I Jesosy Ihany ve no Mikaela Arkanjely?
Manontany ny Mpamaky
I Jesosy Ihany ve no Mikaela Arkanjely?
▪ Eny. Mahazatra any amin’ny tany maro ny miantso olona iray amin’ny anarana maromaro. Toy izany ihany ny ao amin’ny Baiboly. Nantsoina hoe Israely koa, ohatra, i Jakoba loham-pianakaviana fahiny. (Genesisy 35:10) Nantsoina tamin’ny anarana dimy samy hafa ny apostoly Petera: Simeona, Simona, Petera, Kefasy, ary Simona Petera. (Matio 10:2; 16:16; Jaona 1:42; Asan’ny Apostoly 15:7, 14) Nahoana isika no afaka milaza fa anarana hafa iantsoana an’i Jesosy ny hoe Mikaela? Diniho ireto porofo avy ao amin’ny Soratra Masina ireto:
Indimy ny Baiboly no miresaka momba ny anjely mahery atao hoe Mikaela. Hita ao amin’ny bokin’i Daniela ny telo amin’izany. Milaza ny Daniela 10:13, 21 fa nisy anjely nirahina, ary nanavotra azy i Mikaela, izay antsoina hoe “iray amin’ireo andriana lehibe indrindra” sy “andrianan’ny firenenareo.” Hitantsika ao amin’ny Daniela 12:1 koa fa amin’ny fotoanan’ny farany, dia “hitsangana i Mikaela, ilay andriana lehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao.”
Misy firesahana hafa momba an’i Mikaela ao amin’ny Apokalypsy 12:7. Voalaza ao fa nanao ady lehibe i “Mikaela sy ny anjeliny.” Ho vokany dia noroahina avy tany an-danitra i Satana Devoly sy ny anjely ratsiny.
Hita avy amin’ireo tantara eto aloha ireo fa anjely mpiady, izay miaro sy miady ho an’ny vahoakan’Andriamanitra, i Mikaela. Miady amin’ny Satana, ilay fahavalon’i Jehovah lehibe indrindra, mihitsy izy.
Antsoina hoe “arkanjely” i Mikaela ao amin’ny Joda andininy faha-9. Ilay tovona hoe “ark-”, dia midika hoe “lehibe” na “ambony indrindra.” Tsy milaza maro mihitsy ny teny hoe “arkanjely” ao amin’ny Baiboly. Ny 1 Tesalonianina 4:16 no andininy hafa miresaka momba ny arkanjely. Hoy i Paoly ao, momba an’i Jesosy natsangana tamin’ny maty: “Ny Tompo [Jesosy] mihitsy amin’izay no hidina avy any an-danitra ka hanome baiko mafy amin’ny feon’arkanjely sady hihazona ny trompetran’Andriamanitra.” I Jesosy Kristy mihitsy àry no arkanjely na lehiben’ny anjely.
Inona no azontsika tsoahana avy amin’izany? I Jesosy Kristy no Mikaela arkanjely. Ny hoe Mikaela (midika hoe “Iza no Tahaka An’Andriamanitra?”) sy hoe Jesosy (midika hoe “I Jehovah dia Famonjena”), dia mampiseho fa loha laharana izy amin’ny fanohanana ny zon’Andriamanitra hitondra. Hoy ny Filipianina 2:9: ‘Nasandratr’Andriamanitra ho amin’ny toerana ambony kokoa [i Jesosy nomem-boninahitra] ary nomeny tamin-katsaram-panahy anarana ambony noho ny hafa rehetra.’
Tsara homarihina fa efa nisy talohan’ny naha olombelona azy i Jesosy. Nitsidika an’i Maria ny anjely iray, talohan’ny nahaterahan’i Jesosy. Nilaza taminy izy io fa hitoe-jaza avy amin’ny fanahy masina izy, ary hataony hoe Jesosy ny anarany. (Lioka 1:31) Nandritra ny fanompoany, dia matetika i Jesosy no niresaka fa efa nisy izy talohan’ny naha olombelona azy.—Jaona 3:13; 8:23, 58.
I Jesosy talohan’ny naha olombelona azy àry ilay antsoina hoe Mikaela arkanjely. Niverina tany an-danitra izy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, ary nandray ny andraikitr’i Mikaela lehiben’ny anjely indray, “ho voninahitr’Andriamanitra Ray.”—Filipianina 2:11.