Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Nivadika na dia teo aza ny Fitsapana

Tsy Nivadika na dia teo aza ny Fitsapana

Tahafo ny Finoan’izy Ireo

Tsy Nivadika na dia teo aza ny Fitsapana

TAO amin’ny synagogan’i Kapernaomy i Jesosy sy ny mpianany. Natahotahotra i Petera nijery an’ireo olona nihaino an’i Jesosy. Tanàna niavian’i Petera mantsy i Kapernaomy. Teo akaiky teo koa ny toerana fanaratoany, dia ny Ranomasin’i Galilia. Maro àry ny havany sy namany ary mpiara-miasa taminy nonina tao. Nanantena i Petera hoe ho faly toa azy ny olona, rehefa hiresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra ilay mpampianatra lehibe. Toa tsy izany anefa no hitranga.

Maro no tsy nety nihaino an’i Jesosy intsony. Nisy koa nimenomenona momba ny fampianarany. Ny fihetsiky ny mpianatra sasany anefa no tena nampanahy an’i Petera. Faly erỳ izy ireo tamin’ny voalohany, rehefa nianatra zava-baovao momba an’Andriamanitra. Kivikivy anefa ry zareo izao sady sosotra. Sahy niteny mihitsy aza ny sasany hoe manafintohina ny tenin’i Jesosy. Nivoaka an’ilay synagoga izy ireo, ary tsy nety niaraka tamin’i Jesosy intsony.

Very hevitra i Petera sy ny apostoly hafa. Na i Petera aza mantsy tsy tena nahazo izay tian’i Jesosy holazaina. Toa manafintohina tokoa ny tenin’i Jesosy. Ahoana anefa no hataon’i Petera? Tsy vao tamin’io izy no sahiran-tsaina raha mbola hiaraka amin’i Jesosy na tsia. Tsy io koa no farany. Nanampy an’i Petera tsy hivadika anefa ny finoany. Andeha hojerentsika izany.

Tsy voatarika hivadika

Imbetsaka i Petera no gaga tamin’i Jesosy. Matetika mantsy no tsy araka ny nantenain’ny olona izay nolazainy sy nataony. Nanao fahagagana, ohatra, i Jesosy ny omalin’io, mba hamahanana olona an’arivony, ka noteren’izy ireo hatao mpanjaka. Gaga anefa ny olona fa nandositra izy, sady nanery ny mpianany handeha sambo ho any Kapernaomy. Talanjona indray ny mpianany raha mbola teny ambony sambo ny alin’iny, satria nandeha teny ambony ranomasina nisamboaravoara i Jesosy. Nampianatra an’i Petera hanam-pinoana izy tamin’izay. *

Hitan’izy ireo nony maraina fa hay nanaraka azy ny vahoaka. Tsy hoe te hihaino an’i Jesosy anefa izy ireo fa te hahazo sakafo fotsiny. Nanarin’i Jesosy izy ireo satria sain-kanina. Nitohy tany amin’ny synagogan’i Kapernaomy io resaka io. Gaga tamin’i Jesosy indray ny olona tao, satria nampianatra zavatra saro-takarina izy. Tena zava-dehibe anefa izay nolazainy.

Tsy tian’i Jesosy hihevitra ny olona hoe mpanao asa soa fotsiny izy. Tiany ho takatr’izy ireo kosa fa nirahin’Andriamanitra hampianatra sy ho faty ho an’ny olombelona izy, mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay. Nanao fanoharana àry izy, ka nampitovy ny tenany tamin’ny mana, izay mofo nilatsaka avy tany an-danitra tamin’ny andron’i Mosesy. Nanohitra azy anefa ny olona, ka vao mainka izy nilaza zavatra nahagaga. Niteny izy hoe mila mihinana ny nofony sy ny rany ny olona raha te hiaina mandrakizay. Teo vao tena tezitra ny olona. Hoy ny sasany: “Manafintohina izany teny izany. Iza no mahahaino izany?” Maro tamin’ny mpianatr’i Jesosy àry no nandao azy. *Jaona 6:48-60, 66.

Ahoana izao no hataon’i Petera? Na izy koa aza mantsy tsy nahazo ny tenin’i Jesosy. Tsy tena mbola takany hoe tsy maintsy ho faty i Jesosy mba hanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra. Voatarika handao an’i Jesosy toa an’ireo mpianatra hafa ve izy? Tsia. Nisy tsy nampitovy azy tamin’ireo. Inona izany?

Nanontany ny apostoliny i Jesosy hoe: “Ianareo koa ve mba te hiala?” (Jaona 6:67) Ireo 12 lahy no nanontaniany, fa i Petera no namaly. Efa fanaon’i Petera matetika izany. Izy angamba no zokiny indrindra. Izy koa no sahy niteny indrindra. Toa nahalana izy vao tsy nilaza ny heviny. Mampihetsi-po sy tsy hay hadinoina ny valin-teniny. Hoy izy: “Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.”—Jaona 6:68.

