Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fa Manao Inona Andriamanitra?

Fa Manao Inona Andriamanitra?

Fa Manao Inona Andriamanitra?

“Nahoana ianao no mijoro eny lavitra eny, Jehovah ô? Nahoana no miafina ianao, amin’ny fotoam-pahoriana?” *SALAMO 10:1.

ASEHON’IREO matoam-baovao fa tena miaina amin’ny “fotoam-pahoriana” isika. Rehefa isika mihitsy no maty havana na iharan’ny heloka bevava, na loza, dia mety hanontany isika hoe: ‘Hitan’Andriamanitra ve izao? Miahy ny olona ve izy? Misy ve izy?’

Efa nieritreritra ve anefa isika fa mety ho diso hevitra mahakasika ny zavatra antenaintsika amin’Andriamanitra? Alao sary an-tsaina hoe tezitra ny ankizy iray satria lasa niasa ny rainy. Malahelo izy ka tiany hody ny rainy. Mahatsiaro ho nafoy ilay ankizy. Hoy foana izy mandritra ny andro: “Fa aiza i Dada?”

Fantatsika avy hatrany fa diso hevitra io ankizy io. Miasa mantsy ny rainy amin’io fotoana io mba hikarakarana ny fianakaviany. Mety ho diso hevitra toy izany koa isika rehefa manontany hoe: “Fa nankaiza Andriamanitra?”

Mety ho tian’ny olona sasany, ohatra, raha mpanasazy Andriamanitra, ka hanafay avy hatrany an’izay manao ratsy. Ny hafa indray mihevitra azy ho mpanolotra fanomezana, izay manome azy asa, na vady, na vola amin’ny loka.

Toa te hilaza izy ireo fa raha tsy mampihatra ny rariny avy hatrany Andriamanitra, na tsy manome azy ny zavatra iriny, dia midika izany fa tsy miraharaha ny fijaliantsika sy izay ilaintsika izy. Tsy marina anefa izany! Raha ny marina, dia miasa i Jehovah Andriamanitra amin’izao fotoana izao, mba hikarakarana ny zanak’olombelona, saingy tsy araka ny antenain’ny maro.

Manao inona àry Andriamanitra? Mila mandinika ny tany am-piandohan’ny tantaran’olombelona isika mba hamaliana izany. Simba tamin’izay ny fifandraisan’izy ireo tamin’Andriamanitra. Tsy hoe tsy misy azo antenaina anefa.

Ny voka-dratsin’ny ota

Aoka hatao hoe misy trano iray simba nandritra ny taona maro. Misy loaka ny tafo, niongotra ny varavarana, ary nosimban’ny olona ny ivelan’ilay trano. Tsara erỳ io trano io tamin’ny voalohany. Tsy ho mora ny hanavao azy, rehefa jerena ireo fahasimbana, ary tsy ho vita vetivety.

Diniho indray izao ny fahasimbana nitranga tamin’ny olombelona, 6 000 taona lasa teo ho eo izay. Nampirisika an’i Adama sy Eva hikomy tamin’Andriamanitra ny anjely iray atao hoe Satana. Nanana fahasalamana tonga lafatra sy afaka ny hiaina mandrakizay miaraka amin’ny taranany izy mivady, talohan’io fikomiana io. (Genesisy 1:28) Rehefa nanota anefa izy ireo, dia toy ny hoe nosimbany ny taranak’olombelona.

Aza hamaivanina ny voka-dratsin’io fikomiana io. Hoy ny Baiboly: ‘Niditra avy tamin’ny olona iray [Adama] ho amin’izao tontolo izao ny ota, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana.’ (Romanina 5:12) Tsy vitan’ny hoe mahatonga antsika ho faty ny ota, fa manimba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra koa, ary misy vokany eo amin’ny vatantsika sy ny saintsika ary ny fihetseham-pontsika. Toy ilay trano rava isika. Marina àry ny nolazain’i Joba olo-marina fa “vitsy andro sady vontom-pahoriana” ny olombelona.—Joba 14:1, Fandikan-teny Protestanta.

