Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Momba ny Fivavahana Marina

Momba ny Fivavahana Marina

Inona no Nampianarin’i Jesosy Antsika...

Momba ny Fivavahana Marina

Eken’Andriamanitra ve ny fivavahana rehetra?

▪ Nangoraka an’ireo olona voafitaky ny fivavahan-diso i Jesosy. Nampitandrina izy fa hisy ‘mpaminany sandoka mitafy hodi-janak’ondry nefa ao anatiny ao amboadia mpiremby.’ (Matio 7:15) Voamarikao ve fa misy olona mampiasa ny fivavahana mba hanaovan-dratsy?

Nivavaka tamin’Andriamanitra i Jesosy hoe: “Ny teninao no fahamarinana.” (Jaona 17:17) Tsy eken’Andriamanitra àry ny fivavahana tsy mampianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Nampiharin’i Jesosy tamin’ireo mpivavaka mihatsaravelatsihy ilay tenin’Andriamanitra hoe: “Koa very maina ny mbola ivavahany foana amiko, satria didin’olombelona no ampianariny.”—Matio 15:9.

Misy ve ny fivavahana marina?

▪ Voafitaky ny fivavahan-diso ilay vehivavy hitan’i Jesosy tao Samaria. Hoy i Jesosy taminy: “Ianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo ... Ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray araka ny fanahy sy ny fahamarinana. Fa olona toy izany tokoa no tadiavin’ny Ray mba hivavaka aminy.” (Jaona 4:22, 23) Misy tokoa àry ny fivavahana marina.

Hoy i Jesosy: “Tsy manao na inona na inona araka ny nahim-poko aho, fa araka izay nampianarin’ny Ray ahy no ilazako izany.” Fantany fa ilay fivavahana nampianariny ihany no marina. (Jaona 8:28) Hoy àry izy: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.” (Jaona 14:6) Tsy maintsy ho iray ihany ny fivavahana marina, satria mitovy ny ataon’ny tena mpivavaka rehefa manatona ny Ray.

Ahoana no amantarana ny tena mpivavaka?

▪ Manara-dia an’i Jesosy Kristy ny Kristianina. Ireto misy fomba efatra anahafan’izy ireo an’i Jesosy:

1. Nivavaka tamin’i Jehovah toy izao i Jesosy Kristy: ‘Efa nampahafantariko ny anaranao.’ (Jaona 17:26) Mbola manao toy izany koa ny tena Kristianina.

2. Nitory momba ny Fanjakan’i Jehovah i Jesosy ary naniraka ny mpianany hitory isan-trano. Hoy izy: “Any amin’izay tanàna na vohitra idiranareo, dia tadiavo izay mendrika ao.” Hoy koa izy tamin’ny mpanara-dia azy: “Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.” (Matio 10:7, 11; 28:19) Mora fantatra ny tena Kristianina ankehitriny satria mbola manao an’io asa io.

3. Tsy nanao politika i Jesosy. Hoy àry izy momba ny mpanara-dia azy: “Tsy anisan’izao tontolo izao [izy ireo], tahaka ahy tsy anisan’izao tontolo izao.” (Jaona 17:14) Tokony halaza ho tsy manao politika koa àry ny tena mpivavaka.

4. Tia ny hafa sy nahafoy tena i Jesosy. Hoy izy: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jaona 13:35) Mifankatia ny tena Kristianina ary tsy mandray anjara amin’ny ady.

Nahoana no mahasoa anao ny fivavahana marina?

▪ Mila mahafantatra tsara an’i Jehovah aloha ianao, mba hanarahana ny fivavahana marina. Raha mahalala azy ianao, dia hanana ny fomba fiaina tsara indrindra sady tena ho tia azy. Mampanantena fiainana mandrakizay an’ireo tia azy izy. Hoy i Jesosy: “Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra.”—Jaona 17:3.

Misy fanazavana fanampiny ao amin’ny toko 15 ao amin’ity boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ity.

[Sary, pejy 16]

“Mitandrema amin’ny mpaminany sandoka tonga eo aminareo, fa mitafy hodi-janak’ondry izy ireny nefa ao anatiny ao amboadia mpiremby.”—Matio 7:15