Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Andriamanitra no Te Hanome Fiainana Mandrakizay Antsika?

Nahoana Andriamanitra no Te Hanome Fiainana Mandrakizay Antsika?

Manontany ny Mpamaky

Nahoana Andriamanitra no Te Hanome Fiainana Mandrakizay Antsika?

▪ Mampanantena “fiainana mandrakizay” antsika Andriamanitra. (Jaona 6:40) Nahoana? Satria ve rariny raha mahazo izany isika?

Tafiditra amin’ny hoe manao ny rariny ny fanomezana ho an’ny olona iray ny zavatra mendrika ho azy. Mendrika hahazo fiainana mandrakizay ve isika? Tsia. Hoy ny Baiboly: “Na iza na iza olo-marina eto ambonin’ny tany ka manao ny tsara dia mbola manota ihany.” (Mpitoriteny 7:20) Misy sazy miandry an’izay manota. Nampitandrina an’i Adama razambentsika Andriamanitra fa ho faty izy raha manota. (Genesisy 2:17) Hoy koa ny apostoly Paoly, tatỳ aoriana: “Fahafatesana no tambin’ny ota.” (Romanina 6:23) Raha mendrika ny ho faty àry ny taranak’i Adama rehetra, nahoana Andriamanitra no mbola te hanome fiainana mandrakizay azy ireo?

“Fanomezana maimaim-poana” ny fiainana mandrakizay. Hita amin’izany fa tena lehibe ny fitiavan’Andriamanitra sy ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa. Hoy ny Baiboly: “Samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra. Toy ny fanomezana maimaim-poana anefa ny fanambarana azy ireo ho marina noho ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa, amin’ny alalan’ny fanafahana nentin’ny vidim-panavotana naloan’i Kristy Jesosy.”—Romanina 3:23, 24.

Homen’Andriamanitra fiainana mandrakizay izay tia azy, na dia mendrika ny ho faty aza. Tsy rariny ve izany? Hoy ny Baiboly: ‘Inona àry no holazaintsika? Misy tsy rariny ve amin’Andriamanitra? Sanatria izany! Fa hoy izy tamin’i Mosesy: “Hamindra fo amin’izay hamindrako fo aho, ary hangoraka an’izay hangorahako.” Fa iza tokoa moa ianao no hamalivaly an’Andriamanitra?’—Romanina 9:14-20.

Any amin’ny tany sasany, dia azon’ny manam-pahefana na ny mpitsara omena fampihenan-tsazy na famotsoran-keloka ny mpanao ratsy, na dia voasazy mafy aza. Izay mpanao ratsy miova sy tsy mikomy ihany anefa no amindrany fo. Azo lazaina hoe maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa ilay manam-pahefana na ilay mpitsara amin’izany.

Azon’i Jehovah atao koa àry ny tsy manasazy ny mpanota, na dia mendrika izany aza izy ireo. Azony omena fiainana mandrakizay izay tia azy sy mankatò ny didiny. Ny fitiavany no mahatonga azy hanao izany. Hoy ny Baiboly: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.”—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

Nirahin’i Jehovah hijaly sy ho faty ho antsika ny Zanany. Io no porofo lehibe indrindra fa tia antsika izy. Hoy i Jesosy: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”—Jaona 3:16.

Ankasitrahan’Andriamanitra daholo izay tia azy sy manao ny sitrapony, na inona na inona firazanan’izy ireo. Ny hatsaram-panahiny sy ny fitiavany tsy manam-paharoa àry no mahatonga an’Andriamanitra hanome antsika fiainana mandrakizay.

[Teny notsongaina, pejy 29]

Ny hatsaram-panahiny sy ny fitiavany tsy manam-paharoa no mahatonga azy hanome ny fiainana mandrakizay