Anaran’i Jehovah tao Amin’ny Tempoly Ejipsianina
Anaran’i Jehovah tao Amin’ny Tempoly Ejipsianina
OVIANA ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah na Yahveh no hita voalohany tamin-javatra hafa ankoatra ny Baiboly? Efa talohan’ny 1400 T.K., hoy ny manam-pahaizana sasany. Nahoana izy ireo no miteny izany?
Nandresy firenena maro ny Ejipsianina, tamin’ny 1370 T.K. tany ho any. Nanorina tempoly tsara tarehy tany Soleb, any Nubie, na Soudan ankehitriny àry, i Farao Aménophis III. Nahita azy io ny mpikaroka tatỳ aoriana, ary nilaza fa feno soratra ejipsianina fahiny miendrika kisarisary teny amin’ny rindrina, ka hita teny koa ny anaran’Andriamanitra hoe YHWH, na Jehovah. Taloha, dia ilay antsoina hoe Vato Moabita no noheverina fa zavatra tranainy indrindra nahitana an’io anarana io. Mbola tranainy kokoa noho ny soratra teo amin’io vato io anefa ilay tao amin’ny tempoly ejipsianina, satria efa 500 taona talohany. Nahoana ny anaran’Andriamanitra no hita tany Ejipta?
“Tanin’ny Shasu an’i Jahu”
Naorin’i Aménophis III ho an’i Amona-Ra andriamaniny ilay tempoly. Any andrefan’ny Reniranon’i Nil izy io, ary 120 metatra ny lavany. Voatanisa eo amin’ireo andry ao amin’ny efitra iray amin’izy io ny anaran’ny tany resin’i Aménophis. Misy sarin’olona azo babo eo amin’ny anarana tsirairay. Mifatotra ao aoriana ny tanany, ary misy ampinga ahitana ny anaran’ny taniny na ny fireneny eo aminy. Voatonona koa ny tanin’ny Shasu na Shosou. Iza moa ny Shasu?
Shasu no niantsoan’ny Ejipsianina ny Bédouin, izay foko nonina tany atsinanan’i Ejipta. Nankahalain’ny Ejipsianina izy ireo. Anisan’ny tanin’ny Shasu i Sinay sy ny faritra atsimon’i Palestina sy Jordania fahiny. Misy mpikaroka milaza fa hatrany Liban sy Syria, any avaratra, ny tanin’ny Shasu. Anisan’ireo anaran-tany voatanisa teo amin’ireo
andry tany Soleb ny hoe “Tanin’ny Shasu an’i Jahu.” Misy koa mamaky azy io hoe “Yahwe ao amin’ny tanin’ny Shosou”, na “Tanin’ny Shasu-yhw.” Milaza i Jean Leclant, mpikaroka momba an’i Ejipta fahiny, fa “mitovitovy” ny fomba nanoratana an’io anarana io sy ny “anaran’ilay andriamanitra ao amin’ny Baiboly hoe YHWH.”Mihevitra ny ankamaroan’ny mpikaroka fa toerana na faritra iray ny hoe Jahu na Yahu na Yahwe. Milaza ilay manam-pahaizana atao hoe Shmuel Ahituv, fa “faritra nifindrafindran’ireo mpivavaka tamin’i Yāhū, Andriamanitry ny Israely” izy io. * Mifanaraka amin’ny zava-nisy fahiny ny fanazavany. Maro tamin’ny anaran’ny andriamanitry ny olona fahiny mantsy no niantsoana an’ilay tany nonenan’izy ireo koa. Sady niantsoana ny tanin’ny Asyrianina, ohatra, ny hoe Asoro no niantsoana ny andriamaniny koa.
Hoy i Roland de Vaux, mpikaroka sady manam-pahaizana momba ny Baiboly, mahakasika ilay soratra tany amin’ny tempolin’i Nubie: “Nanao zavatra be dia be tao amin’io faritra io ny razamben’ny Israelita. Tsy mahagaga àry raha nisy toerana na foko nanana anarana nitovy na nitovitovy tamin’ny an’ny Andriamaniny tao, tamin’ny taona 2000 T.K. tany ho any.”
Mbola omem-boninahitra hatramin’izao
Hita tany amin’ny faritra hafa tany Nubie koa ilay hoe Yahwe, amin’ny soratra ejipsianina fahiny. Nisy anarana maromaro toy ireo tao Soleb, ohatra, tao amin’ny tempolin’i Ramsès II, ao Amarah Andrefana sy Aksha. Nisy toerana hafa an’ny Shosou koa voasoratra tao, ary nitovitovy tamin’ilay hoe “Yahwe ao amin’ny tanin’ny Shosou” ny fanoratana azy. Angamba izy ireo Seira na Labana. Any Edoma sy Sinay ary any amin’ny faritra atsimon’ny Palestina no misy azy ireo, araka ny Baiboly. (Genesisy 36:8; Deoteronomia 1:1) Falehan’ny olona nahalala sy nanompo an’i Jehovah tany, taloha sy taorian’ny nipetrahan’ny Israelita tany Ejipta.—Genesisy 36:17, 18; Nomery 13:26.
Tsy mitovy amin’ny anaran’ireo andriamanitra hafa fahiny ny hoe Jehovah, ilay Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. Mbola ampiasaina eran-tany sy omem-boninahitra mantsy io anarana miavaka io. Vavolombelon’i Jehovah fito tapitrisa mahery, any amin’ny tany 230 mahery, no miezaka mafy mampahafantatra an’i Jehovah sy manampy ny olona hanatona azy.—Salamo 83:18; Jakoba 4:8.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 7 Misy anefa mpikaroka tsy tena mino hoe mpivavaka amin’ilay Andriamanitra ao amin’ny Baiboly tokoa ny Shasu. Lazainy fa tsy hita afa-tsy eo amin’ilay andry ny anaran-tanin’ny Shasu. Angamba, hono, sendra nitovitovy tamin’ny anaran’ny Andriamanitry ny Israely fotsiny izy io, na dia toa sarotra inoana aza izany.
[Teny notsongaina, pejy 21]
Nahoana ny anaran’i Jehovah, ilay Andriamanitra ao amin’ny Baiboly, no hita tao amin’ny tempoly ejipsianina?
[Sarintany, pejy 21]
(Jereo ny gazety)
EJIPTA
Tempoly tao Soleb
SOUDAN
Reniranon’i Nil
[Sary, pejy 21]
Andry tao amin’ilay tempoly
[Sary, pejy 22]
Sisa tavela tamin’ny tempolin’i Amona-Ra, Soleb, Soudan
[Sary nahazoan-dalana]
Ed Scott/Pixtal/age fotostock
[Sary nahazoan-dalana, pejy 21]
Sary maizimaizina: Asian and Middle Eastern Division/The New York Public Library/Astor, Lenox and Tilden Foundations