Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Hitandrina ny Sabata ve Ianao?

Tokony Hitandrina ny Sabata ve Ianao?

Tokony Hitandrina ny Sabata ve Ianao?

NANAO fahirano an’i Suva, renivohitr’i Fidji ny andiana Metodista maromaro, taloha kelin’ny taona 1990. Lehilahy sy vehivavy ary ankizy izy ireo, ary samy nanao akanjo fitondra miangona. Nanakana lalana maro be izy ireo. Tsy navelany handeha avokoa na fiara mpitatitra na fiaramanidina. Nahoana? Notakiny hoe mila mitandrina ny Sabata ny mponin’i Fidji.

Tsy maintsy nasiana ascenseur iray mivoha sy mihidy ho azy isaky ny rihana, ny tranobe rehetra naorina tany Israely, nanomboka tamin’ny 2001. Amin’izay, hono, mba tsy “miasa”, izany hoe tsy manapotsitra bokotra amin’ilay ascenseur ireo Jiosy mpivavaka be, rehefa zoma hariva ka hatramin’ny asabotsy hariva. Amin’io mantsy ny Sabatan’izy ireo.

Rarana ny miasa alahady any Tonga, nosy any Pasifika Atsimo. Tsy mivoha ny seranana rehetra, ary tsy manan-kery ny taratasy soniavina amin’io andro io. Milaza koa ny lalàna any fa tokony hoheverin’ny olona ho andro “masina” ny alahady, na inona na inona fivavahany. Nahoana? Tian’ny fitondrana hitandrina ny Sabata ilay firenena manontolo.

Hita amin’ireo ohatra ireo, fa maro no mieritreritra hoe takin’Andriamanitra ny hitandremany Sabata isan-kerinandro. Ny hafa mihevitra fa io no didin’Andriamanitra lehibe indrindra. Misy mihitsy aza milaza fa tena ilaina ny mitandrina ny Sabata raha te ho voavonjy. Fa inona marina ny Sabata? Mandidy ny Kristianina hitandrina azy io ve ny Baiboly?

Inona no atao hoe Sabata?

Avy amin’ny teny hebreo midika hoe “miala sasatra, mitsahatra” ny hoe “Sabata.” Milaza ny Genesisy fa nitsahatra tamin’ny asa famoronany i Jehovah Andriamanitra tamin’ny andro fahafito. Tamin’ny andron’i Mosesy anefa ny Israelita vao nasaina nitandrina ny Sabata, izay naharitra iray andro. (Genesisy 2:2) Nomen’i Jehovah mana tamin’ny fomba mahagaga ny Israelita tany an-tany efitra, rehefa avy nandao an’i Ejipta tamin’ny 1513 Talohan’i Kristy (T.K.). Hoy i Jehovah momba ny fanangonana mana: “Enina andro ianareo no haka azy io, fa sabata kosa ny andro fahafito ka tsy hisy.” (Eksodosy 16:26) “Nanomboka nitandrina ny sabata” àry ny vahoaka “tamin’ny andro fahafito”, izany hoe taorian’ny filentehan’ny masoandro ny zoma mandra-pilentiky ny masoandro ny asabotsy.—Eksodosy 16:30.

Namoaka lalàna momba ny Sabata i Jehovah, tatỳ aoriana kely. Anisan’ny Didy Folo nomeny an’i Mosesy izy io. (Eksodosy 19:1) Hoy ny didy fahefatra: “Aoka hotsarovana ny andro sabata mba hanamasinana azy io, ka enina andro no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. Fa ny andro fahafito kosa sabata ho an’i Jehovah Andriamanitrao.” (Eksodosy 20:8-10) Lasa nitandrina ny Sabata foana àry ny Israelita.—Deoteronomia 5:12.

Nitandrina ny Sabata ve i Jesosy?

Eny, satria hoy ny Baiboly: “Rehefa tapitra tanteraka ny fotoana voafetra, dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany, izay natera-behivavy ary nateraka teo ambanin’ny lalàna.” (Galatianina 4:4) Israelita i Jesosy ka nila nankatò ny Lalàna, anisan’izany ny lalàna momba ny Sabata. Tsy nilaina notandremana intsony anefa ny Lalàna rehefa maty izy. (Kolosianina 2:13, 14) Fantatsika àry izao hoe oviana no nila notandremana ny Sabata. Manampy antsika hahalala ny hevitr’Andriamanitra momba azy io izany.—Jereo ny tabilao eo amin’ny  pejy 15.

Marina fa nilaza i Jesosy hoe: “Aza mihevitra hoe tonga hanafoana ny Lalàna na ny Mpaminany aho. Tsy tonga hanafoana aho, fa hanatanteraka.” (Matio 5:17) Inona anefa no dikan’ilay hoe “hanatanteraka”? Aoka hatao hoe misy mpanorina trano manao fifanekena an-taratasy amin’ny olona iray te hanao trano. Tsy hanafoana an’ilay fifanekena mihitsy izy, fa hanatanteraka izany, ka hamita ilay trano araka izay ilain’ny tompony. Vao vita anefa ilay trano, dia tanteraka ilay fifanekena, ka tsy manan-kery intsony. Toy izany koa fa tsy nanafoana ny Lalàna i Jesosy, fa nanatanteraka azy io, izany hoe nankatò tanteraka azy io. Tsy nanan-kery intsony àry ilay izy taorian’izay, ka tsy voatery notandremana intsony.

