Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lehilahy Nanetry Tena sy Be Herim-po

Lehilahy Nanetry Tena sy Be Herim-po

Ho An’ny Ankizy sy ny Tanora

Lehilahy Nanetry Tena sy Be Herim-po

JONA—FIZARANA 1

Toromarika: Tsara raha amin’ny toerana mangina ianao no mamaky ny andinin-teny eto ambany. Alao sary an-tsaina ilay tantara. Ataovy toy ny hoe teo mihitsy ianao, ka renao ny feo manodidina sy ny olona miteny, ary tsapanao ny fihetseham-pon’ireo olona asongadina ao.

1 ALAO SARY AN-TSAINA ILAY TANTARA.VAKIO NY JONA 1:1-17; 2:10–3:5.

Nanao ahoana ny mety ho fifofofofon’ny rivotra sy ny firotsak’ilay oram-baratra?

․․․․․

Nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Jona sy ireo tantsambo, rehefa jerena ny zavatra nolazainy?

․․․․․

Soraty eto ambany izay nety ho tao an-tsain’i Jona tamin’izy nilentika tao an-dranomasina sy rehefa natelin’ny trondro be. (Vakio ny Jona 2:1-9.)

․․․․․

2 FAKAFAKAO ILAY TANTARA.

Olona nanao ahoana no nipetraka tao Ninive? Nahoana i Jona no tsy te hanatona azy ireo, tamin’ny voalohany? (Nahoma 3:1)

․․․․․

Araka ny hevitrao, nahoana i Ninive no “tanàna lehibe teo imason’Andriamanitra”? (Jona 3:3; 2 Petera 3:9)

․․․․․

Noresahin’i Jona tamim-pahatsorana ny zavatra tsy nety nataony sy ny momba an’Andriamaniny. Inona no asehon’izany momba azy? (Vakio indray ny Jona 1:9, 10.)

․․․․․

Tsy fantatr’i Jona izay nitranga tao amin’ilay sambo, rehefa natsipy tao anaty rano izy. Ahoana anefa no nety ho nahafantarany an’izany, tatỳ aoriana? (Vakio indray ny Jona 1:15, 16.)

․․․․․

3 AMPIHARO IZAY NIANARANAO. SORATY ETO IZAY NIANARANAO MOMBA NY . . .

Tahotra.

․․․․․

Fanetren-tena.

․․․․․

Herim-po.

․․․․․

Ny fiheveran’i Jehovah ny olona, na dia ireo heverintsika fa ratsy fanahy aza.

․․․․․

4 INONA NO HEVI-DEHIBE HITANAO AMIN’IO TANTARA IO? NAHOANA?

․․․․․

Raha te hanao fikarohana ianao, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 2009, pejy 25-28.

TIANAO VE NY HIANATRA BAIBOLY? MANORATA AMIN’NY mpampanonta an’ity gazety ity