Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Tranon’izy Ireo

Ny Tranon’izy Ireo

Ny Fiainan’ny Kristianina Voalohany

Ny Tranon’izy Ireo

‘Tsy niahotra aho nampianatra anareo ampahibemaso sy isan-trano.’—ASAN’NY APOSTOLY 20:20.

MISY vavahady lehibe ny tanàna tamin’ny taonjato voalohany, ary mazàna no eny amin’ny havoana. Vao tafiditra ao ianao, dia mahita trano fotsy lehibe maro erỳ ambony. Tsara tarehy izy ireny, ary mamiratra erỳ tarafin’ny masoandro. Amin’ireo no mipetraka ny mpanankarena. Matetika no misy zaridaina mifefy eo an-tokotany. Tsy mitovy amin’ireo kosa ny trano erỳ ambany kokoa. Trano vato lehibe misy rihana izy ireo, ary milahatra manaraka arabe vita rarivato. Ny mpivarotra sy ny olona manana tany maro no mipetraka amin’ireny. Eny amin’ny faritra iva indray ny mahantra. Trano kely ratsiratsy sy mifanizina no hita eny. Misy tokotany kely eo afovoan’izy ireny, na misy lalan-kely manasaraka azy.

Be olona eny an-dalana. Mandre feo sy fofona isan-karazany ianao eny. Mahandro sakafo ny vehivavy, ary manitra erỳ ilay izy. Mandre feom-biby sy feon’ankizy milalao koa ianao, ary mahita lehilahy miasa mafy. Masisosiso ao am-piasany, sady tsy ifandrenesana.

Tao an-trano ny androatokom-piainan’ny fianakaviana kristianina. Tao izy ireo no nanao asa aman-draharaha sy nivavaka ary nampianatra ny zanany momba an’Andriamanitra.

Ny tranon’ny mahantra Toy ny amin’izao andro izao ihany, dia tsy mitovy ny habeny sy ny endriny, arakaraka ny faritra misy azy sy ny vola ananan’ny tompony. Tena kely ny trano sasany (1). Efitra tokana ilay izy sady maizimaizina, nefa misisika ao ny fianakaviana manontolo. Biriky tany na vato tsy voapaika ny rindrina, ary vato ny fototra.

Nolalorina ny rindrina anatiny, ary natao rarivato ny gorodona, ka nila nokojakojaina matetika. Misy lavaka kely iray, fara fahakeliny, eo amin’ny tafo na ny rindrina, ary io no fivoahan-tsetroka. Izay fanaka tena nilaina ihany no nisy tao an-trano.

Rihitra tanimanga no natao tafo. Hazo sy rantsankazo ary bararata no nipetrahany, ary nisy rairaindrihana tao ambaniny. Nisy andry nanohana an’ireo. Nolalorina ilay tafo ka tsy mora tantera-drano. Tohatra hazo eo ivelany no niakarana tao an-tampon-trano.

Nahafinaritra ny tranon’ny Kristianina nahantra, na dia tery aza. Afaka nianatra zavatra maro momba an’Andriamanitra mantsy izy ireo tao, ary sambatra.

Ny tranon’ny olona antonintoniny Trano vato lehibe ilay izy (2), sady nisy rihana iray nasiana efitra fandraisam-bahiny. (Marka 14:13-16; Asan’ny Apostoly 1:13, 14) Azo nanaovana fivoriana na fety tao amin’io efitra io. (Asan’ny Apostoly 2:1-4) Vita tamin’ny vatosokay natambatra tamin’ny rihitra sokay ilay trano. Toy izany koa ny tranon’ny mpivarotra sy ny olona manana tany maro (3), saingy lehibe kokoa ny azy. Rarivato ny gorodona, ary voalalotra izy io sy ny rindrina anatiny. Nolokoana fotsy kosa ny rindrina ivelany.