Tsy manohina ny fonao ve ireo teny ireo? Nino an’i Jesosy i Petera, ka izany no nanampy azy tsy hivadika mihitsy. Natoky tanteraka izy fa i Jesosy irery no Mpamonjy, ary izay manaiky ny fampianarany momba ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no ho voavonjy. Marina fa nisy zavatra tsy azon’i Petera. Niaiky anefa izy fa izay manara-dia an’i Jesosy ihany no hahazo sitraka amin’Andriamanitra sy hiaina mandrakizay.

Mino izany koa ve ianao? Mampalahelo fa maro no milaza hoe tia an’i Jesosy nefa mivadika aminy rehefa iharam-pitsapana. Mila manahaka an’i Petera isika raha tsy te hivadika amin’i Kristy. Tokony handray tsara sy hiezaka hahatakatra ny fampianarany isika, ary hampihatra izany, na dia tsy azoazontsika aza ilay izy, na somary mahagaga antsika. Raha tsy mivadika ihany isika vao hahazo ilay fiainana mandrakizay tian’i Jesosy ho azontsika.

Tsy nivadika na dia nanarina aza

Nandeha sambo i Jesosy sy ny apostoliny ary ny mpianany sasany, taoriana kelin’izay. Tazan’izy ireo avy teny amin’ny Ranomasin’i Galilia indraindray ny tampon’ny Tendrombohitra Hermona, any amin’ny farany avaratr’i Palestina. Rakotra ranomandry ny tampon’io tendrombohitra io. Nananika havoana nianavaratra izy ireo avy eo, mba ho any amin’ireo tanàna kely any Kaisaria-Filipo. * Vao mainka nijoalajoala ilay tendrombohitra, arakaraka ny nanatonan’izy ireo. Nahafinaritra be izay rehetra taza-maso teny atsimo, satria saika hita avokoa ny tanin’ny Israely. Hametraka fanontaniana lehibe amin’ny mpianany izao i Jesosy.

Hoy izy: “Lazain’ny vahoaka ho iza moa aho?” Hitan’i Petera fa tena te hahafanta-javatra i Jesosy, nefa koa tsara fanahy sy tena nahira-tsaina. Tian’i Jesosy ho fantatra ny hevitr’ireo nahita na nandre ny zavatra nataony sy nampianariny. Nolazain’ny mpianany àry ny hevi-diso nananan’ny olona. Tsy nianina tamin’izay anefa i Jesosy. Te hahalala ny hevitry ny mpianany momba azy koa izy, ka nanontany hoe: “Fa ianareo kosa milaza hoe iza aho?”—Lioka 9:18-22.

Namaly avy hatrany indray i Petera, ka nolazainy mazava tsara ny heviny sy ny hevitry ny mpianatra maro teo. Hoy izy: “Ianao no Kristy, Zanak’ilay Andriamanitra velona.” Azo inoana fa nitsiky i Jesosy sady nidera azy. Nampahatsiahy an’i Petera izy hoe i Jehovah Andriamanitra fa tsy olona, no nampiharihary izany fahamarinana tena lehibe izany taminy. Tena nanam-pinoana i Petera, ka nampahafantarin’i Jehovah azy fa i Jesosy no Mesia na Kristy nampanantenaina hatry ny ela!—Matio 16:16, 17.

I Kristy ilay nolazain’ny faminaniana hoe vato holavin’ny mpanao trano. (Salamo 118:22; Lioka 20:17) Nilaza i Jesosy fa eo ambonin’io vato na vatolampy io no hanorenan’i Jehovah ny fiangonana kristianina. * Nanankinan’i Jesosy andraikitra lehibe teo anivon’io fiangonana io i Petera. Misy mihevitra fa nataony ambony noho ny apostoly hafa i Petera. Tsy marina anefa izany. Nomeny asa fanampiny fotsiny izy. Nomeny azy ‘ny lakilen’ilay fanjakana.’ (Matio 16:19) Izy no nasaina nitory voalohany tamin’ny karazan’olona telo samy hafa, mba hahafahan’izy ireo hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Voalohany ny Jiosy, faharoa ny Samaritanina, ary farany ny hafa firenena.

Nilaza anefa i Jesosy fa izay nomena be dia hitakiana be. Nahatsapa izany tokoa i Petera rehefa nanao ny andraikiny. (Lioka 12:48) Mbola nilaza zavatra hafa tena lehibe koa i Jesosy. Niteny, ohatra, izy fa tsy maintsy hijaly sy ho faty any Jerosalema. Tsy neken’ny sain’i Petera izany. Nentiny nihataka kely i Jesosy, ary noteneniny mafy hoe: “Tokony mba ho tsara fanahy amin’ny tenanao ianao, Tompo ô! Tsy hanjo anao mihitsy izany.”—Matio 16:21, 22.

