Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Andriamanitra no Nandringana ny Kananita?

Nahoana Andriamanitra no Nandringana ny Kananita?

Nahoana Andriamanitra no Nandringana ny Kananita?

“Tsy maintsy haringanao tanteraka ny Hetita sy ny Amorita, ny Kananita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita, araka izay nandidian’i Jehovah Andriamanitrao anao.”—DEOTERONOMIA 20:17.

“Mihavàna amin’ny olona rehetra.”—ROMANINA 12:18.

MIFANOHITRA ve ireo andinin-teny ireo? Tsy azon’ny olona maro hoe nahoana Andriamanitra no nandidy ny vahoakany ho tia fihavanana, nefa koa nibaiko azy ireo handringana ny Kananita. * (Isaia 2:4; 2 Korintianina 13:11) Hafahafa amin’izy ireo izany.

Raha afaka miresaka amin’Andriamanitra momba izany ianao, inona no hanontanianao azy? Ireto misy fanontaniana fametraky ny olona sy ny valiny omen’ny Baiboly.

1. Nahoana no nesorina teo amin’ny tany nipetrahany ny Kananita? Tsy tanin’izy ireo izy io. Nampanantena an’i Abrahama Andriamanitra, 400 taona talohan’izay, fa ny taranany no honina ao Kanana. (Genesisy 15:18) Ny Israelita no taranak’i Abrahama. Nitana ny teniny Andriamanitra, ka nataony izay honenan’izy ireo tao amin’ilay tany. Mety hisy hilaza hoe ny Kananita no efa nipetraka tao, ka manan-jo honina ao. Andriamanitra anefa no Mpanjakan’izao rehetra izao, ka afaka mandidy hoe iza no honina ao amin’ny faritra iray.—Asan’ny Apostoly 17:26; 1 Korintianina 10:26.

2. Nahoana ny Israelita no tsy navelan’Andriamanitra hiara-monina tamin’ny Kananita? Hoy Andriamanitra: “Tsy tokony honina ao amin’ny taninao izy ireo, sao hahatonga anao hanota amiko. Raha sanatria manompo an’ireo andriamaniny ianao, dia ho fandrika ho anao izany.” (Eksodosy 23:33) Hoy i Mosesy tatỳ aoriana: “Noho ny haratsiam-panahin’ireo firenena ireo no handroahan’i Jehovah Andriamanitrao azy.” (Deoteronomia 9:5) Ratsy fanahy tokoa ve izy ireo?

Naloto fitondran-tena sy nanompo sampy ary nanao sorona zazakely ny Kananita. Nilaza i Henry Halley, mpahay tantara ara-baiboly, fa nahitana “siny maro be nisy fatin-jazakely natao sorona ho an’i Bala [andriamanitry ny Kananita]” tao Kanana, rehefa nohadina. ‘Feno fatin-jazakely nilevina tao. Fomban’ny Kananita ny nanao sorona ny zanany voalohany sy nanaram-po tamin’ny firaisana rehefa nanompo ny andriamaniny. Toa an’i Sodoma sy Gomora ilay tany manontolo. Manontany tena ny mpikaroka hoe nahoana Andriamanitra no tsy nandringana azy ireo taloha kokoa.’

3. Moa ve tsy nisy ratsy fanahy hafa tamin’izany, no dia ny Kananita irery no noringanina? Efa imbetsaka Andriamanitra no nandringana ny ratsy fanahy. Feno herisetra, ohatra, ny tany tamin’ny andron’i Noa, ka noringaniny tamin’ny safodrano ny olon-drehetra afa-tsy ry Noa mianakavy. (Genesisy 6:11; 2 Petera 2:5) Noravany koa i Sodoma sy Gomora rehefa ‘tena navesatra’ ny fahotan’ny olona tao. (Genesisy 18:20; 2 Petera 2:6) Efa saika noravany koa i Ninive, renivohitr’i Asyria, satria “tanàna mpandatsa-dra.” Nibebaka anefa ny mponina tao, ka tsy naringany indray. (Nahoma 3:1; Jona 1:1, 2; 3:2, 5-10) Nandringana ny Kananita koa àry Andriamanitra mba hiarovana ny firenen’ny Israely, satria avy ao no hipoiran’ny Mesia.—Salamo 132:11, 12.

4. Raha fitiavana Andriamanitra, nahoana izy no nandringana ny Kananita? Toa tsy manam-pitiavana tokoa izy rehefa jerena maimaika izay nitranga. Tena hita anefa fa be fitiavana izy, rehefa dinihina tsara ny zava-nisy.—1 Jaona 4:8.

Efa ela no hitan’Andriamanitra fa ratsy fanahy ny mponin’i Kanana. Tsy nandringana azy ireo avy hatrany anefa izy, fa niandry 400 taona. Tamin’izay vao ‘nahatratra ny fara tampony’ ny fahadisoan’izy ireo.—Genesisy 15:16.