Nahafoy ny olombelona ve anefa Andriamanitra taorian’ny nanotan’i Adama sy Eva? Tsia. Miasa ho an’ny zanak’olombelona ilay Raintsika any an-danitra nanomboka teo ka hatramin’izao. Mba hahafantarantsika izay ataony ho antsika, dia diniho ny dingana telo ilaina hatao rehefa hanavao trano. Diniho koa hoe inona no ifandraisan’izy ireo amin’ny zavatra ataon’Andriamanitra mba hamerenana ny fahalavorarian’ny olombelona.

1 Mandinika ny fahasimbana ilay tompon-trano, ary misafidy na hanavao na handrava azy io.

Nanambara avy hatrany i Jehovah Andriamanitra, taorian’ilay fikomiana, fa hanavao na hamerina ny fahalavorarian’ny olona izy. Hoy izy tamin’i Satana, izay nitarika ilay fikomiana: “Hataoko mifandrafy ianao sy ny vehivavy, ary ny taranakao sy ny taranany. Hanorotoro ny lohanao izy io, ary ianao kosa handratra azy eo amin’ny voditongony.”—Genesisy 3:15.

Nampanantena àry i Jehovah hoe haringany ilay nahatonga ny fikomiana tany Edena. (Romanina 16:20; Apokalypsy 12:9) Nilaza koa izy fa hisy ‘taranaka’ hanafaka ny olombelona amin’ny ota. * (1 Jaona 3:8) Hita avy amin’izany ny zavatra hataon’i Jehovah: Hanavao izy fa tsy handringana ny zavaboary. Tsy ho vita vetivety anefa izany.

2 Manao planina momba an’ilay fanavaozana ny mpanao mari-trano iray.

Nanome lalàna ho an’ny Israelita i Jehovah Andriamanitra, ary nasainy nanorina tempoly izy ireo mba hanompoana azy. Hoy ny Baiboly: “Aloky ny zavatra ho avy ireny.” (Kolosianina 2:17) Toy ny planina, dia manondro zavatra lehibe kokoa ny lalàna sy ny tempoly.

Nanao sorona biby, ohatra, ny Israelita mba hahazoana famelan-keloka. (Levitikosy 17:11) Mifanitsy amin’ny sorona lehibe kokoa hatolotra taonjato maro atỳ aoriana izany. Hanafaka tanteraka ny fahotana io sorona io. * Ny firafitry ny tranolay masina sy ny tempoly, izay toeram-pivavahan’ireo Israelita, dia manondro izay hataon’ilay ‘taranaka’ na ny Mesia, nanomboka tamin’ny fahafatesany ho sorona ka hatramin’ny fiakarany tany an-danitra.—Jereo ny  tabilao eo amin’ny pejy 7.

3 Misy mpanao trano fidina mba hanaraka an’ilay planina ka hanatanteraka an’ilay fanavaozana.

I Jesosy no Mesia nampanantenaina. Nanao sorona toy ny nataon’ireo Israelita izy, ka ny ainy no natolony mba hanavotana ny olombelona. Niantso azy hoe “Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” i Jaona Mpanao Batisa. (Jaona 1:29) Neken’i Jesosy an-tsitrapo ilay asa nampanaovina azy. Hoy izy: “Tsy ny hanao ny sitrapoko no nidinako avy any an-danitra, fa ny hanao ny sitrapon’ilay naniraka ahy.”—Jaona 6:38.

Sitrapon’Andriamanitra ny hanomezan’i Jesosy ny “ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro”, sy ny hanaovany fifanekena amin’ny mpanara-dia azy ho amin’ny Fanjakana iray. (Matio 20:28; Lioka 22:29, 30) Amin’ny alalan’izy io no hanatanterahan’Andriamanitra ny fikasany momba ny olombelona. Antsoina hoe “vaovao tsara” ny hafatra momba ilay Fanjakana. (Matio 24:14) Araka an’io hafatra io mantsy, dia nanangana fitondram-panjakana any an-danitra Andriamanitra, mba hitondra ny tany.—Daniela 2:44. *

Mitohy ny asa fanavaozana

Nandidy ny mpianany toy izao i Jesosy, talohan’ny niakarany tany an-danitra: “Ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina. ... Ary homba anareo foana aho, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.”—Matio 28:19, 20.

