Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misionera Nalefa “any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany”

Misionera Nalefa “any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany”

Fizarana Diplaoman’i Gileada, Kilasy Faha-127

Misionera Nalefa “any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany”

NANIRAKA ny mpianany ho vavolombelona “any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany” i Jesosy. (Asan’ny Apostoly 1:8) Zava-dehibe amin’ny Vavolombelon’i Jehovah io fanirahana io.

Nitarika ny asa fitoriana tany amin’ny tany 200 mahery ireo misionera niofana tao amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada, nandritra ireo 65 taona lasa. Mpitory za-draharaha 56 indray izao no nahazo diplaoma tamin’ny asabotsy 12 Septambra 2009. Niofana nandritra ny dimy volana izy ireo, tao Patterson, Etazonia.

Mety hanimba na hahasoa ny eritreritra

Nanao an’ilay lahateny hoe “Ampiasao Tsara ny Eritreritrao” i Stephen Lett, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah sady mpitari-draharahan’ny fandaharana. Nanonona zavatra efatra tsy tokony hoeritreretina izy aloha. Ireto ny telo amin’izany: 1) Aza mieritreritra hoe afaka miaro anao mandrakizay ny fananana; 2) aza mieritreritra ny haloto fitondran-tena; ary 3) aza manahy be loatra, ka hieritreritra hoe mety hanjombona ny ampitso. (Ohabolana 18:11; Matio 5:28; 6:34) Nilaza ny Rahalahy Lett fa raha be fanahiana ny olona iray, dia avangongony ao an-tsainy daholo ny fanahiany omaly sy ny androany ary ny momba ny ampitso. “Enta-mavesatra tsy hay zakaina izany”, hoy izy. Ary ny lafin-javatra fahefatra? Nampitandremana ireo mpianatra mba tsy hieritreritra hoe tsara kokoa ny fiainany talohan’ny naha misionera azy. Mety tsy hahita an’ireo lafin-javatra mahafaly any amin’ny toerana anendrena azy izy ireo, raha manao izany.

Nanonona zavatra efatra tokony hoeritreretina ny Rahalahy Lett, avy eo. 1) Fantaro mialoha ny zavatra mety hanimba anao na ny fifandraisanao amin’i Jehovah, ary halaviro izany; 2) alao sary an-tsaina ny zavatra vakinao ao amin’ny Baiboly, ary eritrereto hoe mandray anjara amin’ilay izy ianao; 3) ataovy an-tsaina hoe afaka ny ho mpanompon’i Jehovah ny olona tsirairay iresahanao eny amin’ny fanompoana; ary 4) mahaiza mipetraka eo amin’ny toeran’ny olona itorianao.—Ohabolana 22:3.

Tena ilaina ny mampiofana ny hafa

I David Splane, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao an’ilay lahateny hoe “Atolory An’ireo Lehilahy Mendri-pitokisana Izany.” Niorina tamin’ny 2 Timoty 2:2 izy io. Nasain’ny apostoly Paoly nampiofana an’ireo rahalahy tsy nivadika i Timoty. Tsy ny hampianatra ny fahamarinana azy ireo ihany anefa no nasainy nataon’i Timoty, fa ny hampirisika azy ireo hampiofana ny hafa koa. Nilaza ny Rahalahy Splane fa tena ilaina izao ny lehilahy mahafeno fepetra mba hitarika ny asa kristianina. Ahoana no hampiofanana azy ireny, ary rahoviana? Vao manomboka mianatra Baiboly ny olona iray, dia efa tokony hampiofanin’ireo misionera.

Ahoana no ampiofanan’ny misionera an’ireo mpianatra Baiboly, mba ho lasa ohatra tsara ho an’ny hafa? Mila ampiofanina hanomana tsara ny fianarany izy ireo. Rehefa manomboka manatrika fivoriana indray izy ireo, dia tokony hianatra hanomana samirery an’ireo boky na gazety hodinihina any. Hoy ny Rahalahy Splane: “Tsy ho afaka hampianatra ny hafa mihitsy ny olona iray, raha tsy mahavita mianatra Baiboly samirery.” Nilaza koa izy fa tokony hampiofanin’ny misionera ireo vaovao, mba ho mari-potoana sy hanohana ara-bola ny asa fitoriana ary hankatò an’ireo mitarika. Ny ohatra omen’ireo misionera no fomba tsara indrindra ampiofanana azy ireo.

Voninahitra ny hoe Vavolombelon’i Jehovah

“Ho Vavolombeloko Ianareo.” Izany no lahateny nataon’i Guy Pierce, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Niorina tamin’ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:8 izy io. Nampahatsiahy an’ireo mpianatra ilay rahalahy fa namoy an’ilay voninahitra ho vavolombelon’i Jehovah ny firenen’ny Israely, tamin’ny taonjato voalohany. Nomena an’izay firenena mamokatra voa mendrika an’ilay Fanjakana izy io, dia ny Kristianina voahosotra. (Matio 21:43) Nolazain’ilay mpandahateny fa “firenena masina” izay ‘hanambara hatraiza hatraiza’ ny hatsaran-toetran’i Jehovah ireo voahosotra, araka ny tenin’ny apostoly Petera. (1 Petera 2:6-9) Tsy nilaza àry i Jesosy hoe ho vavolombelony irery ny Kristianina. Vavolombelon’i Jehovah koa izy ireo. Na i Jesosy aza antsoina hoe “ilay Vavolombelona Mendri-pitokisana.” (Apokalypsy 1:5; 3:14) Izy no voalohany amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, sady modely ho antsika.—1 Petera 2:21.