Nisy tohatra nankany ambony rihana sy nankany an-tampon-trano. Nasiana arofanina ny tampon-trano mba tsy hampidi-doza. (Deoteronomia 22:8) Nisy tafokely nanalokaloka koa tao. Afaka nipetrapetraka teo ambaniny ianao rehefa nafana ny andro, mba hianatra, na hisaintsaina, na hivavaka, na haka aina.—Asan’ny Apostoly 10:9.

Tena mafy ireny trano ireny. Nalalaka koa anefa izy ireny, ka afaka nipetrahan’ny havana. Maromaro ny efitra fatoriana, ary lehibe ny lakozia sy ny efitra fisakafoana.

Ny tranon’ny mpanankarena Nitovy tamin’ny trano romanina izy ireny (4), saingy samy hafa ny habeny sy ny endriny ary ny fitaovana nanorenana azy. Misy, ohatra, ahitana efitra malalaka maromaro. Eo afovoan’ireo ny efitra fisakafoana, izay toerana fihaonan’ny mpianakavy. Ny hafa indray nisy rihana iray na roa (5), na koa nahitana zaridaina mifefy.

Lafo vidy ny fanaka tao amin’ireny trano ireny. Nisy aza voaravaka ivoara sy volamena. Nahitana toerana fandroana sy rano tamin’ny paompy ary fanafanana koa tao. Hazo na marbra maro loko ny gorodona, ary norakofana hazo sedera ny rindrina. Nisy ridao sy hazo makarakara fiarovana amin’ny mpangalatra ny varavarankely. Natevina ny rindrina, ka azo nipetrahana teo am-baravarankely.—Asan’ny Apostoly 20:9, 10.

Tia nandray vahiny sy nalala-tanana ireo Kristianina voalohany, na lehibe na kely ny tranony. Tsy sahirana àry ny mpiandraikitra mpitety faritany rehefa nitsidika fiangonana, satria tsy maintsy nisy fianakaviana tsara fanahy nampiantrano azy.—Matio 10:11; Asan’ny Apostoly 16:14, 15.

Ny ‘tranon’i Simona sy Andrea’ Nandray tsara an’i Jesosy ny olona tao “an-tranon’i Simona sy Andrea”, tany Kapernaomy. (Marka 1:29-31) Toa tsotsotra ny tranon’ireo mpanarato ireo (6). Angamba nifanizina tamin’ny trano maromaro izy io, ary rarivato ny tokotany.

Nanatrika ny tokotany ny varavarana sy varavarankely. Teo an-tokotany ny olona mazàna no nahandro sakafo, nanao mofo, nitoto koba, niresadresaka, ary nisakafo.

Vita tamin’ny vato avy amin’ny volkano ireo trano tsy nisy rihana tany Kapernaomy. Marin-tampona ny tafo, ary vita tamin’ny rihitra tanimanga na taila. Bararata sy hazo no nipetrahan’ilay izy, ary nisy rairaindrihana tao ambaniny. Nisy andry nanohana an’ireo. (Marka 2:1-5) Rarivato ny gorodona, ary mazàna no nasiana tsihy.

Tanàna nety tsara ho an’ny mpanarato i Kapernaomy, satria akaikin’ny Ranomasin’i Galilia. Feno trano teny akaikin’ilay ranomasina, ka lasa nisy arabe sy lalan-kely maro.

“Isan-trano” Isan-karazany àry ny tranon’ny Kristianina voalohany. Efitra tokana ny sasany, ary biriky tany. Ny hafa kosa lehibe sy tsara tarehy ary vita tamin’ny vato.

Tsy natao hipetrahana fotsiny ireny trano ireny. Tao koa ny fianakaviana no nianatra momba an’Andriamanitra sy niara-nivavaka. Nanaovana fivoriana ny tranon’ny Kristianina sasany. Niara-nianatra Baiboly sy nifampahery izy ireo tamin’izany. Nampihatra izay nianarany izy ireo, rehefa nanao ilay asa lehibe nanirahana azy, dia ny fitoriana sy fampianarana “isan-trano” nanerana ny fanjakana romanina.—Asan’ny Apostoly 20:20.