Tsy nitsahatra teo amin’ny fahafatesan’i Jesosy àry ny famerenana ny fahalavorarian’ny olona. Mitohy mandritra ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” izy io. Amin’io fotoana io ny Fanjakan’Andriamanitra no hanomboka hitondra ny tany. Ao anatin’io fotoana io mihitsy isika izao. Efa tanteraka mantsy ny famantarana nolazain’i Jesosy momba ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” *Matio 24:3-14; Lioka 21:7-11; 2 Timoty 3:1-5.

Mankatò ny didin’i Jesosy ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, ka mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tany 236. Natao hanampiana anao hianatra bebe kokoa momba io Fanjakana io sy ny zavatra hotanterahiny ity gazety ity. Izao no ao amin’ny pejy faha-2 amin’ny Tilikambo Fiambenana tsirairay: “Milaza vaovao tsara mampahery ... [ity gazety ity], dia ny hoe madiva hanafoana ny faharatsiana rehetra sy hanova ny tany ho paradisa ny Fanjakan’Andriamanitra, izay tena fitondram-panjakana any an-danitra. Ankoatra izany, ity gazety ity dia mampirisika ny olona hino an’i Jesosy Kristy, izay nahafoy ny ainy mba hahazoantsika fiainana mandrakizay, sady efa mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra.”

Marina fa mety mbola handre momba ny fanafihan’ny mpampihorohoro na ny hetraketraky ny natiora ianao, na koa mety hisy loza hanjo anao na ny havanao. Ho resy lahatra anefa ianao, rehefa mianatra Baiboly, fa tsy nahafoy ny olombelona Andriamanitra. “Tsy lavitra antsika tsirairay izy”, raha ny marina. (Asan’ny Apostoly 17:27) Ho tanteraka ilay fampanantenany hamerina indray ny zavatra nafoin’i Adama sy Eva.—Isaia 55:11.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Jehovah no anaran’Andriamanitra, araka ny Baiboly.

^ feh. 16 Raha mila fanazavana fanampiny momba ny Genesisy 3:15, dia jereo ny toko faha-19 amin’ny boky Manatòna An’i Jehovah, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 19 Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny toko faha-5 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Tabilao/Sary, pejy 7]

 (Jereo ny gazety)

Inona no Mifanitsy Amin’ny Tranolay Masina​—“Izay Tahaka An’ilay Tena Izy”?

NY ALITARA

Ny fahavononan’Andriamanitra hanaiky ny sorona nataon’i Jesosy.—HEBREO 13:10-12.

NY MPISORONABE

Jesosy.​—HEBREO 9:11.

1 Nanolotra fanatitra noho ny otan’ny vahoaka ny mpisoronabe, tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana.​—LEVITIKOSY 16:15, 29-31.

1 Nanome ny ainy ho antsika i Jesosy, tamin’ny 14 Nisana, taona 33.​—HEBREO 10:5-10; 1 JAONA 2:1, 2.

NY MASINA

I Jesosy voahosotry ny fanahy masina.​—MATIO 3:16, 17; ROMANINA 8:14-17; HEBREO 5:4-6.

NY RIDAO

Ny vatana ara-nofon’i Jesosy, izay nanasaraka ny fiainany teto an-tany sy ny any an-danitra.​—1 KORINTIANINA 15:44, 50; HEBREO 6:19, 20; 10:19, 20.

2 Nankao ambadik’ilay ridao nanasaraka ny Masina sy ny Masina Indrindra ny mpisoronabe.

2 Taorian’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, dia toy ny hoe ‘nankao ambadik’ilay ridao’ izy ka niakatra tany an-danitra mba ‘hiseho teo anatrehan’Andriamanitra ho antsika.’​—HEBREO 9:24-28.

NY MASINA INDRINDRA

Lanitra.​—HEBREO 9:24.

3 Rehefa tao amin’ny Masina Indrindra ny mpisoronabe, dia nafafiny teo anoloan’ny vata misy ny fifanekena ny ampahany tamin’ny ran’ilay sorona.​—LEVITIKOSY 16:12-14.

3 Nanolotra ny vidin’ny ra nalatsany teo anatrehan’Andriamanitra i Jesosy, ary tena naharakotra ny fahotantsika izy io.​—HEBREO 9:12, 24; 1 PETERA 3:21, 22.