Rehefa hitan’i Jehovah fa tsy hiova intsony izy ireo vao noringaniny. Tsy nandringana be fahatany anefa izy. Nisy nibebaka mantsy tamin’izy ireo, ka namindrany fo. Anisan’izany i Rahaba sy ny Gibeonita.—Josoa 9:3-11, 16-27; Hebreo 11:31.

5. Andriamanitra fitiavana ve dia handringana olona? Ara-dalàna izany fanontaniana izany, satria mahatsiravina ny mahita olona vonoina. Fitiavana anefa no nahatonga an’Andriamanitra hanao izany. Aoka hatao hoe lo ny tongotry ny olona iray. Tsy manan-tsafidy ny dokotera fa tsy maintsy manapaka an’ilay izy. Tsy mahafinaritra azy ny manao izany, nefa ataony satria tia an’ilay marary izy. Fantany mantsy fa hitatra ilay lo, raha avela amin’izao fotsiny.

Toy izany koa fa tsy nahafinaritra an’i Jehovah ny nandringana ny Kananita. Hoy izy: “Tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy.” (Ezekiela 33:11) Avy ao amin’ny firenen’ny Israely anefa no tiany hivoahan’ny Mesia, ilay hamonjy an’ireo manam-pinoana. (Jaona 3:16) Tiany ho masina ny Israelita, ka tsy iriny haka tahaka ny fanao maharikorikon’ny Kananita. Nasainy nesorina teo amin’ilay tany àry ny Kananita. Tena tia ny mpanompony Andriamanitra matoa nahavita zavatra tsy mahafinaritra toy izany mba hahasoa azy ireo.

Lesona ho antsika

Misy lesona azontsika raisina ve avy amin’ny nandringanana ny Kananita? Eny, satria hoy ny Romanina 15:4: “Izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny alalan’ny fiaretantsika sy ny fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina.” Inona no fianarana raisintsika avy amin’izay nanjo ny Kananita, ary nahoana izany no manome fanantenana antsika?

Namindra fo tamin’i Rahaba sy ny Gibeonita, ohatra, Andriamanitra, satria nino azy izy ireo. Afaka mampifaly an’Andriamanitra àry izay tena maniry hanao izany, na inona na inona firazanany na fahotana vitany.—Asan’ny Apostoly 17:30.

Manome fanantenana koa ny nandringanan’Andriamanitra ny Kananita, satria manampy antsika hahalala izay hataony tsy ho ela. Tsy havelany handresy ny tsara mihitsy ny ratsy. Voalazan’ny Baiboly fa handringana ny ratsy fanahy rehetra izy. Hovonjeny kosa ireo tia azy, ka hiaina ao amin’ny tontolo vaovao hanjakan’ny rariny. (2 Petera 2:9; Apokalypsy 21:3, 4) Ho tanteraka ireto teny mampahery ireto: “Aoka ianao hanantena an’i Jehovah sy hanaraka ny lalany, dia hanandratra anao izy ary handova ny tany ianao. Ho hitanao ny handringanana ny ratsy fanahy.”—Salamo 37:34.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Izay firenena rehetra nasain’Andriamanitra noroahin’ny Israely no atao hoe “Kananita” ato.

[Efajoro, pejy 14]

Miditra Amin’ny Adin’ny Olombelona ve Andriamanitra?

Miditra amin’ireny ady ankehitriny ireny ve Andriamanitra, satria na izy aza nandidy ny Israelita handringana ny Kananita? Tsia. Ireto misy antony telo:

Tsy misy firenena tohanan’Andriamanitra intsony ankehitriny. Tsy vahoaka misolo tena an’Andriamanitra intsony ny Israelita, rehefa tsy nanaiky an’i Jesosy ho Mesia. Tsy ampiasainy handringana ny ratsy fanahy intsony àry izy ireo. (Matio 21:42, 43) Lasa toy ny firenena hafa rehetra ihany ny Israely aminy. (Levitikosy 18:24-28) Tsy manohana na iza na iza intsony àry Andriamanitra, rehefa misy ady.

Tsy asain’i Jehovah mipetraka ao amin’ny faritra iray intsony ny vahoakany. Any amin’ny “firenena sy foko” rehetra kosa izy ireo.—Apokalypsy 7:9; Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

Nilaza mazava tsara i Jesosy fa tsy hiady ny mpanara-dia azy. Rehefa nampitandrina azy ireo, ohatra, izy hoe hisy hanafika i Jerosalema, dia tsy nampirisihiny hiady izy ireo fa handositra. (Matio 24:15, 16) Nanao izany tokoa izy ireo. Tsy mandeha miady àry ny tena Kristianina. Matoky tanteraka kosa izy ireo fa ny Fanjakan’Andriamanitra no hanala ny faharatsiana rehetra. —Daniela 2:44; Jaona 18:36.

[Sary, pejy 15]

Hita avy amin’ny tantaran’i Rahaba fa afaka mampifaly an’Andriamanitra izay tena maniry hanao izany