Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahakasika Anao ny Hafatra Notorin’i Jesosy Kristy

Mahakasika Anao ny Hafatra Notorin’i Jesosy Kristy

Mahakasika Anao ny Hafatra Notorin’i Jesosy Kristy

“Tonga [aho] mba hananany fiainana, eny, hananany fiainana maharitra.”—JAONA 10:10.

NY HANOME no tena nahatongavan’i Jesosy Kristy teto an-tany fa tsy ny handray. Nisy fanomezana sarobidy nomeny ny olombelona nandritra ny fanompoany, dia ny fahamarinana momba an’Andriamanitra sy ny sitrapony. Tsara kokoa ny fiainan’ireo mandray tsara an’io hafatra io, dieny izao. An-tapitrisany ny tena Kristianina afaka manamarina izany. * Anisan’ny tena lehibe amin’ny hafatra notorin’i Jesosy ny momba an’ilay aina lavorary nomeny antsika. Io no fanomezana sarobidy indrindra. Miankina amin’ny fomba handraisantsika an’io hafatra io ny hoavintsika mandrakizay.

Inona no nomen’Andriamanitra sy Kristy? Fantatr’i Jesosy fa tsy maintsy hampijalin’ny fahavalony sy hovonoiny izy. (Matio 20:17-19) Hoy anefa izy ao amin’ilay teniny malaza ao amin’ny Jaona 3:16: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” Nilaza koa izy fa tonga mba “hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.” (Matio 20:28) Nahoana izy no nilaza hoe hanome ny ainy fa tsy hoe halaina aminy izany?

Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra ka nanao fandaharana izy mba hanafahana ny olona amin’ny ota sy ny vokany, dia ny tsy fahalavorariana sy ny fahafatesana. Nirahiny ho etỳ an-tany ny Zanany lahitokana mba ho faty ho sorona. Nanaiky an-tsitrapo i Jesosy ka nanome ny ainy lavorary ho antsika. Antsoina hoe vidim-panavotana io fandaharana io, ary io no fanomezana lehibe indrindra nomen’Andriamanitra ny olombelona. * Hahazoana fiainana mandrakizay izy io.

Inona no tokony hataonao? Natao ho anao ve ny vidim-panavotana? Miankina aminao ihany izany. Aoka hatao hoe misy manolotra fanomezana ho anao. Mbola tsy tena anao ilay izy raha tsy efa raisinao. Toy izany koa fa atolotr’i Jehovah anao ny vidim-panavotana. Mbola tsy tena anao anefa ilay izy raha tsy efa raisinao sy ekenao. Ahoana no hanaovanao izany?

Nilaza i Jesosy fa ireo “maneho finoana” azy no hahazo fiainana mandrakizay. Ho hita eo amin’ny fomba fiainanao raha manam-pinoana ianao. (Jakoba 2:26) Ny hoe mino an’i Jesosy dia midika hoe mankatò an’izay nolazainy ary manahaka azy. Ilainao àry aloha ny mahafantatra tsara an’i Jesosy sy ny Rainy. Hoy i Jesosy: “Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.”—Jaona 17:3.

Nilaza hafatra iray nanova ny fiainan’ny olona an-tapitrisany eran-tany i Jesosy Kristy, 2 000 taona teo ho eo izay. Tianao ve ny hahalala bebe kokoa hoe inona io hafatra io, ary ahoana no ahafahanao sy ny havan-tianao mandray soa avy amin’izy io, dieny izao sy ho mandrakizay? Ho faly hanampy anao ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nilaza hafatra mety hanova mandrakizay ny fiainanao i Jesosy Kristy. Hanampy anao hahalala azy bebe kokoa ireo lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Tsy izay mitonona ho Kristianina no tena mpanara-dia an’i Kristy. Nampianatra ny marina momba an’Andriamanitra sy ny sitrapony i Jesosy. Izay miaina mifanaraka amin’izany ihany no tena mpanara-dia azy.—Matio 7:21-23.

^ feh. 5 Manazava momba ny vidim-panavotana ny toko 5 hoe “Ny Vidim-panavotana no Fanomezana Tsara Indrindra”, ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.