Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Nampianarin’i Jesosy Momba ny Tenany?

Inona no Nampianarin’i Jesosy Momba ny Tenany?

Inona no Nampianarin’i Jesosy Momba ny Tenany?

“Fantatr’i Jesosy tsara hoe iza izy ary avy aiza, nahoana izy no tonga teto an-tany, ary inona no hitranga aminy.”—HERBERT LOCKYER, MPANORATRA.

MISY zavatra tokony ho fantatsika momba an’i Jesosy, alohan’ny hanekentsika sy hinoantsika an’izay nampianariny. Iza marina izy? Avy aiza izy? Inona no tanjony? Toy ny hoe izy mihitsy no mamaly an’izany ao amin’ny Filazantsaran’i Matio, Marka, Lioka, ary Jaona.

Efa nisy izy talohan’ny nahaterahany teto an-tany Hoy i Jesosy indray mandeha: “Mbola tsy ary akory i Abrahama, dia efa nisy aho.” (Jaona 8:58) Roa arivo taona teo ho eo talohan’ny nahaterahany no niainan’i Abrahama, lehilahy tsy nivadika. Efa nisy talohany anefa i Jesosy. Taiza àry izy? Hoy izy: ‘Nidina avy any an-danitra aho.’—Jaona 6:38.

Zanak’Andriamanitra Zanak’i Jehovah ireo anjely maro be. Miavaka anefa i Jesosy. Nolazainy hoe “Zanaka Lahitokan’Andriamanitra” izy. (Jaona 3:18) Mampiseho izany fa izy irery no noforonin’Andriamanitra mivantana. Tamin’ny alalan’io Zanany lahitokana io no namoronany ny zavatra hafa rehetra.—Kolosianina 1:16.

“Zanak’olona” Io teny io no nampiasain’i Jesosy imbetsaka indrindra mba hiantsoana ny tenany. (Matio 8:20) Nasehony àry hoe tena olombelona izy fa tsy anjely nitafy nofo. Nampiasa ny fanahiny Andriamanitra mba hamindrana ny ain’ny Zanany avy any an-danitra ho ao an-kibon’i Maria, tovovavy virjiny. Lavorary sy tsy nisy ota àry i Jesosy rehefa teraka.—Matio 1:18; Lioka 1:35; Jaona 8:46.

Ilay Mesia Nampanantenaina Hoy ny vehivavy samaritanina iray tamin’i Jesosy: “Fantatro fa ho avy ny Mesia.” Namaly i Jesosy hoe: “Izaho izay miresaka aminao izao no izy.” (Jaona 4:25, 26) Samy midika hoe “Voahosotra” ny hoe “Mesia” sy “Kristy.” Voahosotra i Jesosy, izany hoe voatendrin’Andriamanitra hanao asa manokana mba hanatanterahana ny fampanantenany.

Ny antony lehibe indrindra nahatongavany tetỳ an-tany Hoy i Jesosy indray mandeha: ‘Tsy maintsy mitory ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra aho, fa izany no nanirahana ahy.’ (Lioka 4:43) Nanao asa soa maro ho an’ireo nila fanampiana i Jesosy. Ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra anefa no tena nifantohany. Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra hafa izay nampianariny momba an’io Fanjakana io.

Mazava àry fa tsy toy ny olon-drehetra i Jesosy. * Ho hitantsika fa nampisy heviny kokoa an’izay nolazainy tamin’izy teto an-tany ny zavatra niainany tany an-danitra. Mahagaga àry ve raha misy vokany eo amin’ny olona an-tapitrisany eran-tany ny hafatra notoriny?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Miresaka momba azy sy ny anjara asany eo amin’ny fikasan’Andriamanitra ny toko 4 ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.