Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tenin’Andriamanitra ve ny Baiboly?

Tenin’Andriamanitra ve ny Baiboly?

Tenin’Andriamanitra ve ny Baiboly?

“Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana, mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.”—2 TIMOTY 3:16, 17.

SAROBIDY tamin’ny apostoly Paoly ny Baiboly, rehefa jerena ireo teniny ireo! Ilay antsoin’ny olona hoe Testamenta Taloha no tena tiany holazaina, satria io ihany no nisy tamin’ny androny. Mihatra amin’ny boky rehetra ao amin’ny Baiboly koa anefa ny teniny, anisan’izany ireo boky nosoratan’ny mpianatr’i Jesosy voalohany.

Sarobidy aminao koa ve ny Baiboly? Mino ve ianao fa nahazo herin’ny fanahy masin’Andriamanitra ireo nanoratra azy io? Nino izany ny Kristianina voalohany sy ireo tena Kristianina tatỳ aoriana. Nilaza, ohatra, i John Wycliffe, mpitondra fivavahana anglisy tamin’ny taonjato faha-14 fa “fahamarinana tsy mety diso” no ao anatin’ny Baiboly. Hoy koa Ny Diksionera Vaovaon’ny Baiboly (anglisy), rehefa avy niresaka momba ilay tenin’i Paoly etsy aloha: ‘Marina daholo izay lazain’ny Baiboly, satria avy amin’Andriamanitra izy io.’

Niova ny fiheveran’ny olona ny Baiboly

Tsy dia manaraka izay lazain’izy io intsony ny olona. Hoy ny boky Ny Fivavahana Eran-tany (anglisy): “Mbola eken’ny Kristianina rehetra fa ilaina eo amin’ny fiainana ny Baiboly, ary avy ao ny zavatra inoany.” Tsy hita taratra eo amin’ny fiainany intsony anefa izany. Maro izao no milaza fa ‘hevitr’olombelona no ao amin’ny Baiboly ary tsy azo ianteherana.’ Marina fa ekeny hoe tena nanam-pinoana ireo nanoratra azy io. Olombelona ihany anefa, hono, izy ireny, sady tsy mahay noho isika ankehitriny, na dia niezaka mafy nanazava fampianarana lalina aza.

Vitsy kely ny olona mampifanaraka ny fanaony sy ny toe-tsainy amin’izay lazain’ny Baiboly. Angamba ianao efa nandre olona nilaza hoe efa lany andro sy tsy mahomby ny fitsipi-pitondran-tena ao amin’izy io. Maro koa no manakiana ny lalàna ao, na tsy miraharaha azy ireny rehefa tsy azoazony ilay izy. Misy indray mba milaza azy ho Kristianina, nefa tsy mankatò izay lazain’ny Baiboly momba ny fijangajangana, fanitsakitsaham-bady, famitahana, ary fimamoana.—1 Korintianina 6:9, 10.

Inona no mahatonga izany? Nahita antony iray Atoa Charles Marston, mpikaroka tany am-piandohan’ny taonjato faha-20. Nilaza izy tao amin’ilay boky hoe Marina ny Baiboly (anglisy) fa ‘nanaiky be fahatany ny hevitr’ireo mpanoratra’ nanakiana ny Baiboly ny olona tamin’izany. Ary ankehitriny? Ahoana no tokony hiheveranao ny tenin’ireo manam-pahaizana mitsikera ny Baiboly? Hiresaka izany ny lahatsoratra manaraka.