Tena nitady izay hahasoa an’i Jesosy i Petera, ary azo inoana fa toy izany koa ny mpianatra hafa. Gaga àry izy tamin’ny valin-teny azony. Nanome lamosina azy i Jesosy sady nijery ny mpianatra hafa, ary niteny hoe: “Mankanesa ato ivohoko, ry Satana, satria tsy ny hevitr’Andriamanitra no eritreretinao, fa ny an’ny olombelona.” (Matio 16:23; Marka 8:32, 33) Misy lesona azontsika raisina amin’izany. Izay heverintsika ho mety fotsiny indraindray no tonga dia atorontsika ny olona, fa hadinontsika ny hevitr’Andriamanitra. Raha manao izany isika, dia mety ho ny sitrapon’i Satana indray no ho tanteraka fa tsy ny an’Andriamanitra. Ahoana no nandraisan’i Petera an’ilay fanitsiana?

Fantatr’i Petera fa tsy te hilaza i Jesosy hoe Satana Devoly izy. Tsy toy ny fomba niresahan’i Jesosy tamin’i Satana mantsy no niresahany taminy. Hoy i Jesosy tamin’i Satana: “Mandehana ianao.” Hoy kosa izy tamin’i Petera: “Mankanesa ato ivohoko.” (Matio 4:10) Tsy nandroaka an’io apostoly tsara toetra io i Jesosy, fa nanitsy azy fotsiny. Te hilaza izy fa tsy tokony ho vato mahatafintohina eo anoloany i Petera, izany hoe hanakana azy tsy hanao ny sitrapon’ny Rainy. Tokony ho ao ivohony kosa izy, izany hoe hanohana azy.

Namalivaly ve i Petera, na tezitra, na nidongy? Tsia. Nanaiky hahitsy izy. Hita indray fa tsy nivadika izy. Mila fanitsiana koa isika Kristianina indraindray. Mila manetry tena isika ka manaiky hahitsy, raha te hifandray akaiky amin’i Jesosy Kristy sy Jehovah Andriamanitra.—Ohabolana 4:13.

Nahita zavatra niavaka

Nilaza zavatra nahagaga indray i Jesosy, avy eo. Hoy izy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa misy amin’izay mijoro eto tsy handia fahafatesana mihitsy, mandra-pahitany ny Zanak’olona ho tonga ao amin’ny fanjakany.” (Matio 16:28) Fitahiana lehibe tokoa izany ka azo antoka fa nanaitra ny sain’i Petera. Mety ho nieritreritra koa anefa izy hoe tsy hahazo an’izany satria vao avy nanarina mafy.

Herinandro teo ho eo tatỳ aoriana, dia nentin’i Jesosy tany “an-tendrombohitra avo” tsy lavitra teo i Jakoba sy Jaona ary Petera. Ny Tendrombohitra Hermona angamba izy io. Azo inoana fa alina ny andro tamin’izay, satria navesatra ny mason’izy telo lahy. Nisy zava-niseho tampoka raha mbola nivavaka i Jesosy, hany ka nisava ny torimason’izy ireo.—Matio 17:1; Lioka 9:28, 29, 32.

Nanjary namirapiratra ny tarehin’i Jesosy, ka lasa toy ny masoandro, ary fotsy nanjelanjelatra ny akanjony. Nisy roa lahy niseho teo akaikiny, dia i Mosesy sy Elia. Niresaka momba ny “hahalasanan’i Jesosy, izay efa voatendry hitranga any Jerosalema” izy ireo, izany hoe momba ny hahafatesany sy ny hananganana azy amin’ny maty. Tena diso hevitra àry i Petera rehefa nilaza fa tsy hanjo an’i Jesosy mihitsy izany.—Lioka 9:30, 31.

Te handray anjara tamin’io fahitana niavaka io i Petera, rehefa hitany fa handao an’i Jesosy i Mosesy sy Elia. Hoy izy: “Mpampianatra ô, tsara ho antsika eto, koa avelao izahay hanangana tranolay telo, ka ny iray ho anao, ny iray ho an’i Mosesy, ary ny iray ho an’i Elia.” Mazava ho azy fa tsy nilaina izany, satria fahitana fotsiny ilay izy, sady efa ela no maty ireo mpanompon’i Jehovah ireo. Tsy nieritreritra tsara an’izay nolazainy àry i Petera. Tsy mahafinaritra anao ve anefa ny toetrany? Tena nafana fo sy be fitiavana izy.—Lioka 9:33.