Takina amin’ny Kristianina ve?

Efa nahatanteraka ny Lalàna i Kristy, ka mbola tokony hitandrina ny Sabata ve ny Kristianina? Hoy ny apostoly Paoly: “Koa aoka tsy hisy hitsara anareo ny amin’ny fihinanana sy ny fisotroana, na ny andro fety na ny fankalazana tsinam-bolana, na fitandremana sabata. Fa aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tena izy dia an’i Kristy.”—Kolosianina 2:16, 17.

Hita amin’ireo teny ireo fa misy miova ny zavatra takin’Andriamanitra amin’ny mpanompony. Nahoana? Satria lalàna vaovao indray no mifehy azy ireo, dia ny “lalàn’i Kristy.” (Galatianina 6:2) Tsy nilaina intsony ilay Lalàna nomena tamin’ny alalan’i Mosesy rehefa maty i Jesosy. (Romanina 10:4; Efesianina 2:15) Foana koa àry ve ilay didy momba ny Sabata? Eny. Nanonona ny iray tamin’ny Didy Folo mantsy i Paoly, rehefa avy nilaza hoe “afaka amin’ny Lalàna isika.” (Romanina 7:6, 7) Tsy nilaina intsony àry ireo didy ireo, anisan’izany ny lalàna momba ny Sabata. Noho izany, dia tsy voatery mitandrina ny Sabata intsony isika.

Miova àry ny lalàna arahin’ny Kristianina. Intỳ misy ohatra mba hanazavana izany. Mety hanova ny lalàm-panorenany ny tany iray. Raha vao manan-kery ilay lalàna vaovao, dia tsy voatery mankatò ilay lalàna taloha intsony ny vahoaka. Mety tsy hiova ny didy sasany ao anatin’ilay izy, fa ny hafa novana tanteraka. Mila mandinika an’ilay lalàm-panorenana vaovao àry ny olona mba hahitany hoe didy inona izao no tokony hankatoaviny. Fantariny koa hoe rahoviana ilay izy no manomboka manan-kery.

Toy izany koa fa nanome lalàna 600 mahery ho an’ny firenen’Israely i Jehovah, ka anisan’izany ny Didy Folo. Nisy lalàna momba ny fitondran-tena, fanatitra, fahasalamana, ary ny Sabata tamin’ireo. Nilaza anefa i Jesosy fa “firenena” vaovao ireo mpanara-dia azy voahosotra. (Matio 21:43) Manana “lalàm-panorenana” vaovao àry izy ireo, nanomboka tamin’ny taona 33. Ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona no fototr’izy io. (Matio 22:36-40) Mitovy amin’ireo nomena ny Israelita ny didy sasany ao anatin’io “lalàn’i Kristy” io. Misy anefa tena hafa mihitsy. Anisan’ireo didy tsy manan-kery intsony ny momba ny Sabata.

Niova ve ny fitsipik’Andriamanitra?

Novan’Andriamanitra ve ny fitsipiny matoa izy nanolo ny Lalàn’i Mosesy tamin’ny lalàn’i Kristy? Tsia. Ampifanarahin’ny ray aman-dreny amin’ny taonan-janany sy ny zava-misy ny fitsipika apetrany amin’izy ireo. Toy izany koa no ataon’i Jehovah amin’ny vahoakany. Hoy ny apostoly Paoly momba izany: “Fony mbola tsy tonga ny finoana, dia voambina teo ambanin’ny lalàna isika, ka niara-natolotra hogejaina avokoa. Ary ny finoana izay tsy maintsy haharihary no nandrasantsika. Koa nanjary mpitaiza antsika àry ny Lalàna ka nitarika antsika ho amin’i Kristy, mba ho azo ambara ho marina isika noho ny finoana. Efa tonga anefa izao ny finoana, ka tsy fehezin’ny mpitaiza intsony isika.”—Galatianina 3:23-25.

Inona no ifandraisan’izany amin’ny Sabata? Intỳ misy ohatra: Anisan’ny fitaizana any amin’ny sekoly sasany ny fianarana asa tanana. Ampianarina mandrafitra, ohatra, ny ankizy indray mandeha isan-kerinandro. Rehefa lasa mpandrafitra anefa izy, dia tsy andro iray ihany no ilany ny fahaizany fa isan’andro. Toy izany koa fa tsy maintsy nanokana andro iray isan-kerinandro hialana sasatra sy hivavahana ny Israelita. Isan’andro kosa anefa ny Kristianina no tokony hanompo an’Andriamanitra fa tsy isan-kerinandro.

