Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mba Manenina ve Andriamanitra?

Mba Manenina ve Andriamanitra?

Manatòna An’Andriamanitra

Mba Manenina ve Andriamanitra?

MPITSARA 2:11-18

MPANOTA isika ka manenina indraindray. Manenina, ohatra, isika rehefa fantatsika hoe tsy nety ny nataontsika. Mahagaga fa milaza ny Baiboly hoe mety hanenina i Jehovah. Hiteny angamba ianao hoe: ‘Andriamanitra ange lavorary e! Tsy manao fahadisoana izy.’ Nahoana àry Andriamanitra no lazaina fa manenina? Raha fantatsika izany, dia hahalala zavatra iray mahatalanjona isika: Manana fihetseham-po i Jehovah ary misy vokany eo aminy izay ataontsika. Diniho izay voalazan’ny Mpitsara 2:11-18.

Mitantara an’ireo fotoana nikorontana teo amin’ny Israely ny bokin’ny Mpitsara. Efa tao Kanana, tany nampanantenain’Andriamanitra an’i Abrahama, ilay firenena tamin’izay. Zavatra efatra no niverimberina teo amin’ny fiainan’izy ireo, nandritra ny taonjato maro taorian’izay: Nikomy, nampahorina, nitalaho, ary novonjena. *

Nikomy. Notaomin’ny Kananita ny Israelita ka “nahafoy an’i Jehovah”, ary nanaraka andriamani-kafa. “Nanompo an’i Bala sy ireo sarin’i Astarta” izy ireo. * Nivadi-pinoana ny Israelita. Tsy mahagaga izy ireo raha “nampahatezitra an’i Jehovah”, ilay Andriamanitra nanafaka azy avy tany Ejipta.—Andininy 11-13; Mpitsara 2:1.

Nampahorina. Ara-drariny raha tezitra i Jehovah ka tsy niaro intsony an’ilay vahoaka nivadika taminy. Lavo ‘teo an-tanan’ny fahavalony’ foana ny Israelita, ary voaroba ilay tany.—Andininy 14.

Nitalaho. Mafy ny nahazo ny Israelita ka nanenina izy ireo noho ny ratsy nataony, ary nitady vonjy tamin’Andriamanitra. Izany angamba no asehon’ilay hoe “nitaraina izy ireo noho ny nataon’ireo nampahory azy.” (Andininy 18) Fanaon’izy ireo ny nitalaho tamin’Andriamanitra. (Mpitsara 3:9, 15; 4:3; 6:6, 7; 10:10) Inona àry no nataon’Andriamanitra?

Novonjena. Nandre ny fitarainan’ny Israelita i Jehovah ka “nanenina.” Mety hidika hoe “miova hevitra na manova fikasana” ilay teny hebreo nadika hoe ‘manenina.’ Hoy ny boky iray: “Nitaraina izy ireo ka namonjy azy indray i Jehovah na dia efa saika hanafay azy aza.” Mamindra fo i Jehovah ka “nanendry mpitsara” hamonjy ny vahoakany teo an-tanan’ny fahavalony.—Andininy 18.

Voamarikao ve hoe nahoana Andriamanitra no nanenina na niova hevitra? Satria niova ny vahoakany. Aoka hatao hoe nisy ankizy naditra ka nofaizin’ny rainy be fitiavana. Tsy avelany hahazo zavatra sasany angamba izy. Tsy nofaiziny intsony anefa ilay ankizy, rehefa hitany fa tena nanenina.

Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah avy amin’ilay tantara ao amin’ny Mpitsara? Tezitra amin’ireo minia manota izy, fa mamindra fo amin’ireo tena mibebaka kosa. Mahalasa saina tokoa ny hoe misy vokany eo amin’Andriamanitra izay ataontsika. Nahoana raha mianatra ny fomba ‘ampifaliana ny fon’i’ Jehovah? (Ohabolana 27:11) Tsy hanenenanao mihitsy izany!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Anisan’ny teny fampidirana ny Mpitsara ny Mpitsara 2:11-18, ary mamintina ny zavatra mateti-pitranga teo amin’ny Israely. Hazavaina amin’ny an-tsipiriany izany ao amin’ireo toko manaraka.

^ feh. 6 I Bala no andriamanitra lehibe indrindra nivavahan’ny Kananita, ary ilay andriamanibavy atao hoe Astarta no noheverina fa vadiny.