Mbola nahita zavatra hafa niavaka izy telo lahy, io alina io. Nisy rahona nanarona azy ireo, ary nisy feo nivoaka avy tao. Feon’i Jehovah Andriamanitra ilay izy, nanao hoe: “Io no Zanako, ilay nofidiko. Henoy izy.” Tapitra ilay fahitana avy eo, ary i Jesosy sy izy telo lahy sisa no teo.—Lioka 9:34-36.

Tena sarobidy io fahitana io, na ho an’i Petera na ho antsika! Nanoratra izy, am-polony taona tatỳ aoriana, fa nahazo voninahitra lehibe satria anisan’ireo ‘nahita maso ny fahambonian’i Jesosy.’ Afaka nahita mialoha izy hoe hanao ahoana i Jesosy rehefa ho mpanjaka any an-danitra. Nanatanjaka ny finoany izany ka nanampy azy hiatrika fitsapana. Hita avy tamin’iny fahitana iny koa fa tena ho tanteraka ireo faminanian’ny Baiboly. (2 Petera 1:16-19) Hatanjaka koa ny finoantsika raha manahaka an’i Petera isika, ka tsy mivadika amin’ilay Tompo notendren’i Jehovah hikarakara antsika. Mila manaiky ny fampianaran’i Jesosy sy ny fanitsiany isika, ary manetry tena ka manara-dia azy isan’andro.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Tahafo ny Finoan’izy Ireo: Niezaka ny Tsy Hatahotra na Hisalasala Izy”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 2009.

^ feh. 9 Mora miovaova hevitra ireo vahoaka tao amin’ny synagoga. Vao omalin’io mantsy ry zareo no nafana fo erỳ nilaza fa mpaminanin’Andriamanitra i Jesosy.—Jaona 6:14.

^ feh. 15 Nahatratra 48 kilaometatra teo ho eo ny dian’izy ireo. Niainga avy teo amoron’ny Ranomasin’i Galilia izy ireo, ka niakatra tany amin’ny 560 metatra. Tena kanto ny toerana nolalovany.

^ feh. 18 Jereo ilay efajoro hoe  “Iza Ilay Vatolampy?”, eo amin’ny pejy 28.

[Efajoro/Sary, pejy 28]

 Iza ilay Vatolampy?

‘Lazaiko aminao fa ianao no Petera, ary eo ambonin’ity vatolampy ity no hanorenako ny fiangonako.’ (Matio 16:18) I Jesosy no nilaza izany tamin’ny apostoly Petera. Misy mihevitra fa te hiteny izy hoe i Petera no ho fototry ny fiangonana kristianina. Izany no mahatonga ny Eglizy Katolika hampianatra fa nataon’i Jesosy ambony noho ny apostoly hafa i Petera, ary izy no papa voalohany. Voasoratra amin’ny teny latinina ao amin’ny Bazilikan’i Masindahy Piera, any Roma, ireo tenin’i Jesosy ireo. Tena lehibe ilay soratra, ka hita miharihary.

Te hilaza ve i Jesosy fa i Petera ilay vatolampy hanorenany ny fiangonana? Tsia. Ireto misy antony telo. Voalohany, teo daholo ny apostoly hafa, ary tsy izany no fandraisan’izy ireo ny tenin’i Jesosy. Mbola nifanditra imbetsaka mantsy izy ireo, tatỳ aoriana, hoe iza no lehibe indrindra tamin’izy ireo. Tsy ho nanao izany ry zareo raha efa nilaza i Jesosy fa i Petera no ambonin’izy rehetra. (Marka 9:33-35; Lioka 22:24-26) Faharoa, nohazavain’ny apostoly Paoly fa i Jesosy Kristy ilay vatolampy. (1 Korintianina 3:11; 10:4) Fahatelo, i Petera mihitsy no nilaza fa tsy izy ilay vatolampy. Niteny kosa izy fa i Jesosy no “vato fehizoro” nofidin’Andriamanitra.—1 Petera 2:4-8.

Misy manizingizina hoe i Petera mihitsy ilay vatolampy satria midika hoe “Vato” ny anarany. Tsy teny grika mitovy dika amin’ny hoe vato anefa no nampiasain’i Jesosy hilazana ny hoe vatolampy, ao amin’io andininy io. Inona àry no tian’i Jesosy holazaina? Te hilaza izy hoe: “Ianao, ilay antsoina hoe Petera, na Vato, no nahafantatra hoe iza ilay ‘vatolampy’ dia i Kristy. Eo amboniny no hanorenana ny fiangonana kristianina.” Noho i Petera no nahalalana an’io fahamarinana sarobidy io. Nahazo voninahitra lehibe tokoa izy!

[Sary, pejy 24, 25]

Tsy nivadika i Petera na dia nanarina aza

[Sary, pejy 26]

Nahita zavatra niavaka i Petera noho izy tsy nivadika