Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rahoviana Isika no Tena Hiadana sy Hilamina?

Rahoviana Isika no Tena Hiadana sy Hilamina?

Lahateny Manokana ho An’ny Besinimaro

Rahoviana Isika no Tena Hiadana sy Hilamina?

Efa an’arivony taona ny olona no nikatsaka fiadanana sy filaminana. Tsy nahita tena fiadanana anefa izy ireo. Nahoana? Misy antony lehibe roa ao amin’ny Baiboly. Misy fampanantenana mampahery toy izao koa ao: Hitondra tena fiadanana sy filaminana maneran-tany Andriamanitra, ary haharitra mandrakizay izany.

Rahoviana izany no ho tanteraka ary amin’ny fomba ahoana? Inona no tokony hataonao raha te hiaina ao anatin’izany toe-piainana izany ianao? Hamaly an’ireo fanontaniana ireo ilay lahateny ara-baiboly hoe “Rahoviana Isika no Tena Hiadana sy Hilamina?” Hatao any amin’ny tany 230 mahery izy io. Any amin’ny toerana maro, dia hatao any amin’ny efitrano fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah izany, ny Alahady 18 Aprily 2010. Anontanio amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eny akaikinareo ny ora sy ny toerana hanaovana azy. Faly izahay manasa anao hanatrika azy io.