Diso àry ve izay olona manokana andro iray isan-kerinandro mba hialana sasatra sy hivavahana? Tsia. Safidin’ny tsirairay izany. Hoy mantsy ny Baiboly, araka ny fandikan-teny iray: “Misy mihevitra ny andro iray ho masina kokoa. Ny hafa kosa mihevitra hoe mitovy ny andro rehetra. Aoka àry ny tsirairay samy hanao izay tiany.” (Romanina 14:5) Marina fa mihevitra ny andro iray ho masina noho ny hafa ny olona sasany. Asehon’ny Baiboly mazava tsara anefa fa tsy takin’Andriamanitra amin’ny Kristianina ny fitandremana Sabata isan-kerinandro.

[Teny notsongaina, pejy 12]

“Enina andro ianareo no haka azy io, fa sabata kosa ny andro fahafito ka tsy hisy.”​—EKSODOSY 16:26

[Teny notsongaina, pejy 14]

“Nanjary mpitaiza antsika àry ny Lalàna ka nitarika antsika ho amin’i Kristy, mba ho azo ambara ho marina isika noho ny finoana. Efa tonga anefa izao ny finoana, ka tsy fehezin’ny mpitaiza intsony isika.”​—GALATIANINA 3:24, 25

[Efajoro/Kisary, pejy 13]

Olana Momba ny Andro Hitandremana ny Sabata

Sahirana ireo olona mihevitra fa tokony hitovy daholo ny andro ankalazana ny Sabata isan-kerinandro. Tsy mitovy mantsy ny datin’andro any amin’ny faritra sasany amin’ny tany. Namorona tsipika tsy hita maso ny mpikaroka mba hampisarahana ireo faritra ireo. Mamakivaky ny Oseana Pasifika io tsipika io. Tara iray andro amin’ny daty any andrefan’io tsipika io ny daty any atsinanany.

Raha alahady, ohatra, ny any andrefana any Fidji sy Tonga, dia mbola asabotsy ny any atsinanana any Samoa sy Niue. Raha isaky ny asabotsy àry ny olona any Fidji no mitandrina ny Sabata, dia mbola tsy manao izany kosa ny mpiara-mivavaka aminy any Samoa, izay 1 145 kilaometatra monja miala eo, satria mbola zoma any.

Isaky ny alahady ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito any Tonga no mitandrina ny Sabata. Amin’izay, hono, mba miara-mitandrina azy io amin’ny mpiara-mivavaka aminy any Samoa, izay 850 kilaometatra miala eo, izy ireo. Ny Advantista any Fidji kosa isaky ny asabotsy no mitandrina izany, nefa tsy ampy 800 kilaometatra akory ny elanelany amin’i Tonga!

[Kisary]

(Jereo ny gazety)

\

\

\

\ SAMOA

\

— ― ― ― ― ― ― ―

FIDJI \

alahady \ asabotsy

\

\

TONGA \

\

\

\

[Tabilao, pejy 15]

 (Jereo ny gazety)

Zavatra Tsara ho Fantatra Momba ny Sabata:

Rehefa mahita andinin-teny misy hoe mila mitandrina Sabata isan-kerinandro ianao, dia fantaro aloha ny fotoana nanoratana azy.

4026 T.K. TALOHAN’NY ANDRON’I MOSESY

NOFORONINA I ADAMA Mbola tsy nisy lalàna momba ny Sabata

talohan’ny andron’i Mosesy sy ny

Israelita.—Deoteronomia 5:1-3,

12-14.

1513 T.K. LALÀN’ANDRIAMANITRA HO AN’NY ISRAELITA

NOMENA LALÀNA NY ISRAELITA Ny Israelita ihany no

nasain’i Jehovah nitandrina ny Sabata,

fa tsy ny firenen-kafa. (Salamo 147:19, 20)

“Famantarana” teo aminy sy ny

zanak’Israely izy io.—Eksodosy 31:16, 17.

Maro ny sabata nasaina notandreman’

ny Israelita, fa tsy ny Sabata

isan-kerinandro ihany.—Levitikosy 16:29-

31; 23:4-8; 25:4, 11; Nomery 28:26.

33 Aorian’i Kristy (A.K.) NY LALÀN’I KRISTY

TSY NANAN-KERY INTSONY IO LALÀNA IO Rehefa nilaza ny zavatra

takin’Andriamanitra amin’ny Kristianina ny

apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema,

tamin’ny taona 49, dia tsy niteny mihitsy

hoe mila mitandrina Sabata isan-kerinandro

izy ireo.—Asan’ny Apostoly 15:28, 29.

Nanarin’ny apostoly Paoly

ireo Kristianina nanizingizina

hoe mila mitandrina andro

sasany.—Galatianina 4:9-11.

2010 A.K.

[Sary, pejy 11]

Navoakan’ny gazety tany Fidji ny fahirano nataon’ireo andiana metodista nanery ny olona hitandrina ny Sabata

[Sary nahazoan-dalana]

Courtesy of the Fiji Times