jehovah.—1 Mpanjaka 8:56; Isaia 55:10, 11.

Maro ny fampanantenan’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. Efa tanteraka izy ireny ary hitantsika mihitsy ny fahatanterahan’ny sasany aminy. Hita ao koa ireo fampanantenan’i Jehovah momba ny hoavintsika. * Nahoana raha mandinika azy ireny? Hiaiky ianao rehefa mianatra Baiboly fa mendri-pitokisana ilay Mpanatanteraka fampanantenana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Nahita ny fahatanterahan’ireto fampanantenana na fanomezan-toky ireto, ohatra, i Josoa: Hanome tany ho an’ny Israelita i Jehovah. (Ampitahao amin’ny Genesisy 12:7 ny Josoa 11:23.) Hanafaka ny Israelita avy any Ejipta izy. (Ampitahao amin’ny Eksodosy 3:8 ny Eksodosy 12:29-32.) Hikarakara ny vahoakany izy.—Ampitahao amin’ny Eksodosy 16:4, 13-15 ny Deoteronomia 8:3, 4.

^ feh. 9 Miresaka ny fampanantenan’Andriamanitra momba ny hoavintsika koa ny toko 3 sy 7 ary 8 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.