Nilaza ilay mpandahateny fa misy dikany kokoa ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:8, ankehitriny. Efa tanteraka mantsy ilay faminaniana lehibe ao amin’ny Apokalypsy 11:15! Efa miorina ny Fanjakan’ny Mesia. Atao “any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany” izao ny asa fitoriana. (Asan’ny Apostoly 1:8) Nanamafy ny Rahalahy Pierce fa mitory momba an’i Jehovah sy ilay Fanjakana ny misionera, fa tsy mitory momba ny tenany, na ny fiainany taloha, na ny kolontsainy, na ny taniny. Nampirisika an’ireo misionera izy mba hampianatra “olona maro araka izay azo atao, mandritra ny fotoana sisa tavela.”

Zava-nisongadina hafa

Mpanampy ny Komitin’ny Fampanontana i Alex Reinmueller, izay nanao ilay lahateny hoe “Hanome Hery Anareo i Jehovah.” Nolazainy fa mila miantehitra amin’ny herin’i Jehovah ireo misionera. Raha manao izany izy ireo, dia hampiany hanome ny tsara indrindra, tsy hatahotra, hahita ny toetra tsara mampiavaka azy ireo, ary hiaiky ny fahalemeny.

Nandaha-teny koa ny mpampianatra roa avy ao amin’ny sampan-draharahan’ireo sekoly ara-baiboly any Patterson, dia i Sam Roberson sy William Samuelson. Niorina tamin’ny Isaia 41:10 ilay lahatenin’ny Rahalahy Roberson hoe “Momba Anao Aho.” Nilaza izy fa maro ny zavatra hahafaly an’ireo misionera. Hahita olana koa izy ireo. Ho afaka hiatrika izany ry zareo, raha manahaka an’i Davida Mpanjaka, izay nitaraina tamin’ilay Rainy be fitiavana. (Salamo 34:4, 6, 17, 19) Ny Rahalahy Samuelson kosa nanantitrantitra fa ilaina ampitomboina hatrany ny fahaiza-misaina. Raha manao izany ireo misionera, dia ho afaka hizaka fanakianana ary tsy ho mora tezitra.—Ohabolana 2:10, 11.

I Jim Mantz, mpanampy ny Komitin’ny Fanoratana, no nanao lahateny taorian’izay. Nanadinadina Komitin’ny Sampana avy any Honduras sy ny Repoblikan’i Géorgie izy, ary koa Komitin’ny Tany avy any amin’ny Repoblikan’i Tadjikistan. Noresahin’ireo rahalahy ampy traikefa ireo fa afaka minamana amin’ny mpanohitra ireo misionera, raha ‘reseny amin’ny tsara ny ratsy.’ (Romanina 12:21) Nanadinadina an’ireo mpianatra kosa i Mark Noumair, mpampianatra hafa, tamin’ilay lahateniny hoe “Ahoana no Azoko Anampiana?” Niompana tamin’ny fanompoana nataon’izy ireo nandritra ny fiofanany tao Gileada izy io.

Teo am-pamaranana ny mpitari-draharaha, dia nanonona ny tonon’ilay hira vaovao hoe “Saintsaino ny Fiainanao ao Amin’ny Tontolo Vaovao.” Vao mainka tapa-kevitra ny hitory momba an’i Jehovah sy ny Zanany hatrany amin’ny “faritra lavitra indrindra amin’ny tany” ireo mpanatrika 6 509, rehefa nody.

[Tabilao/Sarintany, pejy 31]

ANTONTAN’ISA MOMBA ILAY KILASY

8 tany nanana solontena

56 mpianatra

28 mpivady

33,6 salanisan-taona

18,3 salanisan’ny taona naha tao amin’ny fahamarinana

13,6 salanisan’ny taona nanompoana manontolo andro

[Sarintany]

(Jereo ny gazety)

Notendrena any amin’ireo firenena 22 aseho eto ambany ireo mpianatra

TANY NANENDRENA

ALBANIA

BOLIVIA

BURUNDI

KAMBÔDJA

SILIA

CONGO, REP. DEM.

COSTA RICA

CÔTE D’IVOIRE

CURAÇAO

GUYANA

HAÏTI

JAMAIKA

MOLDAVIA

MOZAMBIKA

NÉPAL

NIKARAGOÀ

PANAMA

PARAGOAY

PEROA

SERBIA

TANZANIA

OGANDÀ

[Sary, pejy 31]

Ny Kilasy Faha-127 Nahazo Diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada

Amin’ilay lisitra eto ambany, ireo laharana dia asiana nomerao avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana dia tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana.

1) Marshall, T.; Prudent, L.; Mashburn, A.; Rosenström, S.; Testa, A.; Takeyama, M.; Sisk, M.

2) Grooms, K.; Miura, S.; Camacho, M.; Rozas, S.; Burch, M.; Meza, I.; Young, G.; Geraghty, S.

3) Bonilla, C.; Knaller, D.; Parrales, R.; Hotti, S.; Takada, A.; Tournade, M.; Sopel, C.

4) Miura, Y.; Parrales, K.; Prudent, K.; Colburn, S.; Willis, L.; Vääränen, A.; Sisk, B.; Takada, R.

5) Grooms, J.; Vääränen, M.; Geraghty, B.; Stackhouse, R.; Wilson, A.; Bonell, E.; Camacho, D.; Meza, R.; Bonell, M.

6) Takeyama, S.; Testa, G.; Colburn, T.; Mashburn, C.; Willis, W.; Tournade, L.; Burch, J.; Stackhouse, J.

7) Wilson, J.; Young, J.; Marshall, E.; Rozas, M.; Knaller, J.; Hotti, N.; Rosenström, A.; Sopel, J.; Bonilla, O.